Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Velona ho an'ny hafa

Daty
Alakamisy 20 June 2024

"Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro." — Mat. 20:28. 

Mofon’aina:
Tsy natao hivelona ho an'ny tenantsika isika. Velona ho _ an'ny hafa i Kristy fony Izy teto amin'izao tontolo izao — tsy tonga hotompoina Izy fa hanompo. Raha miezaka miaina eto an-tany tahaka ny niainan'i Jesôsy ianao dia milaza amin'izao tontolo izao hoe: "Banjino Ilay Lehilahin' i Kalvary." Mitarika ny hafa ho eo amin'ny lalan'ny fahamarinana ianao amin'ny alalan'ny foto-kevitra sy ny ohatra asehonao.

Ny fahotana kolokoloina indrindra, izay mampisaraka antsika amin' Andriamanitra sy mahatonga areti-mifindra ara-panahy maro, dia ny fitiavan-tena. Tsy misy fomba hitodihana amin'Andriamanitra afa-tsy amin'ny alalan'ny fandavan-tena. Tsy mahavita na inona na inona isika raha amin'ny herin'ny tenantsika; fa afaka ny ho velona mba hanao soa ho an'ny hafa kosa amin'ny alalan'Andriamanitra izay mampahery antsika, ka ho afa-miala amin'ny haratsian'ny fitiavan-tena. Tsy mila mankany amin'ny tanin'ny mpanompo sampy isika mba hanehoana amin'Andriamanitra ny fanoloran-tenantsika hanana fiainana manampy ny hafa sy tsy tia tena. Ao an-tokantrano, ao am-piangonana, ary ireo namana sy ny mpiara-miasa amintsika no tokony hanaovantsika izany. (...)

"Maty isan'andro aho", hoy i Paoly — 1 Kôr. 15:31. Ny fahafatesan'ny "izaho" isan'andro eo amin'ny raharaha madinika atao eo amin'ny fiainana no mahatonga antsika ho mpandresy. (...)

Mibaiko mazava ny mpanara-dia Azy rehetra Andriamanitra mba hanao soa amin'ny hafa amin'ny alalan'ny hery miasa mangina ananany sy ny fahafaha-manaony. (...) Ahazoana fahafaham-po sy fiadanana mamy ao am-po ny fiasana ho an'ny hafa, ary valisoa ampy tokoa izany. (...) Tsy eto an-tany ihany io valisoa io fa mihoatra noho izany; voamariky ny anjely sy mamirapiratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana mantsy ny adidy tsirairay atao amim-pahatokiana sy tsy amim-pitiavan-tena. Tsy hisy olona hihevitra ny tombontsoan'ny tenany na hitady izay mahafinaritra azy fotsiny any an-danitra. Ny hahasambatra ireo mponin'ny lanitra manodidina azy no hokatsahiny. Raha tiantsika ny hiara-paly amin'ireo mponin'ny lanitra ireo any amin'ny tany vaovao, dia ny fitsipiky ny lanitra no tsy maintsy mifehy antsika dieny ety. - HP, t. 233. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal