Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tohan-kevitra mahomby indrindra

Daty
Alarobia 26 June 2024

 "Izaho dia Izaho ihany no Jehôvah ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. (..) Dia hianareo no vavolombeloko, hoy Jehôvah , ary Izaho no Andriamanitra." - Isa. 43:11,12. 

Mofon’aina:
Hoy ny Tompo amin'ireo mpanara-dia Azy marina: "Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy." — and. 21. Izy ireo no vavolombeloko, nofidiko hisolo tena Ahy eo amin'izao tontolo izao mpikomy. (...) Miantso antsika hiara-miasa Aminy Andriamanitra, ary rariny sy mitombina ny fangatahany (...). Matoa misalotra ny anaran'i Kristy isika dia manaiky hisolo tena Azy. Mba ho marina ny fanolorantsika tena, dia tsy maintsy ao anatintsika i Kristy, Ilay fanantenana ny voninahitra. Tsy maintsy mitovy bebe kokoa hatrany amin'ny fiainan'i Kristy ny fiainantsika isan'andro. Tsy maintsy Kristianina amin'ny asa sy ny fahamarinana isika. (...) Ireo izay tena Kristianina marina ihany no harahabain'i Kristy tonga soa any an-danitra. Ny fiainan'ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy miaina araka ny fiainan'i Kristy dia manala baraka ny fivavahana.

Tsy mangataka ny hanaovantsika sorona lehibe Andriamanitra mba hahazoantsika ny fankasitrahany. Ny hany angatahiny dia fanompoana avy amin'ny fo torotoro sy manetry tena, izay manaiky amim-pifaliana sy fisaorana ny fanomezany maimaimpoana. (...)

Azonao an-tsaina ve ny tombam-bidinao eo imason'Andriamanitra? Hoy Izy, mpiara-miasa Amiko ianao. Mamela ny fahazavanao hamirapiratra eo amin'izao tontolo izao lavo ve ianao? Miezaka mampiasa ny fahaizanao rehetra sy ny herinao rehetra izay nomen'Andriamanitra anao ve ianao? Mety tsy ho mpitandrina ianao, saingy azonao atao ny mijoro ho vavolombelona. Mety tsy ho mpandaha-teny mahay ianao, saingy ny fiainanao ao amin'i Kristy sy ny famelanao ny fahazavanao hamirapiratra eo imason'ny olona dia efa mitory zavatra betsaka.

Ny Kristianina marina sy maha-te ho tia no tohan-kevitra mahomby indrindra manohana ny fahamarinan'ny Baiboly. Izany olona izany no solontenan'i Kristy. Ny fiainany no porofo mandresy Iahatra indrindra ny amin'ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra. Rehefa manana ny fahamarinan'i Kristy eo amin'ny fiainany isan'andro ny vahoakan'Andriamanitra, dia hiova fo ny mpanota ary fandresena maro no ho azo amin'ny ady atao amin'ny fahavalo. HP, t. 318.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal