Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raha tonga anio I Kristy

Daty
Sabotsy 29 June 2024

 "Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona." - Lio. 21:36. 

Mofon’aina:
Mibaiko antsika mba hiambina i Kristy, mba ho isan'izay mendrika ny ho afaka amin'ireo toe-javatra ho tonga eto an-tany isika. Tena zava-dehibe indrindra ny hiheverantsika io fampitandremana io. Manjohy antsika ilay fahavalon'ny fahamarinana, manao izay itaomana antsika hanadino an'Andriamanitra. 
Tokony hameno fifaliana ny fontsika ny fisehoan'i Kristy tsy ho ela. Ho an'izay tia ny fisehoany dia ho tonga Izy, tsy manana ota, ary mitondra famonjena. Kanefa raha ny zavatry ny tany no mameno ny fisainantsika, dia tsy mba hiandrandra ny fisehoany amim-pifaliana isika. Misy manao hoe "Raha fantatro fa ho avy afaka taona vitsy i Kristy, dia ho hafa kokoa no nitondrako ny fiainako." Kanefa raha fantatsika fa tsy maintsy ho avy Izy, dia tokony hataontsika fotsiny izay hiainantsika amim-pahatokiana toy ny hoe ho avy afaka taona vitsy monja Izy. (...) Ity andro anio ity no fantatsika. Anio isika no tsy maintsy mahatoky amin' izay nankinina tamintsika. Anio no tsy maintsy itiavantsika an'Andriamanitra amin'ny fontsika rehetra sy itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika. Anio isika no tsy maintsy manohitra ny fakam-panahy alefan'ny fahavalo, ka mahazo fandresena amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy. Toy izany no hiambenantsika sy hiandrasantsika ny fiavian'i Kristy. Isan'andro' isika dia tokony hiaina toy ny hoe anio no andro farany iainantsika eto an-tany. Raha fantatsika fa ho avy rahampitso i Kristy (...) tsy hanao izay faraherintsika ve isika mba hanam-paharetana, ho tsara fanahy, ary hamonjy fanahy ho an'i Kristy? Mandrisika anao aho hampiala ny sainao -amin'ny zavatry ny tany ka hampifantoka izany kosa amin'ny zava-panahy mandrakizay. (...) Tsy tokony ho afa-po velively amin'ny zava-bitantsika ankehitriny isika. Raha manao ny ezaka rehetra isika hanatrarana ny idealin'Andriamanitra ho antsika, raha mangataka fanampiana amin'i Kristy Mpamonjy mahery isika, dia homeny antsika tokoa izay fanampiana tena ilaintsika. Homeny antsika ny hery hahatonga antsika ho mpandresy amin'ny ady ataontsika amin'ny ratsy. — HP, t. 355.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal