Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifarana ny ady

Daty
Alahady 01 September 2024

 "Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra- pahatanterak ' izy rehetra."- Mat. 5:18.

Mofon’aina:
Raha vao nanomboka ny asany i Kristy dia nifanatrika taminy i atana ka nanohitra Azy isaky ny indray mandingana (.. . )Nahafaoka zavatra maro ity fifanandrinana ity. (...) Izao no fanontaniana napetraka mahakasika izany: "Moa ve ny lalàn'Andriamanitra tsy tonga lafatra, ary tokony hovana na hofoanana? Sa tsy miova ny lalàna? Moa ve marin-toerana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra sa mila fanovana?" Tsy eo anatrehan'ireo monina ao amin'ny tanànan'Andriamanitra ihany no tokony hamaliana izany fanontaniana izany fa eo anoloan'ireo mponina rehetra any amin'ny tontolon'ny lanitra. (...)

Nanaraka ilay Zanak'Andriamanitra i Satana, nanomboka teo amin'ny fihinanam-bilona hatreny amin'ny hazo fijaliana. Tonga teo Aminy tahaka ny fifofofofon'ny rivotra ny fakam-panahy maro. Kanefa arakaraka ny nampivaivay ny fifanandrinana no nahalalany bebe kokoa ny amin'ireo fakam-panahy mamely ny olombelona sy nahatonga Azy ho voaomana tsara hamonjy izay alaim-panahy.

 Mifandanja amin'ny tombabidin'ny zavatra ho azo na ho verin'i Kristy amin'ny fahombiazany na ny fahareseny ny hamafin'ny fizahan-toetra nolalovany.

(...) Ity tontolontsika ity no saha fiadiana, saingy izao tontolo izao rehetra izay noforonin'Andriamanitra no niharan'ny vokatry ny ady. (...) Notadiavin'i Satana izay hanehoana fa niady ho an'ny fahafahan'izao rehetra izao izy. Na dia tamin'ny fotoana naha-teo amin'ny hazo fijaliana an'i Kristy aza dia tsy nihemotra ilay fahavalo (...) mba handresen-dahatra ny rehetra fa lozabe ny lalàn'Andriamanitra. Izy (Satana) mihitsy no namolavola ny drafitra sy nanomana ny teti-dratsy rehetra ary nanetsika ny saina rehetra mba hitondra fahoriana ho an'i Kristy. Izy mihitsy no niampanga an'Ilay tsy nanao afa-tsy ny tsara. (...)

Tamin' izany rehetra izany no nanefen' i Satana ny gadra vy izay hamatorana azy ihany. Ny mponin'ny lanitra manontolo no hijoro ho vavolombelon'ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny famaliana azy. (...)

Tsy ao an-tsain'ireo zavaboary mety maty eto amin'ity tany ity ihany no ampitoerana ny tsy fiovaovan'ny lalàn' Andriamanitra fa ao an-tsain'ireo mponina rehetra any an-danitra koa. (...) Feo iray no anandratan'izy ireo an'Andriamanitra ho marina sy be indrafo, (...) ary mpanao ny rariny. - TDG, t. 14. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal