"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
Raha vantany vao noroahina tao amin'ny saha ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nanome ny fanantenana momba ny Mesia Andriamanitra (Gen. 3:15). Rehefa izay dia nametrahany famantarana lehibe teo amin'ireo vavahadin'i Edena: kerôbima roa niaraka tamin'ny hazavana mamirapiratra teo anelanelan'izy ireo. Tsara ny mahatsiahy fa misy fitoviana betsaka amin'ny fiaran'ny fanekena io sary io, izay maneho ny seza fiandrianan'Andriamanitra (Eks. 25:18).
Vakio ny Gen. 3:21-24. Inona ny asa nampiandraiketina ny kerôbima, ary inona no anton'izany?
Azo antoka fa nomena andraikitra hiaro ireo mpanota tsy hanatona ny hazon'aina ireo kerôbima (Gen. 3:22), nefa mampiseho fanantenana sy fampanantenana koa izy ireo, fa indray andro any dia haverina indray ao amin'ny paradisa ny taranak'olombelona. "Mbola nitoetra ela teto an-tany ny sahan'i Edena taorian'ny nandroahana ny olombelona tsy hanitsaka ireo lalana mahafinaritra tao. Mbola navela hijery ilay fonenana tsy nanan-tsiny nandritra ny fotoana naharitra ilay taranaka lavo fa ny lalana niditra tao ihany no nosakanan'ireo anjely mpiambina ny saha. Naseho teo amin'ny vavahadin'ny Paradisa nambenan'ny kerobima ny voninahitr'Andriamanitra. Teo i Adama sy ireo zanany no niankohoka tamin'Andriamanitra. Teo no nanavaozan'izy ireo ny voadim-pankatoavany ny lalana izay nodikainy ka nahatonga azy ho voaroaka tsy ho ao Edena intsony. (...) Amin'ny fotoana izay hamerenana ny toe-javatra rehetra amin'ny laoniny kosa, rehefa hiseho ny 'lanitra vaovao sy tany vaovao' (Apôk. 21:1), dia haverina indray izany ka ho be voninahitra noho ny tamin'ny fotoana nanolorana azy voalohany." - Patriarchs and Prophets, t. 62.
Mahaliana koa ny teny ampiasaina ao amin'ny Gen. 3:24: ambaran'ny Baiboly fa "nampitoerin" Andriamanitra tany atsinanan'ny saha Edena ny kerôbima, ary ny teny hebreo nampiasaina tamin'izany dia ny hoe "shakan" izay fototenin'ny "tabernakely" masina (jereo ny Eks. 25:9; Nom. 3:26), toerana izay nitoeran'ny fanatrehan'Andriamanitra teo amin'ny vahoakany. Na dia tsy hita ao amin'ny Baiboly aza ny teny fampiasan'ny maro hoe Shekinah, mba hilazana ny fanatrehan'Andriamanitra, dia mifototra amin'io teny izay adika matetika hoe "tabernakely" io koa izany. Azo adika ara-bakiteny tahaka izao ny shakan, araka izany: "Nanao tabernakely ho an'ny kerôbima tany atsinanan'ny saha Edena Andriamanitra."
Ampifandraisina amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ny kerôbima ao amin'ny Baiboly (jereo ny 1 Tant. 13:6; Sal. 80:1 ary ny Isa. 37:16), indrindra amin'ny seza fiandrianany izay iantsoana ny Anarany. Tokony ho voamaritsika fa ireo loholona 24 izay manatrika ny seza fiandrianan'Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 4 sy 5 dia manao hira fiderana ho Azy sy manambara ny zo ananany amin'ny maha-Mpamorona ny zavatra rehetra Azy (Apôk. 4:11). Manampy antsika izany hahatakatra ny toe-javatra miseho eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny toerana tanantsika amin'ny maha-mpanota voavela heloka antsika eo amin'ny fifandraisana amin'ilay Mpahary antsika.
"Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak 'olona. (...) Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata." - Mat. 12:8,12.
Mofon’aina:
Nisy lesona nirin'i Jesosy homena ireo mpianany mba tsy hahatonga azy ireo hotarihin'ny mpisorona sy ireo mpanapaka ho amin'ny fandikana vilana ny fomba tokony hitandremana ny Sabata rehefa tsy ho eo amin'izy ireo intsony Izy. Nesoriny tsy ho eo amin'ny Sabata intsony ireo fombafomba sy fitakiana maro namesaran'ny mpisorona sy ny mpanapaka izany.
Nandalo teo amin'ny tanimbary anankiray Izy sy ny mpianany, indray Sabata, noana izy ireo tamin'izay ka nanomboka nikosoka ny salohim-bary ary nihinana. "Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata." - Mat. 12:2. Ho setrin' ny fiampangan'ireo, dia naverin'i Jesôsy taminy izay nataon'i Davida (...): "Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, fa niditra tao amin'ny tranon'Andriarnanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalana va fa amin 'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manao-tsiny? Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly." - Mat. 12:3-6.
Raha nanala tsiny an'i Davida manoloana ny fandikana ny fahamasinan'ny fitoerana masina ny hanoanana tafahoatra ka nahatonga ny fihetsiny tsy nahameloka azy, dia lehibe lavitra noho izany ny fanalan-tsiny ny fihetsika tsotran'ireo mpianatra izay nioty salohim-bary sy nihinana izany tamin'ny andro Sabata! (...)
Tsy fandikana ny lalàna ny asam-pamindrampo sy ny fanomezana ny zavatra ilain' ny olombelona. Tsy manameloka izany Andriamanitra. Nolazainy fa mifanaraka amin'ny lalàna nambarany teo Sinay ny asam-pamindrampo sy ny famaliana ny filan'ny olombelona natao teo am-pamakivakiana ny tanimbary iray, ny fiotazana ireo salohim-bary sy ny fikosehana izany tamin'ny tanana ary ny fihinanana izany mba hampitoniana ny hanoanana. Araka izany, dia nambarany fa tsy meloka Izy, teo anatrehan'ireo mpanora-dalana, sy ny mpanapaka sy ny mpisorona, ary teo anatrehan'ny lanitra sy ireo anjely lavo ary ny olombelona lavo. - RH, 3 AogOsitra 1897.