Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena

Daty
Alahady 07 December 2025

FANOLORAN-TENA

Vakio ny Jos. 22:1-8. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy Ireo amintsika momba ny fanoloran-tenan'ireo Robeniła sy Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase?

Ambaran'i Josoa fa nahatanteraka ny andraikitra napetrak'i Mosesy sy napetrany (Josoa) taminy ireo foko tany an-dafy atsinanan'i Jordana. Midika izany fa naneho fanoloran-tena manan-danja sy nahafoy tena izy ireo ho tombontsoan'ny Isiraely manontolo. Niara-niady tamin'ireo rahalahiny nandritra ny "andro maro" izy ireo; raha ny marina dia naharitra 6 hatramin'ny 7 taona teo ho eo izany (ampitahao amin'ny Jos. 11:18; Jos. 14:10; Deo. 2:14). Navelany tany amin'ny fonenany avy ny vady aman-janany, tany an-dafy atsinanan'i Jordana, ka nanapa-kevitra ny hiady tamim-pahatokiana niaraka tamin'ireo rahalahiny izy ireo, niatrika ny loza mety handratra na hahafaty azy any an'ady.

Tsipihin'ireo andalan-teny ireo amin'ny fomba tsy mivantana ny lanjan'ny maha-iray ny firenena. Ireo andalan-teny ireo koa no manomana antsika ho amin'ny tohin'ny tantara, izay miompana amin'ny firaisana rehefa zohina. Moa ireo fokon'ny Isiraely hitoetra ao anatin'ny firaisana, na eo aza ny fefy ara-boajanahary mampisaraka azy ireo, dia ny onin'i Jordana izany? Moa ve izy ireo hamela ny jeografia hamaritra ny maha-izy ny fireneny, sa ve ny fiankohofan'izy ireo amin'Andriamanitra iray ihany no havelany hihazona ny maha-firenena Voafidiny azy, dia firenena iray ihany ary matanjaka eo ambany Fitarihany?

Hazavain'i Josoa ny fomba tokana nampitoetra izany fahatokiana izany: tsy ireo Isiraelita namany no nanoloran'izy ireo ny fanompoany fa Yahweh mihitsy, izay nanome azy izany iraka izany.

Hitantsika ao amin'ny TV koa izany foto-kevitra izany. Nananatra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba hanaovan'izy ireo fanompoana tahaka ny miasa ho an'Andriamanitra fa tsy ho an'olona (jereo ny Efes. 6:7; Kol. 3:23; 1 Tes. 2:4). Inona moa ny fiantsoana ambony kokoa noho ny fiasana ho an'ilay Mpamorona an'izao rehetra izao?

Matetika isika eo amin'ny fiainana andavanandro no miatrika fihaikana sy olana izay mora manakivy antsika sy mahatonga antsika te hilavo lefona. Mora ny manao izany indraindray, nefa azontsika atao ny miantehitra amin'ny herin'i Jehovah, izay mampanantena fa homba antsika sy hampahery antsika mba hahatanterahantsika izay ampanaoviny antsika. Raha mifantoka amin'ny fiantsoana lehibe kokoa izay lantsoana antsika isika, dia hahazo hery hoenti-mandroso, na eo aza ireo zava-tsarotra tsy azo ialana sy ny fahakiviana tsy afa-misaraka amin'ny fiainantsika olombelona lavo.

Taterin'ny Jos. 22:5,6 ny nananaran'i Josoa an'ireo foko handeha hiverina any amin'ny zara taniny mba hitoetra ho mahatoky amin'i Jehôvah , ary rehela izay dia nitso-drano azy ireo izy. Hanao ahoana ny fiovan'ny fifandraisana eo anivon'ny fiangonana raha mifampivavaka bebe kokoa isika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal