Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 02 August 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 12:31-36; Jak. 2:17-20; Eks. 13:1-14:31; Heb. 11:22; Eks. 15:1-21; Apôk tt. 15:2-4.

Tsianjery:

"Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehôvah , izay hataony ho anareo anio; fany Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehôvah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina." - Eks. 14:13,14

Ny fanafahana tany Egypta no fanandramana mahatalanjona sy be voninahitra indrindra niainan'ireo vahoakan'Andriamanitra tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha. Izany toe-javatra izany no ohatra nasehon'ny lanitra momba ny nandresen'i Jehôvah ny fahavalon'ireo a. Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra ihany no azo heverina fa hanafaka azy ireo amin'izany. Tahaka izany koa isika sy ny fahotana: raha ny maha-isika antsika sy ny herin'ny tenantsika ihany no jerena, dia ao anatin'ny toe-javatra tsy misy fanantenana isika. Mila zavatra miezinezina kokoa noho ny Eksôdôsy isika, ary ananantsika izany: ny hazo fijalian'i Kristy sy izay nataon'i Kristy teo ho antsika rehetra.

Mahatalanjona sy toa tsy mampino ireo toe-javatra nanamarika ny fialan'ny Isiraely tao amin'ny tany Gosena, izay voalazan'ny Eks. 12, mandra-pahatonga eo amin'ny hiran'i Mosesy izay hiraina amim-pifaliana ao amin'ny Eks. 15. Teo amin'ny faratampony tokoa ny famantarana sy ny fahagagana ary ny asa fanavotana mahagaga nataon'Andriamanitra.

Kanefa na ireo toe-javatra ireo aza dia tsy azo ampitahaina amin'izay nataon'i Kristy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana; tandindona tsotra naneho izany fotsiny ihany ny zava-mahatalanjona ao amin'ny Eksôdôsy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 09 Aogositra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal