"Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho." - Mat. 9:21
Mofon'aina:
Vehivavy mahantra no nanao ireo teny ireo - vehivavy izay nijaly nandritra ny roa ambin'ny folo taona noho ny aretina izay nahatonga ny fiainany ho enta-mavesatra. Efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpitsabo sy ny fanafody izy, nefa dia ny hoe tsy azo sitranina ihany no azony tamin'izany. Rehefa nandre kosa ny amin'Ilay Mpanasitrana Lehibe izy, dia velona ny fanantenany. (...) Impiry impiry izy no efa niezaka nanatona Azy fa tsy nahomby.
"Mitsangana, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany. "- Jona 1:2.
Mofon'ana: Raha niharatsy ny tao Ninive, dia tsy hoe azon'ny faharatsiana tanteraka tsy akory. Izy izay "mijery ny zanak'olombelona rehetra" - Sal. 33:13 (...) dia nahita tao amin'ity tanàna ity olona maro izay mikendry ny tsara sy ambony kokoa hatrany (...) Niseho tamin'izy ireo Andriamanitra tamin'ny fomba tsy mety diso mba hitarika azy ho amin'ny fibebahana.