« Satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona hianao ka nahery. »Gen. 32:29.
Raha tsy nibebaka nialoha tamin’ny nisolokiany ny nahazoany ny fizokiana i Jakoba, dia tsy ho nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany ary tsy ho novonjena ny ainy. Ho toy izany koa amin’ny andro mahory, raha ampijalian’ny tebiteby sy ny tahotra ny zanak’Andriamanitra. Raha misy ota tsaroany fa tsy nifonany dia ho levona izy. Hahafaty ny finoany ny famoizam-po ka tsy ho ampy intsony ny fahatokiany mba hangataka amin’Andriamanitra ny fanafahany.