« Satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona hianao ka nahery. »Gen. 32:29.
Raha tsy nibebaka nialoha tamin’ny nisolokiany ny nahazoany ny fizokiana i Jakoba, dia tsy ho nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany ary tsy ho novonjena ny ainy. Ho toy izany koa amin’ny andro mahory, raha ampijalian’ny tebiteby sy ny tahotra ny zanak’Andriamanitra. Raha misy ota tsaroany fa tsy nifonany dia ho levona izy. Hahafaty ny finoany ny famoizam-po ka tsy ho ampy intsony ny fahatokiany mba hangataka amin’Andriamanitra ny fanafahany.
« Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ireo ny lalàn’i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’i Jehovah amin’i Abrahama izay efa nolazainy taminy. » Gen. 18:19.
« Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy. » Heb. 11:5.
Mofon’aina: Rehefa mianatra mandeha amim-pinoana isika fa tsy amin’ny fahatsapana, dia handray ny fanampiana avy amin’Andriamanitra amin’ny fotoana ilantsika izany, ka dia hitoetra ao am-pontsika ny fiadanany. Izany fiainana tsotra feno fankatoavana sy fitokiana izany no niainan’i Enôka. (...)
Antso hoe: 'Avelao izahay; moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesôsy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa llay Masin’Andriamanitra Hianao.'