Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

August 2024

NOSAMBORINA SY NOTSARAINA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 14; Jao. 12:4-6; Rôm. 8:28; Eks. 24:8; Jer. 31:31-34; Zak. 13:7.

Tsianjery: "Ary hoy lzy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." — Mar. 14:36. 

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny "Teo amin'ny tendrombohitra Oliva" (toko 69) ao amin'ny IFM.

Marobe ny zava-mitranga mampitebiteby eto amin'izao tontolo izao. Mihorohoro fatratra ny olona manoloana ny toe-java-misy. Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, izay manana fahalalana fanampiny momba ireo toe-javatra miseho, ahoana no ampiasantsika izany mba hampitodihana ny olona amin'ny fanantenana ananantsika ao amin'i Jesôsy sy ny teny fikasana ny amin'ny fiaviany?

NY FIAVIAN'NY ZANAK'OLONA

Vakio ny Mar. 13:24-32. Inona ny toe-javatra lehibe tantaraina eto?

Tsy hafa izany fa ny fiverenan'i Jesôsy Kristy amim-boninahitra, ialohavan'ireo famantarana eo amin'ny masoandro amam-bolana ary ny kintana. Ahitana faminaniana marobe manondro io toe-javatra mahatalanjona io ao amin'ny Testamenta Vaovao.

NY FAHORIAN-DEHIBE

Vakio ny Mar. 13:19. Inona no tondroin'ireo andalan-teny ireo?

NY FAHAVETAVETAN'NY FANDRAVANA

Vakio ny Mar. 13:14-18. Ahoana no ahafantarana ny tian'i Jesôsy hambara amin'ny hoe "fahavetavetan'ny fandravana"?

Tonga eo amin'ny teboka manan-danja mikasika' ny faharavan'i Jerosalema i Jesôsy ao amin'ny Mar. 13:14. Miresaka momba ny "fahavetavetan'ny fandravana" lzy. Nambaran'ny Tompo fa tokony hahatakatra ny mpamaky. Nampitodika ny sain'ireo mpianatra amin'ny bokin'i Daniela lzy tamin'ireo teny ireo. Hita ao amin'ny Dan. 9:27, Dan. 11:31 ary ny Dan. 12:11 mantsy ireo teny ireo, ary koa ao amin'ny Dan. 8:13.

TSY HISY VATO HIFANONGOA

Vakio ny Mar. 13:1-13. Ahoana no navalin'ireo mpianatra ny fanambaran'i Jesôsy momba ny tempoly, ary inona no hevitry ny valinteny nomen'i Jesôsy azy ireo?

ILAY FARANTSAKELY ROA NATAO FANATITRA

Vakio ny Mar. 12:41-44. Ohatrinona no natolotr'ilay mpitondratena ho fanatitra, ary inona no nambaran'i Jesôsy momba izany?

NY ANDRO FARANY 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 12:41-44; Mar. 13:1-32; Dan. 9:24-27; Dan. 7:25; 1 Tes. 4:13-18.

Tsianjery: "Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hely lehibe sy ny voninahitra. Ary amin'izay dia haniraka ny anjely lzy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra." - Mar. 13:26,27. 

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny "Vahoaka tandindomin-doza" (toko 64), "Ny tempoly nodiovina indray" (toko 65) ary ny "Adihevitra" (toko 66) ao amin'ny IFM.

NY DIDY LEHIBE INDRINDRA

Vakio ny Mar. 12:28-34. Inona ny fanontaniana manan-danja napetrak'llay mpanora-dalàna tamim-pahatsorana, ary inona ny valinteny roa sosona nomen'i Jesôsy azy?

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal