Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

January 2025

Mitoera eo akaikin'Andriamanitra 

"Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra." - Efes. 6:18.

Milefera amin'ny sitrapon' Andriamanitra

"Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona." - Lio. 21:36. 

Mofon’aina:

Sady mivavaka no miasa!

"Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha, dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka (..) dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanana misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany." - Neh. 2:4,5.

Hovaliana ny vavaka ataontsika.

"Fa amin'izany dia hirarvoravo amin'ny Tsitoha hianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra. Raha mifona aminy hianao, dia hihaino anao Izy; ary ny voadinao dia hefainao." - Joba 22:26,27.

Mivavaha amin'ny anaran'i Jesôsy.

"Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesôsy Kristy, Ilay Marina." - 1 Jao. 2:1. 

Mofon’aina:    

Manana fo feno fankasitrahana.

«Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’i Jehôvah ka nanao hoe: Hihira ho an’i Jehôvah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehôvah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. » Eks. 15:1,2.

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Fianarana fanampiny.

Vakio ny "Fivavahana sy Fiderana", toko faha-11 ao amin'ny DHK.

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Efa nahazo maimaimpoana hianareo koa manomeza maimaimpoana.

Tahaka ny tsy nahafahan'llay mpanompo nanefa ny trosany tamin'ny tompony no tsy ahafahantsika manefa ny trosantsika amin’Andriamanitra. Tsy ho mendrika na oviana na oviana ny fitiavan’Andriamanitra isika. "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." Rôm. 5:8. Fitiavana mahatalanjona manao ahoana re izany! Tahaka izao no ilazan'ny 1 Jao. 3:1 Izany: "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika!"

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Famindrampo nafoy.

Mandrakizay ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy mendrika izany mandrakariva isika. Mety handa tsy handray izany anefa ny olombelona. Omena fahafahana mandray na manda izany fitiavana izany isika, ary iray ihany no anton'izany: tia antsika maimaimpoana amin'ny fitiavana tonga lafatra sy mandrakizay Andriamanitra na dia tsy mbola manao na inona na inona akory aza isika (Jer. 31:3). Ny fitiavantsika an'Andriamanitra dia setrin'izay efa nomena antsika na dia tsy mbola nangataka akory aza isika.

Aoka ho mpamela heloka.

« Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. » Mat. 6:14,15.

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal