"Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindrampo, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy." - Sal. 62:12.
Mofon’aina:
Handre ny vavaka atao amin'ny fo ilay Andriamanitra Tompon'ny Sabata. Hitari-dalana ireo izay mahatsapa ny fiankinany Aminy Izy, ary koa hitari-dalana ireo mpiasany mba ho maro ny fanahy tonga amin'ny fahalalana ny fahamarinana.