Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

December 2025

Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Hodinihantsika mandritry ny  herinandro: Fil. 1:1-18; 1 Kôr. 13:1-8; Jer. 17:9; Kol. 1:1-12; 1 Pet. 1:4; Sal. 119:105; Isa. 30:21. 

Tsianjery: Any matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavininy andron'i Jesôsy Kristy." - Fil. 1:6 

Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.

"Efa nifidy anao ho amin'ny famonjena Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny fahamarinana. Koa miorena tsara. (...) Raha manompo an'Andriamanitra amim-pahatokiana ianao, dia ho tojo fitsaratsarana sy fanoherana; kanefa aza dia tezitra raha mijaly tsy ara-drariny ianao. Aza mamaly faty. Hazony tsara ny fahamendrehanao ao amin'i Jesôsy Kristy. Afantohy any an-danitra ny fijerinao. Avelao ny hafa hiteny izay tiany holazaina, sy hanao izay tiany hatao; fa ianao kosa, aoka halemy fanahy sy hanetry tena tahaka an’i Kristy hatrany.

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.

Vakio ny Fil. 1:1-3 sy ny Kol. 1:1,2. Ahoana no amaritana ny fiangonana tany Filipy sy Kolosia, ary inona no hevitra fonosin'izany fanambarana izany?

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy

Nandritra ny dia misionera faharoa nataon'i Paoly, fotoana fohy taorian'ny nahatongavan'i Timoty ho mpiara-miasa aminy, dia noraran'ny Fanahy Masina tsy hanohy ny diany ho any Azia Minora izy ireo (Asa 16:6). Ary nony alina dia nahazo fahitana i Paoly fa nisy lehilahy iray niangavy azy hoe: "Mita mankaty Makedonia ka vonjeo izahay"-Asa 16:9. Avy hatrany dia nankany amin'ny seranan-tsambo akaiky indrindra an'i Makedonia izy ireo, ka niondrana an-tsambo niala tany Troasy, namakivaky ny Ranomasina «Egee» nankany Neapolia, teo amin'ny kaontinanta Eoropeanina.

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia

Tsy misy filazana velively fa namangy tany Kolosia i Paoly, izay mampiseho indray ny fahombiazan'ny paikadin'ny asa fitoriany. Voalohany, i Epafra, mponina tao Kolosia (Kol. 4:12), no nitondra ny filazantsara tany amin'io tanana io (Kol. 1:7). Saingy ahoana no niovany fo? Azo inoana fa teo antenantenan'ireo taona 50 no nisehoan'izany, rehefa tany Efesosy i Paoly ka "nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia" - Asa. 19:10 (ampitahao amin'ny Asa 20:31).

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.

Tany Makedonia dia imbetsaka i Paoly no naiditra am-ponja, araka ny filazany (2 Kôr. 6:5; 2  11:23; 2 Kôr. 7:5). Ny tranga voalohany voasoratra dia ny tany Filipy (Asa 16:16-24). Taorian'izany, dia nogadraina vetivety tany Jerosalema izy talohan'ny namindrana azy tany amin'ny fonjan'i Kaisaria.

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.

Antsoina hoe Epistilin'ny Fifatorana ny Filipiana sy ny Kolosiana satria tao am-ponja no nanoratan'i Paoly azy (toy izany koa ny Efesiana sy ny Filemona). Araka ny fahitan'ny ankamaroan'ny mpandinika Baiboly dia nosoratan'i Paoly tany Roma ireo, tamin'ny taona 60-62 TrK tany ho any (jereo ny Asa 28:16).

Vakio ny Lio. 3:1 sy ny Filem. 1. Inona no maha zava-dehihe ny fomba anoritsoritan'i Paoly ny maha mpifatotra azy?

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Mampifandray ny lanitra sy ny tany : Kristy ao amin'ny Filipiana sy Kolosiana MAMPIFANDRAY NY LANITRA SY NY TANY Eritrereto ny asa sarotra indrindra efa nataonao. Inona no nahatonga izany ho sarotra? Ny zavatra nandrasana taminao sa ny fotoana nomena hanaovana ilay asa, sa izy roa mitambatra? Sa ny toe-tsainao manoloana ilay asa? Na koa angamba ny olona niara-niasa taminao? Sa noho ny fiheveranao fa tsy hahomby mihitsy izany? Saintsaino ny tanjon'ny drafi-pamonjena: mba hampifandray ny lanitra sy ny tany. Toa tsy azo heverina mihitsy ve ny hahatanteraka izany? Tena izany tokoa raha ny fomba fijery maha olombelona. Kanefa, talohan'ny niakaran'i Jesosy ho any an-danitra, dia nomeny iraka toa sarotra tanterahina ireo Apostoly: "Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo." - Mat. 28:19-20. Naniraka an'i Paoly ho any amin'ny Jentilisa i Jesosy mba hanatontosa io asa toa sarotra tanterahina io: "hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy."-Asa. 26:18. Azo inoana fa maro no kivy ka hilavo lefona raha omena asa tahaka izany; aoka anefa tsy hohadinointsika ireo teny fikasana nomen'i Jesosy tao anatin'ireo toe-javatra roa ireo. Hoy Izy tamin'ireo Apostoly: "Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao." Mat. 28:20. Ary izao no nolazainy tamin'i Paoly: "Fa mitsangana, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy, sy izay hisehoako aminao." - Asa. 26:16. Raha fintinina, dia ampanaovin'i Jesosy iraka toa tsy ho vita isika, raha ny fijery maha olona, mba hianteherantsika Aminy fa tsy amin'ny herin'ny tenantsika. Kanefa tsy manome asa iray hotontosaina Izy raha tsy efa manome antsika ny hery hoenti-manatanteraka izany. "Rehefa miara-miasa amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapon'ny olona, dia manan-kery indrindra izany. Na inona na inona tokony hatao noho ny baikony, dia mety ho tanteraka noho ny heriny. Ny baikony rehetra dia samy teny fikasana avokoa." - HF, t. 341. Mahaliana tokoa fa tamin'ny fotoana nanoratan'i Paoly ny epistily ho an'ireo Kolosianina, dia efa "notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny" ny filazantsara (Kôl. 1:23). Mazava loatra fa tsy ny rehetra no nandray izany. Raha mandinika akaiky ny iraka nampanaovin'i Jesosy an'ireo Apostoly kosa isika (Mat. 28:18-20), sy izay nampanaoviny an'i Paoly, dia hahita fa tsy nampanantena Izy fa ny olona rehetra no ho tonga mpianatra na koa hiova fo. Ny hitoriana "amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany" no baiko nomeny (Mat. 24:14). Toy ny ahoana moa izany vavolombelona izany? Manao ahoana no tokony hanatanterahana izany iraka izany? Amin'ity telovolana ity, dia handinika ny epistily nosoratan'i Paoly ho an'ny Filipianina sy ny Kolosianina isika. Misy fitoviana manan-danja eo amin'ireo epistily roa ireo. Ambonin'izany rehetra izany, dia i Kristy no asehon'izy ireo, Izy Ilay tokana afaka mampifandray ny lanitra sy ny tany. Izy Ilay tohatra hitan'i Jakoba niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra (Gen. 28:12: ampitahao amin'ny Jao. 1:51). Manavotra antsika amin'ny fahotana Izy amin'ny maha Zanak'olona Azy; ary manao fanelanelanana ho antsika amin'ny maha Zanak Andriamanitra Azy. Amin'ny fandalinana ireo epistily ireo no hahitantsika ireo lafin-toetra roa momba an'i Jesosy ireo. Hohalalinintsika ny sasany amin'ireo fanambarana miezinezina indrindra mikasika ny maha Andriamanitra an'i Kristy sy ny namoizany izany rehetra izany mba hamonjena antsika. Ho hitantsika ny tolona natrehin'i Paoly tany am-ponja manoloana ireo olana tao amin'ny anankiray amin'ireo fiangonana naoriny (Filipy) sy tao amin'ny fiangonana iray izay tsy mbola notsidihiny akory (Kolosia). Ireo fifandraisana naoriny nanerana ny "fiangonana eran-tany" no nanampy azy niatrika sy namaha ireny olana ireny na dia tao amin'ny fonja iray tany Roma aza izy. Fantany fa kely ny fotoana nananany, ka nataony izay rehetra azony natao mba hanintonana ny fiangonana hanakaiky kokoa ny lanitra sy hifanakaiky izy samy izy. Amin'izany no anehoany amintsika fa azon'ny fiangonana ankehitriny atao koa ny miray amin'ny lanitra mba hahatanteraka ny iraka ao amin'ny Apokalipsy toko faha-14 ho an'ny andro farany, dia izay fantatsika amin'ny anarana hoe: "hafatry ny anjely telo." Tale mpanampy ao amin'ny Biblical Research Institute any amin'ny foibe maneran-tany i Clinton Wahlen, izay manana ny mari-pahaizana Ph.D. Manana traikefa sy fahaizana manokana mikasika ny Testamenta Vaovao sy ny fanazavana ny Soratra Masina ("Herméneutique") ary ny tantaran'ny fiangonana advantista izy. Efa nonina sy niasa tany Alemaina izy, tany Nouvelle Zelande, Russie, Angletera ary Philippines. Manan-janaka efa lehibe izy sy i Gina vadiny, manana vinantovavy iray koa, ary manan-jafy anankiroa. FANAFONEZAN-TENY AMPIASAINA MANDRITRA NY FIANARANA AAA Any Am-parany Any, EGW AH The Adventist Home, EGW b. boky DHK Ny Dia Ho eo amin'i Kristy, EGW DIEM Dikan-teny lombonana Eto Madagasikara Ed. edisiona Ev. Evangelism, EGW GAG God's Amazing Grace, EGW HF Henoinareo ny Fanoharana, EGW HM Hery Mifanandrina, EGW IFM Ilay Fitiavana Mandresy, EGW NKJV New King James Version SDABC Seventh-Day Adventist Bible Commentary, EGW t. takila tt takila roa farafahakeliny TFC Testimonies for the Church, EGW TMF Tanamasoandron'ny Fahasalamana, EGW TT Testamenta Taloha TV Testamenta Vaovao VM Vavolombelona Mahery, EGW Natontan'ny Trano Pirinty Advantista Soamanandrariny BP 1134 Antananarivo 101 Lalam-pirenena mankany Toamasina (RN2), PK6 Tel. 037 23 107 18-037 37 107 25-034 86 606 99 e.mail impriad@mea.adventist.mg Voatolotra ara-dalána: DL: 812-D/09.25 Ny natonta: 14 800 isa Kristy to amin'ny Filipiaina sy kalasiand

Natao hiasa ho an’ny very.

"Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay miloetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. "1 Jao. 4:16. 

Mofon’aina:
“Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany” – 1 Jao. 4:12, ary tsy hay tohaina izany fitiavana izany. Rehefa tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ihany ny lehilahy sy ny vehivavy vao hahatanteraka ny lalàn’Andriamanitra.

Fibebahana amin’ny andro fanavotana.

 "Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny fahefan'ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. " Apôk. 12:10.

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal