Hazavain'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 15:9-19 fa henjana sy mahatahotra ny vokatry ny fandavana ny fisian'ny fitsanganana amin'ny maty. Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty dia tsy manana fanantenana ho an'ny ankehitriny ny mpino ary indrindra moa ho an'ny hoavy.
Vakio ny 1 Kor. 16:9-19. Inona no verintsika raha tsy natsangana tamin'ny maty i Kristy?