Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 10 October 2025

FIANARANA FANAMPINY : 

Vakio "Ny nitana an’i Jordana", PM, tt. 480-485, ed.2014.

Taorian'ny tantaran'i Rahaba sy ireo mpisafo tany, dia tsy niresaka momba azy intsony ny TT fa any amin'ny filazana ny razani Jesôsy Kristy vao mipoitra indray ny anarany. Voalaza fa tonga vadin'i Salmona izy, avy amin'ny fokon' Joda, razamben'i Boaza, ary rafozam-bavin'i Rota, vehivavy miavaka iray hafa voalaza ao amin'io tetiarana io ihany (Mat. 1:5; ampitahao amin'ny Rota 4:13,21). Noho ny finoany an Andriamanitra, ilay vehivavy janga tao Jeriko, ilay tokony ho naringana tanteraka, dia nanjary rohy manan-danja teo amin'ny tarana-mpanjaka avy amin'i Davida sy razamben'ny Mesia. Toy izany no azon Andriamanitra tanterahina amin'ny alalan'ny finoana, na dia mety ho kely toy ny voan-tsinapy aza izany (Mat. 17:20; Lio. 17:6).

"Ary tsy asa naningana tamin'ny famindrampon Andriamanitra ananan'ny Mpamonjy akory ny fiovam-pony (fiovam-pon'i Rahaba). Fa ny firenena nanompo sampy iray izay nonina teo amin'ny tany, dia ireo Gibeonita dia nahafoy ny sampiny ary nikambaria tamin'ny Isiraely ka anisan'ny nandray tombontsoa avy tamin'ny fanekena.

"Tsy manao fanavakavahan-tsaranga na firazanana, na firenena na dia indray mandeha aza Andriamanitra. Izy no Mpahary ny olona rehetra. Fianakaviana iray ihany izy rehetra teo amin'ny famoronana sy teo amin'ny fanavotana. Tonga handrava ny rindrin'ny fisarahana Kristy, ary hamoha ny kianjan'ny tempoly ho an'ny isam-batan'olona mba samy hahita fidirana malalaka hanatonana an'Andriamanitra ny fanahy rehetra. Lehibe sy lalina ary feno tokoa ny fitiavan'Andriamanitra ka tafatsofoka any amin'ny toerana rehetra. Manatsoaka avy amin'ny herin'i Satana izay rehetra voafitaky ny laingany Izy, ka mametraka azy ireo ho eo akaikin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. dia ilay seza fiandrianana voahodidin'ny fahazavana avy amin'ny avan'ny teny fikasana. Fa "tsy misy Jiosy, na Grika, na andevo, na tsy andevo ao amin'i Kristy." - MM, t. 307.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ny amin'ilay hoe "famindrampo indray" (tsy indray mandeha fa imbetsaka), sy ny fomba tokony hanehoantsika izany koa amin'ny hafa. Kanefa koa, ahoana no hitandremantsika mba tsy hanararaotra io foto-kevitra io? Saino, ohatra, ny amin'ny vehivavy iray iharan'ny herisetra, izay toroana hevitra handefitra hatrany ("fahasoavana"), kanefa amin'ny tranga sasany dia manome vahana ilay herisetra fotsiny izany. Ahoana по ahaizantsika mandanjalanja tsara ny amin'izany?

2. Ifanakalozy hevitra ny momba an-dRahaba amin'ny maha-ohatry ny finoana azy. Ahoana no ahaizantsika manombana ny fahavononan'ny olona iray handray an'Andriamanitra na dia lavitry ny idealy ara-Baiboly aza ny fomba fiainany? Ahoana no mety hankasitrahantsika ny finoan'izy ireo nefa tsy anekentsika kosa ny fanaony sasany?

3. Hain'i Josoa ny nanambatra ny fahamarinana sy ny fahasoavana tamin'ny fomba azo ampiharina mba hamahana ny olana nateraky ny famitahan'ny Gibeonita, sy noho ny tsy fitandreman'ny tenany manokana tamin'ny tsy nanontaniany an'i Jehôvah . Saino ny amin'ny toe-javatra iray teo amin'ny fiainanao izay nitaky fahamarinana sy fahasoavana. Inona avy ireo fomba azo ampiharina mba hampiraisana ireo roa ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal