Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 7:8--10:29; Nom. 33:4; Rom. 1:24-32; Sal. 104:27,28; lsa. 28:2,12-17; Isa. 44:9,10,12-17.
Tsianjery: "Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'lsiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehôvah an'i Mosesy." - Eks. 9:35
Nanao izay hihetsehan'ny ampondrany teo amin'ny toerana nisy azy ny mpiompy anankiray, saingy tsy nihontsona ilay ampondra. Noho izany, dia naka rantsan-kazo lehibe ilay mpiompy ary nikapoka ilay ampondra tamin'izany.
Rehefa izay dia niteny tamin'ilay ampondra izy, ary nanomboka nihetsika teo amin'ny toerany ilay biby. Rehefa nanontaniana ilay mpiompy ny amin'ny antony nampahomby izany fomba izany, dia izao no navaliny: "Atao aloha izay anintonana ny sainy sy ny fifantohany."
Ailitsika aloha izay mety ho lohahevitra resahin'ny olona mahakasika ny fampahoriana ny biby, fa andeha teboka iray no hasongadina izay hijerentsika manokana ny tontolon-kevitry ny fanafahana ny Hebreo avy tany Egypta. Nahazo baiko i Mosesy ka lasa nankany amin'i Farao hitondra izao teny fanta-daza izay nambaran'Andriamanitra izao: "shalach et ami", izany hoe, "Alefaso ny oloko."
Tsy te hamela ireo vahoakan'Andriamanitra handeha anefa i Farao. Tsy nohazavain'ny Soratra Masina mivantana ny antony tsy netezany hanao izany, na dia teo aza ny tahotry ny Egyptianina andrao ny Hebreo hanangana tafika hiady amin'izy ireo (Jereo ny Eks. 1:10). Antony ara-toe-karena no tena ivon'izany, araka izay fahita matetika eo amin'ny toe-javatra mifandraika amin'ny fanandevozana. Mpiasa tsy anaovana fandaniam-be ny andevo ka tsy te hamoy ny tombontsoa ara-toe-karena nomen'izy ireo izy. Noho izany, dia nila noresena lahatra izy, tsy ny mba hanintonana ny sainy fotsiny fa ny mba hampiova ny heviny koa.