Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 14 November 2025

FIANARANA FANAMPINY:

Vakio "Ny fivoriana tao Sekema", tt. 498-501 ao amin'ny PM (ed. 2014).

"Narahina ny torolalana navelan'i Mosesy, ary natsangana teo amin'ny tendrombohitra Ebala ny tsangambato namboarina tamin'ny vatobe. Teo ambonin'io tsangambato io, izay voalalotra sokay mialoha, no nanoratana miaraka ny didy folo izay nosoratan'Andriamanitra teo amin'ny vato fisaka napetraka tao anaty fiara sy ny didy izay nosoratan'i Mosesy tamin'ny boky. Teo anilan'io tsangambato io, no naorina ny alitara natao tamin'ny vato tsy voapaika izay nanaterana fanatitra ho an'i Jehovah teo amboniny. Misy dikany ny antony nananganana io alitara io teo an-tendrombohitra Ebala, izay toerana nanononana ny ozona, satria nampahatsiaro tamin'ny Isiraely izany fa raha tsy nisy avotra nataon'ny Zanak Andriamanitra asehon'ny alitara fanaterana fanatitra, dia mendrika iharan'ny fahatezeran Andriamanitra izy." - PM, t. 499 (ed 2014).

"Tsy tokony ho fotoana mampalahelo anefa ny fanompoam-pivavahana fandraisana. Tsy izany no zava-kendreny. Raha nanodidina ny latabany ny mpianatry ny Tompo, dia tsy tokony hamerina ao an-tsainy ny fahalemeny izy ka hitaraina ny amin'izany. Tsy tokony hijanona ka hihevitra ny amin'ny fanandramany ara-pivavahana efa lasa izy, na nampisandratra izany na nampalahelo. Tsy tokony hahatsiaro ny fahasamihafana misy aminy sy ny rahalahiny izy. Nahafaoka izany rehetra izany ilay fanompoam-pivavahana fiomanana. Ny fandinihan-tena, ny fiaikena ny fahotana, ny fandravonana ny fahasamihafana, dia samy efa vita daholo. Ankehitriny izy dia tonga hihaona amin'i Kristy. Tsy tokony hijoro eo amin'ny aloky ny hazo fijaliana izy, fa eo amin'ny fahazavany mamonjy. Tokony hanokatra ny fanahiny ho amin'ny tara-pahazavana mamirapiratry ny Masoandron'ny Fahamarinana izy." - IFM, tt. 709, 710 (ed. 1983).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Midika inona ho anao ny hoe mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra aloha? Ahoana no amolavolan'izany fitsipika izany ny flainanao andavanandro?

2. Jereo izay navalinao ny fanontaniana farany tamin'ny Alarobia, mahakasika ny maha-mora hanadinoantsika an'Andriamanitra eo anivon'ny rotorotom-piainana andavanandro. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny antony mahatonga antsika mora manadino. Inona ny vahaolana ho an'izany? Manomeza vitsivitsy.

3. Amin'ny maha-Advantista antsika, dia mino isika fa miasa ho antsika ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra i Jesosy ankehitriny. Ahoana no hahatonga izany faharesen-dahatra izany ho loharanom-panantenana sy loharanon-kery ho antsika mandrakariva? Nahoana ny fahalalantsika ny fanaovan'i Jesosy "fifonana" ho antsika any an-danitra (Heb. 7:25) no manampy antsika hahatsapa fa vaovao mahafaly ny asa ataony ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, indrindra amin'izao Andro Fanavotana tena izy izao?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal