FIANARANA FANAMPINY:
Vakio "Ny fivoriana tao Sekema", tt. 498-501 ao amin'ny PM (ed. 2014).
"Narahina ny torolalana navelan'i Mosesy, ary natsangana teo amin'ny tendrombohitra Ebala ny tsangambato namboarina tamin'ny vatobe. Teo ambonin'io tsangambato io, izay voalalotra sokay mialoha, no nanoratana miaraka ny didy folo izay nosoratan'Andriamanitra teo amin'ny vato fisaka napetraka tao anaty fiara sy ny didy izay nosoratan'i Mosesy tamin'ny boky. Teo anilan'io tsangambato io, no naorina ny alitara natao tamin'ny vato tsy voapaika izay nanaterana fanatitra ho an'i Jehovah teo amboniny. Misy dikany ny antony nananganana io alitara io teo an-tendrombohitra Ebala, izay toerana nanononana ny ozona, satria nampahatsiaro tamin'ny Isiraely izany fa raha tsy nisy avotra nataon'ny Zanak Andriamanitra asehon'ny alitara fanaterana fanatitra, dia mendrika iharan'ny fahatezeran Andriamanitra izy." - PM, t. 499 (ed 2014).
"Tsy tokony ho fotoana mampalahelo anefa ny fanompoam-pivavahana fandraisana. Tsy izany no zava-kendreny. Raha nanodidina ny latabany ny mpianatry ny Tompo, dia tsy tokony hamerina ao an-tsainy ny fahalemeny izy ka hitaraina ny amin'izany. Tsy tokony hijanona ka hihevitra ny amin'ny fanandramany ara-pivavahana efa lasa izy, na nampisandratra izany na nampalahelo. Tsy tokony hahatsiaro ny fahasamihafana misy aminy sy ny rahalahiny izy. Nahafaoka izany rehetra izany ilay fanompoam-pivavahana fiomanana. Ny fandinihan-tena, ny fiaikena ny fahotana, ny fandravonana ny fahasamihafana, dia samy efa vita daholo. Ankehitriny izy dia tonga hihaona amin'i Kristy. Tsy tokony hijoro eo amin'ny aloky ny hazo fijaliana izy, fa eo amin'ny fahazavany mamonjy. Tokony hanokatra ny fanahiny ho amin'ny tara-pahazavana mamirapiratry ny Masoandron'ny Fahamarinana izy." - IFM, tt. 709, 710 (ed. 1983).
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Midika inona ho anao ny hoe mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra aloha? Ahoana no amolavolan'izany fitsipika izany ny flainanao andavanandro?
2. Jereo izay navalinao ny fanontaniana farany tamin'ny Alarobia, mahakasika ny maha-mora hanadinoantsika an'Andriamanitra eo anivon'ny rotorotom-piainana andavanandro. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny antony mahatonga antsika mora manadino. Inona ny vahaolana ho an'izany? Manomeza vitsivitsy.
3. Amin'ny maha-Advantista antsika, dia mino isika fa miasa ho antsika ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra i Jesosy ankehitriny. Ahoana no hahatonga izany faharesen-dahatra izany ho loharanom-panantenana sy loharanon-kery ho antsika mandrakariva? Nahoana ny fahalalantsika ny fanaovan'i Jesosy "fifonana" ho antsika any an-danitra (Heb. 7:25) no manampy antsika hahatsapa fa vaovao mahafaly ny asa ataony ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, indrindra amin'izao Andro Fanavotana tena izy izao?