Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 03 October 2026

Hodinihana mandrltra ny herinandro: Gen. 15:6; Gal. 3:6-9; 1 Mpanj. 18:19-39; Isa. 53; Dan. 2:46-48; Mar. 1:2-5; Mat. 11:1-6.

Tsianjery :  "Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho."– Isa. 6:8. 

Tamin'ny andron'ny Baiboly dia nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny tantaran'ny vahoakan' Andriamanitra ankapobeny ny mpaminany. Indraindray izy ireo mihitsy no tena asongadina, nomena andraikitra manan-danja, eny iankinan'aina aza teo amin'ny fiainan'ny fiarahamonina.

Kanefa tsy mora ny asa iantsoana ny mpaminany. Sarotra ny fiainan'izy ireo ankapobeny, feno fahoriana, fandavana, tsy fahatakaran-javatra ary fahadisoam-panantenana.

Matetika ny mpaminanin'Andriamanitra no tsy nankasitraka ny fiantsoana azy ho amin'ny asan'ny mpaminany. Ary tsy mahagaga izany. Mpaminany maro no nisetra fanoherana mafy avy aminlireo izay tokony ho nandray tsara ny hafatra nentiny. Natao tsinontsinona ny mpaminanin'Andriamanitra, nesoina, nokapohina, na naiditra am-ponja. Ny sasany notoraham-bato na nohazaina tahaka ny bibidia. Maro no maty maritiora.

Ankehitriny, amin'izao taranaka be herisetra, fitsiriritana, fahalotoam-pitondrantena, fanararaotana ary fitaomana isan-karazany avy amin'i Satana izao, dia matetika lavina ny feon'ny mpaminany na tsy henoina tsotra izao. Antsoina isika hihaino ny feon'ny mpaminanin'Andriamanitra sy ho mpitondra ny hafa-panantenana nomena antsika amin'ny alalan'ny mpaminany.

Hitantsika tamin'ny herinandro lasa fa taorian'ny Fahalavoana tao Edena, dia niasa ho famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana amin'ny olombelona indray Andriamanitra. Hodinihintsika amin'ity herinandro ity kosa ireo fotoa-manan-danja sasany nanamarika ny tantara, rehefa niantso mpaminany Andriamanitra mba hitaona ny vahoakany hihaino sy hitandrina indray ireo hafatra nampitondrainy ho an'izao tontolo izao lavo.

Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.

Daty
Alahady 04 October 2026

Manomboka amin'ny Genesisy ka hatramin'ny Apôkalipsy, dia nanana vahoaka sisa mahatoky, izay nanaiky ny antso ho amin'ny fankatoavana ho setrin'ny fahasoavany, Andriamanitra (jereo ny Jer. 31:7, 31-34). Ohatra, taona maromaro taorian'ny nielezan'ny olona avy teo Babela, dia nifidy an'i Abrama (nantsoina hoe Abrahama tatỳ aoriana) Andriamanitra mba ho ohatra amin'ny finoana miorina amin'ny fanekena, tsy ho an'ny ankohonany ihany fa ho an'ny taranaka rehetra ho avy. Nijoro ho mahatoky tamin'ny antson'Andriamanitra i Abrama teo anivon'ny fihemorana sy ny fahalemena ara-pitondrantena manodidina azy (Jereo ny Gen. 12:1-9).

Nampitain'Andriamanitra tamin'i Abrahama ireo fepetran'ny fanekena ary nasehony taminy ny fomba hahatanterahan'ny famonjena ny olombelona amin'ny alalan'ny sorona hataon'i Kristy (Gen. 15:6-17). Ho fizahan-toetra ny finoan'i Abrahama sy hanehoana ara-tandindona ny sorona ho avy hataon'ny Zanak'Andriamanitra, dia nantsoina hanolotra an'i Isaka zanany ho fanatitra ho an'Andriamanitra i Abrahama (Gen. 22:1-17). Fitsapana mampahory tokoa izany ho an'ilay rain'ny mino. Saino ireo antony rehetra azon'i Abrahama naroso mba tsy hanarahana ilay baiko mazava nomen'Andriamanitra; nefa nankatò tamim-pahatokiana izy. Nosakanan'Andriamanitra ny tanan'i Abrahama tsy hamono an'i Isaka ary nanome ondrilahy Izy ho solony.

Tsy ny mpaminany rehetra no nantsoin'Andriamanitra hampitandrina ny amin'ny loza mananontanona. Fa nantsoina kosa izy rehetra mba hamerina ny vahoaka ho amin'ny fahatokiana, ary matetika hampitandrina ny amin'ny fihemorana, ny fampahoriana ny mahantra sy ny sahirana, ary ny amin'ny fandikana ny fanekena sy ireo fepetra ao.

Ny zava-dehibe indrindra anefa dia ity: natao hanambara ny tokim-pamonjena hita ao amin'ny Mesia ny mpaminany. Ny fanambarana tsy miova nataon'ireo mpaminanin'ny Baiboly sy ny Fanahy Masina, amin'izao androntsika aorian'ny andron'ny Apostoly izao, dia miantso antsika ho tonga saina sy hampitandrina ny hafa ny amin'ny fotoan-tsarotra efa ho tonga amin'izao tontolo izao. Eo amin'ny ivon'izany fampitandremana izany anefa no misy ny vaovao mahafalin'ny fanavotana ho an'ny vahoaka mahatoky mpanara-dia an'i Jesôsy , dia ireo izay mitoetra ao anatin'ny fifandraisana Aminy, araka ny fanekena (Apôk. 12:17).

Vakio ny Gen. 15:6, Gal. 3:6-9, ary ny Heb. 11:8. Inona teo amin'ny fiainana sy ny toetran'i Abrahama no nahatonga azy ho mendrika ny hanao fanompoana ho an'Andriamanitra, na dia hita mazava aza fa olona nanana kilema izy?

Misy fitoviana maro ny tamin'ny andron'i Abrahama sy amin'izao androntsika izao. Nanjaka ny fanompoan-tsampy tamin'ny andron'i Abrahama, ary ankehitriny koa, mifaninana ireo firehan-kevitra eran'izao tontolo izao ho fanafoanana na fanilihana ny fivavahana kristianina. Tsy araka ny ankamaroan'ny kolontsaina manjaka ankehitriny, ny vahoakan'Andriamanitra kosa dia antsoina haneho ny endrik'Andriamanitra amim-pahatokiana eo amin'ny fifandraisany isan'andro amin'ny hafa, anisan'izany ny hitory ny hafatry ny anjely telo (Apôk. 14:6-12).

Hoy ny Soratra Masina momba an'i Abrama: "nino an'i Jehôvah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany" - Gen. 15:6. Ahoana no ahitanao mazava ny teny fikasan'ny filazantsara ao anatin'io andininy io? Inona ny fanantenana azo raisina avy amin'izany ho an'ny tenanao?

Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.

Daty
Talata 06 October 2026

Nandray mivantana avy amin'Andriamanitra ny fiantsoana azy ho mpaminany i Isaia, mpaminany lehibe ao amin'ny TT (jereo ny Isa. 6:1-8). Tsapan'i Isaia ny tsy fahamendrehan'ny tenany teo anatrehan'ny fahamasinana sy ny voninahitr'Andriamanitra. Tamin'izay fotoana izay, nisy serafima iray nanidina nanatona an'i Isaia nitondra vainafo avy teo amin'ny alitaran'ny lanitra, ka "nanafaka" ny helony. Avy eo Andriamanitra nanontany hoe: "Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?" Ny valintenin'i Isaia dia tokony ho antsika koa: "Inty aho, iraho aho" - Isa. 6:8.

Tonga tamin'ny fotoana manan-danja teo amin'ny tantaran'ny Isiraely ny fiantsoana an'i Isaia. Na teo aza ny fahalemeny, dia zava-dehibe tokoa ny asany izay mampitandrina ny Isiraely sy ireo mpitarika azy ny amin'ny fahotany. Anisan'ny andinin-tSoratra Masina misongadina ny faminanian'i Isaia, izay manome fahatakarana lalina momba ny toetran'Andriamanitra, ny toetran'ny olombelona, ary ny fizotry ny drafi-panavotana. Raha ny marina, tsy isalasalana fa ny faminaniana lehibe indrindra, izay tsy vitan'ny manoritsoritra ny fahafatesan'i Jesosy fa ny zava-bitan'izany fahafatesana izany koa ho an'izao tontolo izao, dia hita ao amin'ny Isaia toko faha-53, toko fanta-daza.

Vakio ny Isa. 53. Ahoana no nanehoan'io faminaniana manaitra io, izay nosoratana efa antsasaka taonjato mahery talohan'ny hazo fijaliana, ny fahafatesan'i Kristy ho antsika? Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana?

Nanambara mialoha ny antony sy ny asa nanirahana ny Mesia ny faminanian'i Isaia (Isa. 53:3-5). Hazavaina ao ny antony nahatonga an'i Kristy ho "tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina" - Isa. 53:7, ary ny fomba namonjeny ny vahoakany tamin'ny fahotany tamin'ny alalan'ny fanati-panavotana nataony. Soritana mazava ao ny fisoloana nataon'i Kristy tamin'ny nahafatesany teo amin'ny toerantsika, izay maneho ny fototry ny fanavotana natao ho an'ny olombelona rehetra.

"Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehôvah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra." - Isa. 53:6. Aseho eto fa mahafaoka izao tontolo izao ny fahotana, ary mahafaoka izao tontolo izao koa ny hazo fijaliana, izay vahaolan'ny fahotana. Ity toko ity, angamba mihoatra noho ny hafa rehetra ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao, no mampiseho ny drafi-panavotana amin'ny fomba mazava indrindra.

Na izany aza, tsy mora ny asan'ny mpaminany niantsoana an'i Isaia. Zavatra tsy mitombina no nandraisan'ny olona ireo fanambarana loza momba ny fandringanana azy, tahaka ny ataon'ny maro ankehitriny rehefa ampitandremana momba ny vokatry ny fahotana (Rôm. 6:23). Mazava ny faminanian'i Isaia ho an'ny androny sy ho an'izao androntsika izao (jereo ny Isa. 2:4; Isa. 5:20). Ny fandavan'ny firenena tsy hanao ny marina sy tsy hiova no nitarika ho amin'ny fandravana an'i Jerosalema. Io fahotana io koa no hahatonga ny fandringanana ireo mponina ratsy fanahy etỳ ambonin'ny tany amin'ny fiverenan'i Kristy.

Avereno vakina ny Isa. 53 ka mariho izay rehetra nataon'i Jesôsy ho antsika, araka ny voasoritsoritra ao amin'ireo andininy ireo. Inona ny fanantenana lehibe azonao raisina avy amin'ny fanambaran'ny mpaminany momba ny nataon'ny fahafatesan'i Kristy ho antsika?

Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.

Daty
Alarobia 07 October 2026

Mahafantatra ilay tantara ao amin'ny Dan. 1 ny ankamaroan'ny Kristianina, izay nijoroan'i Daniela ho mahatoky tamin'ny fitandremana ireo fitsipika ara-pahasalamana nianarany tamin'ny fahazazany. Ohatra maneho fahatokiana i Daniela (Dan. 1:8). Rehefa naroso teo aminy ireo sakafo matsiro avy amin'ny mpanjaka, dia nikiry tsy hihinana afa-tsy sakafo avy amin'ny zavamaniry sy tsy hisotro afa-tsy rano ihany izy, fa tsy nandray anjara tamin'ny sakafo natolotra azy avy tamin'ny latabatry ny mpanjaka (Dan. 1:12-16). Fizahan-toetra kely izany raha oharina amin'izay nitranga taorian'izany, toy ny ao amin'ny Dan. 6, izay mety ho nitarika azy mora foana ho amin'ny fahafatesana ny fahatokiany.

Vakio ny Dan. 2:46-48; Dan. 4:15; Dan. 5:13,14; ary ny Dan. 6:26-28. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny fijoroan'i Daniela teo anivon'ireo mpanompo sampy nanodidina azy?

Diniho ny fanambaran'ireo mpanompo sampy ireo momba ny herin'ny Andriamanitr'i Daniela. Na tsy fahita firy aza ny tantara toy ireo, izy rehetra dia maneho foto-kevitra iray lehibe: amin'ny alalan'ny fiainantsika, ny fahatokiantsika, ary ny herin'Andriamanitra miasa ao anatintsika sy amin'ny alalantsika, dia afaka ary tokony hahafantatra ny momba Ilay Andriamanitry ny lanitra ny hafa, dia ny hoe: Izy no "Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka."

Ary satria lohahevitra miverimberina ao amin'ny faminanian'i Daniela ny fitsarana, izay tonga amin'ny faratampony amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany (ny fandresen'Andriamanitra farany), dia mifanentana tsara amin'izany ny anaran'i Daniela izay midika hoe: "Andriamanitra no mpitsara ahy". Mendrika ny hohalalinina sy hodinihina tsara ny asa sorany satria mihatra amintsika ankehitriny izany. Mampahatsiahy antsika ny faminanian'i Daniela mba hiambina mandrakariva sy hitandrina ny didin'Andriamanitra, na dia amin'ireo zava-bitika eo amin'ny fiainana aza.

Amin'ny maha mpaminany azy dia nanambara mialoha koa i Daniela momba ny fisandratana sy ny faharavan'ny firenena maro, ary ny vokatry ny tsy fankatoavan'ireo an'Andriamanitra. Nambaran'i Daniela tamin'ny alalan'ireo faminaniana sy fahitana naseho taminy ny drafitr'Andriamanitra sy ny fandresen'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny farany (Dan. 7:13,14).

Saino, ohatra, ny voalazan'ny Dan. 2, izay voasoratra antsasaka taonjato talohan'i Kristy. Nosoritsoritan'i Daniela hatramin'ny tsipiriany ny fisandratana sy ny fianjeran'ireo fanjakana lehibe efatra teto an-tany, eny, na ny amin'izao androntsika izao aza (ilay tongotra sy rantsan-tongotra amin'ilay sariolona lehibe), izay manondro mazava tsara ireo firenena ao Eoropa ankehitriny, araka ny ampianarin'ny faminaniana mazava hoe, "ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga." - Dan. 2:43. Mahagaga izany fanambarana mialoha momba an'i Eoropa izany! Mandraka ankehitriny, na eo aza ny fifanambadiana sy ny ezaka rehetra ataony hahatongavana ho amin'ny firaisana, dia firenena misaratsaraka, samy manana ny lalàny sy ny fomba amam-panaony no mandrafitra io kaontinanta io, ary hitoetra ho toy izany izy amin'ny ho avy. Taona vitsy talohan'ny faharavan'ny Firaisana Sovietika, dia tsy nisy sampam-pitsikilovana na mpanadihady nahatsinjo mialoha izany faharavana izany, fa manome antsika antony lehibe hitokiana amin'ireo mpaminanin'Andriamanitra kosa ny fanambaran'i Daniela.

Ireo fanjakana rehetra ao amin'ny Dan. 2 dia nijoro sy rava araka ny voambara mialoha avokoa. Manao ahoana no tokony hitokiantsika amin'ny faminaniana araka izany, izay milaza mialoha ny fiavian'ny fanjakana mandrakizain'Andriamanitra koa aorian'izany (Dan. 2:44)?

Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.

Daty
Alakamisy 08 October 2026

Vakio ny Mar. 1:2-5. Inona no tanjon'ny fanompoana nataon'i Jaona Mpanao Batisa?

Mampahafantatra antsika ny Filazantsaran'i Marka fa fahatanterahan'ny faminanian'i Isaia (Isa. 40:3) ny fahatongavan'i Jaona Mpanao Batisa. Nanamarika ny fiainan'i Jaona nanomboka tamin'ny fahazazany ka hatramin'ny fahalehibiazany ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Nanahy ny ho very fahefana teo amin'ny olombelona i Satana rehefa nandre ny feon'i Jaona tany an'efitra (jereo ny IFM, t. 229). Naharihary tamin'ny fomba nampangovitra an'i Satana ny haratsiam-panahin'ireo izay nihaino an'i Jaona. Nahin'i Satana hiala tsy ho eo ambany vahohony intsony ny Isiraely. Imbetsaka no niezahany handresy lahatra ilay mpanao batisa mba hiala amin'ny fomba fiainany feno fahatokiana sy tsy hitoky amin'ny Mesia, saingy tsy nahomby izy.

Vakio ny Mat. 11:1-6. Ahoana no nanatanjahan'i Jesôsy ny finoan'i Jaona raha tao am-ponja ilay mpitory teny?

Tsy nahataona an'i Jesôsy hanota i Satana, ary nampisafoaka azy ny fahareseny tany an'efitra. Nanova paikady izy avy eo tamin'ny fampidirana am-ponja an'i Jaona, havan'i Jesôsy. Nandratra ny fon'i Jesôsy izany, na dia tsy nahataona Azy hanota aza i Satana. Izany no fomba nampiasain'i Satana hanakiviana an'i Jaona, sy hanomezana alahelo ny fon'ny Mpamonjy koa. Nefa nahazo teny fampaherezana avy tamin'i Jesôsy i Jaona. Ary na dia nampivarahontsana indrindra aza ny toerana nisy azy, ary azo antoka fa tsy takany ny antony mbola naha tao am-ponja azy nefa manana hery lehibe hanampy azy i Jesôsy, dia nitoetra ho mahatoky i Jaona, eny, na hatramin'ny fahafatesana aza.

Toy ireo mpaminany fahiny, isika koa dia antsoina hitory ny fibebahana sy ny finoana ary ny fahamarinan'i Kristy amin'ny fahafenoany (Apôk. 14:6-12). Mety hametraka fisalasalana ao anatintsika i Satana ny amin'ny iraka ampanaovin'Andriamanitra antsika, tahaka ny nataony tamin'i Jaona Mpanao Batisa. Tsy misy tokony hahakivy antsika raha tsaroantsika ny fitantanan'Andriamanitra ny fiainantsika, indrindra rehefa ao anatin'ny olana, tahaka ny nanjo an'i Jaona, izay nogadraina, avy eo novonoina noho ny nafitsoky ny vehivavy ratsy fanahy iray sy ny lehilahy iray kanosa. Na inona na inona mety hataon'ny olona amintsika, dia afaka manatona an'Andriamanitra amin'ny finoana isika, ary hamaly antsika Izy. Nanome toky Izy fa hanome hery antsika hanaovana ny sitrapony (Asa. 1:8). Eo anivon'izao tontolo mihamanalavitra ny fivavahana kristianina izao, dia zava-dehibe indrindra ny maha vavolombelona mahato kin'i Kristy antsika, na inona na inona toe-javatra iainantsika.

Efa niaina fanandramana tahaka an'i Jaona tao am-ponja ve ianao, ka tsy takatrao ny antony nitrangan'izany ratsy izany taminao? Ahoana ny fomba nihazonanao ny finoanao sy nitokianao hatrany tamin'Andriamanitra?

Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Daty
Zoma 09 October 2026

Miantso mpaminany amin'ny fotoana voafaritra sy ho amin'ny tanjona manokana Andriamanitra. Natao hitondra ireo hafatra ilaina amin'ny androny izy ireo. Ao anatin'izany tontolon-kevitra izany, ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia mino fa anisan'ny olona manana izany fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana izany, ho an'izao andro izao, i Ellen G. White. Nanao ny asan'ny mpaminany izy saingy tsy anisan'ireo voarakitra ao amin'ny Baiboly (mbola hojerentsika akaiky kokoa ny momba izany ao amin'ireo lesona ho avy). Tamin'ny Desambra 1844 i Ellen Harmon [White] no nandray ny fiantsoana azy voalohany, herinandro vitsivitsy taorian'ny nanantenan'ireo Advantista milerita ny fiverenan'i Jesosy, araka ny voalaza ao amin'ny Dan. 8:14 hoe: "Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina".

Na tsy nametraka daty mazava aza i William Miller, ireo mpanaraka azy kosa dia niandrandra ny 22 Oktôbra 1844 ihany, araka ny fanisana andro ara-Baiboly manondro ny Andro Fanavotana, ho daty hiverenan'i Kristy etỳ ambonin'ny tany. Namoha ny fanantenan'ny olona an'arivony maro tao Amerika Avaratra sy tany amin'ireo faritra hafa teto amin'izao tontolo izao io finoana io; ho tafaraka amin'ny Mpamonjy any an-danitra tsy ho ela izy ireo. Nanjary nientanentana sy feno hafanam-po koa i Miller arakaraka ny nahantomotra io fiaviana nandrandraina fatratra io.

Nefa tsy tonga i Kristy. Niaina fanandramana anisan'ny mahakivy indrindra teo amin'ny tantara ireo mpino milerita, dia ny Fahadisoam-panantenana Lehibe.

Tao anatin'izany toe-javatra izany no nanomezan'Andriamanitra an'i Ellen Harmon [White] ny fahitana voalohany. Fampaherezana azy sy ireo mpino diso fanantenana no votoatin'ilay hafatra, fa mbola momba azy ireo hatrany Andriamanitra na dia teo aza ny fahadisoan-keviny. Lalana iray miala avy eto an-tany mankany amin'ilay Jerosalema any an-danitra no tao amin'ny fahitana. Ireo mpino Advantista no nizotra teo amin'ilay lalana ho any amin'ny Tanàna Masina. Ary "voaro izy ireo raha mbola nibanjina an'i Jesosy koa, Izay teo alohany sy nitarika azy ho any amin'ilay tanàna." - SG, b. 2, t. 31.

Vaovao mahafaly izany fahitana izany. Nanokatra lalana vaovao Andriamanitra hialana amin'ny fisavorovoroana vokatry ny fahadisoam-panantenana. Momba azy ireo hatrany i Jesosy. Mbola hiverina tokoa Izy. Mbola mitarika azy ireo ho amin'ny lalam-pamonjena hatrany Izy. Mila "mibanjina" Azy fotsiny izy ireo. Nanana antony lehibe tsy hanariana ny fanantenana izy ireo, na dia teo anivon'ny savorovoro sy fahakiviana aza.

Dia toy izany no niantsoana an'i Ellen G. Harmon [White], zatovovavy 17 taona, hanompo amin'ny maha mpaminany. Tsy lalana mora ny azy, indrindra fa tany am-piandohana.

Nekena miandalana ny fahamarinan'io fanomezam-pahasoavany io; na izany aza dia nampanahy an'i Ellen G. White izany ho tonga mpitondra hafatr'Andriamanitra izany. Tsy zava-mora na ahazoam-boninahitra firy eo amin'ny mpiara-monina ny maha mpaminanin'Andriamanitra hatramin'izay. Koa ahoana no haneken'i Ellen White izany antson'Andriamanitra izany?

Hodinihintsika akaiky kokoa, amin'ny herinandro manaraka, ny asa manokana sy ny zava-tsarotra natrehin'ireo mpaminanin'ny TT, izay hita taratra teo amin'ny fiainana sy ny fanompoana nataon'i Ellen G. White koa ny sasany amin'izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal