Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 21 March 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Kol. 4:7-18; Efes. 6:21; Asa. 15:36-40; 2 Tim. 4:10, 11; 2 Pet. 3:10-14; Isa. 60:1-3.

Tsianjery: "Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy ho anareo."-1 Tes. 5:18.

Ity ampahany farany amin'ny Kolosiana ity dia mampiseho ny momba ireo mpiara-miasa amin'i Paoly sy ny velaran'ny fiaraha-miasan'izy ireo. Hitantsika ao amin'ny bokn'ny Asan'ny Apostoly ny niarahany niasa voalohany tamin'i Barnabasy, avy eo i Silasy, ary avy eo dia omena topy maso ny amin'ny dia misionera telo nataony isika.

Hijery ny tetikady misioneran'i Paoly isika amin'ity herinandro ity, izay nampiasany tsara ny fotoany sy ny fitaovana teo am-pelatanany mba hahatrarany ireo tanan-dehibe tao amin'ny Fanjakana Romanina, ary koa hanofanany ireo mpitory laika mahatoky mba hanatrarana ireo tanána sy vohitra izay tsy ho voatsidik'i Paoly, toa an'i Kolosia, Laodikia, ary Hierapolia.

Nampifandray olona sy fiangonana hatrany i Paoly tamin'ny alalan'ny fitsidihana manokana nataony handritra ny diany, ary indrindra tamin'ny maha gadra azy, tamin'ny alalan'ny epistiliny. Tsapany fa ny fahombiazan'ny asa fitoriana ny filazantsara dia niankina amin'ny fiaraha-miasan'ny tsirairay Kristianina Jiosy sy Jentilisa; Ichilahy sy vehivavy; olona toa an'i Tykiko, Aristarko, Josto, Epafra, Lioka, ary Nyma. Mahaliana fa misy taratasy nosoratany ho an'ny Laodikia koa, izay tsy notehirzina ho antsika. Maro ny hafatr'i Paoly ao amin'ireo andininy farany ireo, anisarizany ny fiangaviana sy fampirisihana manokana ny lehilahy iray atao hoe Akipo. Nanao izay rehetra azony natao i Paoly mba hampaherezana ny fiangonana, raha mbola afaka nanao izany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 28 Martsa.

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.

Daty
Alahady 22 March 2026

Misy zavatra maro azo ianarana avy amin'i Paoly momba ny fitoriana ny filazantsara. Manodidina ny 21.564 kilaometatra ny halaviran'ny dia nataony. Mahavariana izany, satria nandehanany an-tongotra ny ampahany betsaka amin'izany, ary nisy ampaham-potoana koa naha tao an-tranomaizina azy.

Tany amin'ny foiben'ny tsena no nandanian'i Paoly fotoana betsaka, toy ny tany Korinto sy Efesosy, izay nielezan'ny hafatra ho any amin'ireo tanána anatiny. Niverina namangy ingy ireo fiangonana natsangany koa i Paoly mba hanamafy orina sy hampaherezana ireo mpino vaovao tao. Rehefa tsy afaka namangy mivantana ny fiangonana izy, dia nandefa taratasy ho azy. Tamin'izany fomba izany, dia fantatry ny mpino fa nahatsiaro sy nikarakara azy ireo izy.

Vakio ny Kol. 4:7-9; ampitahao amin'ny Efes. 6:21. Ahoana no anoritsoritany an'i Tykiko, ary inona no nolazain'i Paoly ho antony anirahana azy sy i Onesimosy ho any Kolosia?

Misy hafatra sasany tsara kokoa raha ampitaina am-bava noho ny an-tsoratra. Ho mahaliana ny nahafantatra ny vaovao rentin'ireo lehilahy roa ireo ho an'ny Kolosianina. Rehefa dinihina ny fikasan'i Paoly hampionona sy hampahery azy ireo (Kol. 4:7-9), dia azo inoana fa mirakitra sipiriany momba ny toe-javatra nisy an'i Paoly tany am-ponja izany. Zava-dehile mandrakariva koa ny fampitana hafatra amin'ny fomba toy izany, mba hihazonana ny fifandraisana manokana mampifamatotra ny mpino.

Miharihary fa iraka azo itokiana i Tykiko, izay midika hoe «tsara vintana>>> ny anarany. Voalaza hoe «mpanompo mahatoky>» sy «namako manompo» izy, ary isan'ireo roa lahy avy any Azia nofidin'i Paoy (Asa 20:4) hiaraka aminy mba hamory vola hiantrana ny mpino malahelo any Jerosalema. Niaraka tamin'i Paoly koa izy raha naiditra an-tranomaizina fanindroany tany Roma i Paoly, ary avy any no nanirahana azy ho any Efesosymba hampandroso ny asa any (2 Tim. 4:12). Nieritreritra ny haniraka azy ho ary amin'i Titosy, tany Kreta, koa i Paoly (Tit. 3:12). I Onesimosy no niaraka tamin, izay niova fo tany Roma noho ny asan'i Paoly (jereo ny lesona 1), sy nofaritan Paoly hoe «mahatoky.»

Toa tian'i Paoly ho fantatra koa hoe manao shoana ny mpino tany Kolosia. Rehefa i Tykiko mihitsy no mitondra valin-teny to azy avy any, dia tsy sarotra izany. Fomba iray hafa nanehoan'i Paoly ny fitiavany sy ny fiahiany ireo mpino tany izany, na día tsy namangy mivantana ny fiingonana aza ny tenany, ary fomba nanatanjahany ny finoan'izy ireo mba halafahany manao asa fitoriana amin'ny hafa.

Nahoana ireo zavatra manokana momba an'i Paoly voalaza ao amin'ny taratasiny no tsy vitan'ny mampiseho ny maha olombelona azy, fa manamafy koa ny maha azo itokiana ny asany?

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.

Daty
Alatsinainy 23 March 2026

Eto amin'izao tontolo anjakan'ny aterineto sy ny tambajotra sosialy ary ny fitaovana maro samihafa izao, dia sarotra ny mahazo an-tsaina ny fahasahiranana natrehin'i Paoly tamin'ny fiezahana hanampy ny fiangonana mba hahatsapa fa manana anjara amin'ny zavatra lehibe lavitra noho ny fiangonany eo an-toerana izy ireo.

Vakio ny Kol. 4:10,11. Ankoatra ny fandefasana sy fandraisana vaovao amin'ny alalan'ny iraka (Kol. 4:7-9), inona avy ireo fomba hafa nampiasain'i Paoly mba hanamafisana ny fifandraisana?

Raha jerena ny sasany amin'ireo olana izay noresahin'i Paoly ao amin'io epistily io, inona no hafatra mety ho nampitaina tamin'ny alalan'ireo fanaovam-beloma ireo?

Manorina sy manamafy ny fifandraisana eo amin'ny samy mpino i Paoly amin'ny alalan'ireo fanaovam-beloma ireo. Hitantsika eto fa havan'i Barnabasy i Marka. Koa mampiomana i Paoly ta ho avy hamangy any Kolosia koa i Marka. «Mpiara-mifatotra amiko» no ilazan'ı Paoly an'i Aristarko; izany hoe, gadra niaraka tamin'i Paoly izy. Samy miaramila mitafy «ny fiadian'Andriamanitra» izy roa lahy (Efes. 6:10,11), miady mba hanafahana ireo gadran'i Satana ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fanjakan Andriamanitra (jereo ny 2 Tim. 2:1-4). I Jesôsy/Josto koa (anarana jiosy sy romanina izay saika mitovy fanononana amin'ny teny grika, toy ny  Saoly/Paoly) dia nambarany tamin'izy ireo ho mpiara-miasa azo itokiana amin'ny fampandrosoana ny filazantsara.

Nomarihin'i Paoly fa i Aristarko, i Marka, ary i Josto dia mpino jiosy («avy amin'ny voafora»). Avy eo manonona anarana Jentilisa telo izy: i Epafra, i Lioka, ary i Demasy (Kol. 4:12-14). Zava-dehibe ny hoe: na somary nisy fifandirana aza teo amin'ny Jiosy sy ny Jentilisa tao am-piangonana, dia afaka niara-niasa tsara tamim-pahombiazara tamim-pahombiazara izy ireo, tao anatin'ny firaisan-tsaina sy ny firindrana. Nefa amin'ny filazan Paoly hoe «ireo ihany», dia toa manambara fahadisoam-panantenana izy fa ny ankamaroan'ny Kristianina jiosy dia tsy mba nanohana azy tamin'ny fahoriany. Na izany aza, zava-dehibe tamin'io fotoana io ny nisehoan'i Jaona Marka, izay nandao an'i Paoly sy i Barnabasy taona vitsivitsy teo aloha, naneritra ny dia misionera voalohany nataon'izy ireo (Asa. 13:13), İzay tsy vitan'nyhoe mahatoky fa tonga "fampiononana"ho an'i Paoly koa (Asa. 15:36-40).

Misy mikendry handrava mandrakariva ny firaisana, ary tsy zava-baovao izany. Vao tsy ela izay, tao alatin'ny taona vitsivitsy, dia nisy fiovana lehibe ny Fiangonana Advantista satrianiely patrana manerana izao tontolo izao, ary nisy hery namely ny firaisana nisy teo aminy. Tsapa eo amin'ny ambaratonga rehetra ao am-piangonana ny fahasirotana eo amin'ny fampiraisana.

Ahoana no ahafahana, ao amin'ny fiangonana misy anao, miasa mba hampihena ireo zavatra nandrahona ny handrava ny firaisantsika? Inona avy ireo olana eo an-toerana, ary inona no azo atao hamahana izany?

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.

Daty
Talata 24 March 2026

Boky maro no voasoratra momba ny fiainana misy tanjona sy ny fiangonana misy tanjona. Na tsy ny tanjona loatra aza no mitarika eo amin'ny fiainana, dia tena ilaina kosa ny mifantoka amin'ny tanjona mazava mba hahatanterahana ny asa manan-danja rehetra. Hita teo amin'ny fiainan'i Paoly sy ny asany izany, ary koa teo amin'ny mpiara-miasa aminy sy ny apostoly hafa (jereo ny Fil. 3:13,14). Ny vokatra dia miresaka ho azy-niparitaka haingana eran'ny Fanjakana Romanina sy tany ankoatra izany ny filazantsara (Kol. 1:23). Ilaina izany fifantohana izany ankehitriny.

Vakio ny Kol. 4:12,13. Inona no tanjona voalaza eto, ary ahoana no tokony hanatrarana izany?

Araka ny voalaza ao amin'ny lesona teo aloha, dia inoana fa nanana anjara lehibe tamin'ny fampielezana ny filazantsara tany Kolosia sy tany amin ireo tanana manodidina toa an'i Laodikia sy Hierapolia i Epafra (jereo ny lesona 1). Ny fampamangiana sy ny vavaka nataony ho an'ireo fiangonana ireo dia tsy isalasalana fa tena nampahery ny mpino tao. Nifantoka tamin'ny tanjona mazava ny vavak'i Epaframba «hitoeran' tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra» - Kōl. 4:12. Andeha hitoeran'ny Kolosiana marina, ka hatoky hodinihintsika akaiky kokoa ny votoatin'io vavaka io.

Hitoetra. Midika hoe mijoro mafy sy tsy mihetsika io teny io, izay tsy azo atao raha tsy mafy orina sady tafatoetra» amin'ny finoana sy ny fitokiana amin'ny fahamarinan'ny filazantsara (Kol. 1:23). lo teny io ihany no ampiasain'i Paoly imbetsaka rehefa miresaka momba ny ady atao amin'ny "fanangolen'ny devoly izy" (Efes. 6:11) sy ny fanoherana ny herin'ny maizina amin'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitafiana «ny fiadian'Andriamanitra rehetra» (Efes. 6:10-18: ampitahao amin'ny 2 Tim. 2:19).

Marina. lo teny io dia manondro fahatanterahan-toetra izay miseho amin'ny endriny faratampony amin'ny alalan'ny fitiavana izay manao sorona ny ainy (Mat. 5:44,48), avy amin'ireo izay tsy hilaza ny tenany mihitsy fa «efa tanteraka» (Fil. 3:12-15).

Hatoky tsara. Izao no hevitr'io teny manan-danja io: manome fahafaham-po tanteraka, na manaozavatra amin'ny nyfahafenoany. fahafenoany. Nampiasaina io teny io nilazana momba an'i Abrahama izay natoky indrindra» fa izay nolazain'Andriamanitra dia hainy hatao tokoa, na dia tsy hain'ny olombelona aza izany (Rom. 4:21), sy tamin'ny nampaherezan'ny Tompo an'i Paoly fa «hotanterahina tokoa amin'ny ataony ny fitorian-teny» (2 Tim. 4:17).

Amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. Mahafaoka be ny teny hoe «rehetra». Nivavaka i Paoly mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapon Andriamanitra ny Kolosianina, «mba handehanany miendrika ny Tompo hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra» - Kol. 1:9,10 «araka ny herin'ny voninahiny» - Kol. 1:11.

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.

Daty
Alarobia 25 March 2026

Vakio ny Kol. 4:14,15 sy ny 2 Tim. 4:10,11. Inona no mampiavaka an'i Lioka amin'i Demasy ary nahoana?

Hoy ny apostoly Jaona: "Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. - 1 Jao. 2:15. Nahatonga an'i Lioka hiaraka tamin'i Paoly hatramin'ny farany, na inona na inona mety hitranga, ny fitiavany an'i Jesosy sy ny fanjakany, fa i Demasy kosa tia izao tontolo izao mihoatra noho ilay tontolo ho avy.

Vakio ireto andininy manaraka ireto. Inona no torohevitra omena ao ho an'ireo miandry ny fiavian'i Kristy fanindroany?

Mar. 13:32-37 ………………..………………..………………..………………..………………..………..

Tit. 2:11-14 ………………..………………..………………..………………..………………..……………

2 Pet. 3:10-14 ………………..………………..………………..………………..………………..……….

Apok. 3:17-21 ………………..………………..………………..………………..…………………………

Nampitandrina antsika matetika i Jesosy sy ny apostoly mba "hiambina", ho mailo, ary ho vonona mandrakariva ho amin'ny fiavian'ny Tompo mba tsy ho tampoka amintsika izany. Indrisy anefa, toy ireo mpianatra izay tsy nitandrina ny baikon'i Jesosy hoe "Miareta tory hianareo, ka mivavaha" - Mar. 14:38, dia maro no tsy hanatanteraka ny fiomanana ilaina. Miankina armin'izay ataontsika tompon'ny fontsika izany rehetra izany, satria tsy mahay manompo tompo roa isika.

Ao amin'ny hafatra ho an'i Laodikia dia manome antsika toromarika mazava I Jesosy. Voalohany, mila mibebaka amin'ny fahotantsika isika. Faharoa, mila manokatra ny fontsika ho an'i Jesosy isika ary mamela Azy hifehy, izay avy eo (fahatelo) hahatonga antsika hanana finoana tsara lavitra noho ny « volamena» sy fitiavana voazaha toetra ary handresy ny fakam-panahy.

Inona avy ireo toetra manokana mety hangatahin'i Jesôsy mba hibebahanao eo amin'ny fiainanao? Inona amin'ireo toromarik'i Jesôsy no tena ilainao indrindra?

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.

Daty
Alakamisy 26 March 2026

Eo am-pisaintsaina momba ny hafatr'i Jesosy ho Vakio ny Kol. 4:16-18; ampitahao amin'ny Kol. 2:1-3. an'l (jereo lesona omaly), inona ny fifandraisana hitanao amin'ny hafatra ho an'ny Kolosianina, izay natao hovakina ao amin'ny fiangonan'i Laodikia tamin'ny andron'i Paoly koa?

Rehefa dinihina ny fiainan'ny vahoakan'Andriamanitra hatramin'izay ka hatramin'izao, dia mitovy hatrany ireo olana miverimberina. Nananatra ny Isiraely ireo mpaminany noho ny faniriany hivavaka araka ny fomban'izao tontolo izao ary nandrisika azy ireo hibebaka haingana andrao tratra aoriana loatra. Nisento mihitsy aza i Isaia, nanao hoe: "Indrisy! tonga janga ity tanana mahatoky" Isa. 1:21, ary nampirisika ny olona izy hiverina amin'Andriamanitra mba hahazoany famelan-keloka sy fanadiovana (Isa. 1:16-20). Samy niantso ny Isiraelita hibebaka i Jaona mpanao batisa (Mat. 3:2, 8-10) sy i Jesosy (Mat. 4:17; Mat. 12:33-37), ary hitondra voa izay hahajoro eo anatrehan'ny fitsarana amin'ny andro farany. Nitondra hafatra mitovy amin izany koa ireo apostoly (Asa. 2:38; Asa. 3:19; Asa. 17:30; 2 Kor. 7:9,10).

Ampitahao ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto: ny Isa. 60:1-3 sy ny Apôk. 18:1-4, ary ny Isa. 62:1-5 sy ny Apok. 19:7,8. Inona no mampitovy ny hafatra entin'ireo boky roa ireo?

Hampiray ny lanitra sy ny tany Andriamanitra. Saingy noho ilay fifanandrinana lehibe (eo amin'ny tsara sy ny ratsy), dia tsy maintsy atao miandalana, manaraka dingana izany:

  1. Tao Kalvary, verin'i Satana hatreo ny fitiavana rehetra nananan'ny mponin'ny lanitra ho azy (Jao. 12:31).
  2. Amin'ny alalan'ny asa fitsarana ataon'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, dia «tanteraka (...) amin'ny asa tsara rehetra hanao ny sitrapony ny vahoakan'Andriamanitra (Heb. 13:21), ary voaomana ho any an-danitra.
  3. Amin'ny alalan'ny fitsarana mandritra ny arivo taona sy ny fitsarana farany aorian'ny arivo taona, dia voavaha mandrakizay ny olana rehetra nampametra-panontaniana, ary levonina mandrakizay ao amin'ny farihy afo, izay manadio ny tany koa, ny ota sy ny mpanota tsy nibebaka (Apôk . 21:8).
  4. Rehefa foana hatreo ny ota, izay ihany vao mety hiray ny lanitra sy ny tany amin'ny farany (Apok. 21:3).

Inona no azonao atao (tsy mijery olon-kafa) mba hitoeranao ho mahatoky amin'Andriamanitra sy amin'ny fahamarinana nomeny antsika? Izany hoe, inona avy ireo safidy ataonao izay manambara hoe iza marina no tompon'ny fonao?

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 27 March 2026

Ny fanahy izay milefitra amin'i Kristy, dia manjary tanana mimanda ho Azy, izay anjakany eo anivon'izao tontolo izao mikomy aminy, ary ny kasainy dia tsy hisy fahefana hafa hekena ao afa-tsy ny Azy irery ihany. Ny fanahy izay voatahirin'ny anjelin'ny lanitra ho an'Andriamanitra toy izany, dia mahatohitra ny fanafihan'i Satana. Nefa raha tsy manolo-tena tokoa hofehezin'i Kristy isika, dia hotapahin'ilay ratsy. Tsy maintsy ho eo ambanin'ny fifehezan'ny anankiray amin'ireo hery lehibe roa izay milofo mafy ho tompon'ny fahefana fara tampony eto amin'izao tontolo izao isika. Tsy ilaintsika ny hinia hifidy ny hanompo ny fanjakan'ny maizina mba hahatonga antsika ho ambanin'ny fanapahany. Ampy ho antsika ny hanao antsirambina ny firaisantsika hina amin'ny fanjakan'ny mazava dia tonga ho azy izany. Raha tsy miara-miasa amin'ny anjelin'ny lanitra isika, dia hanjaka ao ampo i Satana, ka hanao izany ho fonenany. Ny hany fiarovana amin'ny ratsy dia ny fitoeran'i Kristy ao amin'ny fo amin'ny alalan'ny finoana ny fahamarinany. Raha tsy manana firaisana velona amin Andriamanitra isika, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hanohitra ny vokatra tsy masina ateraky ny fitiavan-tena, sy ny fampanaranam-po ny tena ary ny fakam-panahy hanota. Azontsika atao ny miala amin'ny fahazaran-dratsy maro, eo amin'ny fotoana mety isarahantsika amin'i Satana; nefa raha tsy misy firaisana mitondra aina amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fileferantsika Aminy mandritra ny fotoana rehetra, dia ho resy isika. Raha tsy misy fifankazaran'ny tena manokana amin'i Kristy, sy firaisana lalandava Aminy, dia afaka hanao amintsika araka izay tiany ilay fahavalo, ka amin'ny farany dia hanatanteraka ny baikony isika.» - IFM, tt. 257,258

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Mariho ny tenin'i Ellen G. White etsy ambony. Mazava fa roa ihany ny sokajy misy ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe, ary raha tsy misafidy an'i Kristy amim-pisainana tsara isika, dia hiandany amin'i Satana (Lio. 11:23). Na mety hanelingelina antsika aza ny fieritreretana izany, dia tsy adidin'Andriamanitra ny hanao ny fomba rehetra mba hahatonga ny fahamarinany tsy handratra antsika. Inona no ambaran'izany zava-misy izany aminao momba ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny sitraponao eo an-tanan'i Kristy?

2. Vakio ny Apôk. 14:14-16. Ny ranonorana aloha tamin'ny Pentekosta dia nanome hery ny voan'ny filazantsara hitsimoka sy hitombo, fa ny ranonorana farany kosa dia manomana ny tany ho amin'ny fijinjana farany. Ahoana no ifandraisan'ny Apok. 14:12 amin'izany?

3. Misy fiantraikany amintsika ve ny kolontsaina sy ny tontolo manodidina antsika, amin'ny maha fiangonana antsika sy amin'ny maha mpino isam-batan'olona antsika? Amin'ny fomba ahoana avy no isehoan izany? Ahoana no hiarovantsika tena amin'ny fitaoman-dratsin'izao tontolo izao. izay olana mandrakariva ho an'ny vahoakan Andriamanitra nandritra ny vanim-potoana rehetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal