Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampitodika ny saina ho amin'ny Mpahary

Daty
Alatsinainy 05 May 2025

"Raha miaro ny tongotrao amin 'ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, (...) dia hiravoravo amin'i Jehovah hianao (...)." - Isa. 58:13,14.

Mofon’aina:
Maro amin'ireo mitonona ho Kristianina ankehitriny no manidy ny fony sy ny sainy tsy hidiran'ny Masoandron'ny Fahamarinana, izay mitondra taratra mamirapiratra mandroaka ny haizina manjaka ao. Mandà ny fahazavana izy ireo, ary ataony ambanin-javatra ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fitakiany. Sabata sandoka no eken'izy ireo fa tsy ny andro fitsaharana nomen'i Jehôvah azy; manompo sampy izy ireo, ary mandika ny lalàna mas in' Andriamanitra amin'ny fanitsakitsahany ny Sabata izay naoriny sy notahiny.

Ny hahasoa ny olombelona rehetra no tanjon'ny Sabata. Rehefa avy nahary izao tontolo izao tao anatin'ny henemana Andriamanitra, dia nitsahatra Izy, ary nitahy sy nanamasina ny andro izay nitsaharany tamin'ny asany rehetra efa nataony. Natokany ho andro miavaka io andro io mba hahafahan'ny olombelona mitsahatra amin'ny asany, ka rehefa mijery ny tany ambany sy ny lanitra ambony izy ireo, izay porofo mivaingana maneho ny fahendren'Andriamanitra tsy hita fetra, dia ho feno fitiavana sy fanajana ny Mpahary azy ny fony. 

Raha nitandrina mandrakariva ilay andro notahin'Andriamanitra sy nohamasininy ny zanak'olombelona, dia tsy ho nisy teto amin'izao tontolo izao velively ny tsy mpino. Natao ho fahatsiarovana ny asan'ny Mpamorona mantsy ny Sabata; nomena indrindra izany mba hahafahan'ny olona mampiala ny sainy amin'ny zavatry ny tany ka hibanjina an'Andriamanitra sy ny heriny kosa. (...)

 Miankohoka amin'ny sampy vita amin'ny hazo sy vato ny mpanompo sampy, ao anatin'ny fahajambany. "Ireo no andriamanitray" hoy izy ireo. Manana porofo kosa isika ao amin'ny didy fahefatra fa ny Andriamanitsika dia Ilay Andriamanitra marina sy velona. Ao no misy ny tombo-kasen'ny fahefany (...) (Eks. 20:11). Hitantsika eny amin'ny lanitra izay mitory ny voninahitry ny Mpahary azy, ny fahalehibiazan ' Ilay Andriamanitra ivavahantsika ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny dia manome aina sy hatsarana ny zavaboary rehetra; ny volana aman-kintana, asan'ny tanany. Izy no Andriamanitra "nahary ny lanitra sy ny tany" — Gen. 1:1. — BE, 12 Oktôbra 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal