" Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka, na tamin’ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany." Dan. 1:8.
Mofon’aina:
Ny sain’ny olombelona dia mila mivelatra sy mitombo amin’ny fahatanjahana sy faharanitana ary fahafaha-miasa. Tsy maintsy ampanaovina asa mafy izy, raha tsy izany dia hihaosa sy tsy hahavita na inona na inona. Ny tanjaky ny atidoha no ahafahana mieritreritra lalina; tsy maintsy itarina ny saina amin’ny famahana olana sarotra sy hifehezana izany, raha tsy izany dia mihena ny herin’ny saina sy ny fahafahana mieritreritra. Ny saina dia tokony hamorona, hiasa sy hikaroka mba hitomboan’ny tanjany sy ny heriny; ary raha tsy kolokoloina ho salama ny vatana amin’ny alalan’ny sakafo ampy sy be otrikaina, dia tsy mahazo ny anjara sakafo ahafahany miasa ny atidoha.
Takatr’i Daniela tsara izany ka nisafidy izy ny hampihatra fomba fisakafo tsotra sy mahasalama, ary nolaviny ny hanim-py teo an-databatry ny mpanjaka. Ny ankamaroan’ireo tsindrin-tsakafo izay mazàna mitaky fotoana betsaka ny fikarakarana azy, dia manimba ny fahasalamana. Ny bolongan-tsakafo mila tsakoina dia tsara lavitra noho ny sakafo malemy sy mitsiranoka. Hamafisiko ny maha- zava-dehibe izany (...)
Ny saina dia tokony hazonina hifoha hatrany amin’ny alalan’ny asa vaovao izay mitaky ezaka sy fifantohana. Ahoana no hanatanterahana izany? Tsy maintsy diovin’ny herin’ny Fanahy Masina ny eritreritra ary tsy maintsy esoriny amin’ny fanahy ny fahalotoana ara-moraly. Ny fahazaran-dratsy dia tsy mampietry ny fanahy fotsiny ihany, fa manimba ny saina koa. (...).
Rehefa manokana ny sainy sy ny tenany ary ny fanahiny ho an’Andriamanitra ny mpampianatra sy ny mpianatra, ary manadio ny eritreriny amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, dia handray tsy tapaka ny fahatanjahana vaovao ara-batana sy ara-tsaina izy ireo. (...)
Ilaina ny fahazotoana mianatra, ilaina koa ny fahazotoana miasa mafy (...) Ny asa ara-batana miaraka amin’ny fampifantohana ny saina amin’izay zavatra mahasoa dia fitsipika tokony arahina eo amin’ny fomba fiainana, ary mihamamy hatrany izany vokatry ny fieritreretana hoe ny fanaovana izany dia manomana sy manabe ny saina sy ny vatana mba hahatontosa ny asa izay ampanaovin’Andriamanitra antsika amin’ny sehatra samihafa. (...) – FCE, tt. 226-229.