"Ary amin 'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin 'ny ankavanan’ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra." – Heb. 8:1.
Mofon’aina:
Aseho ho toy ny mijoro mandrakariva eo amin'ny alitara i Kristy Jesosy, manolotra fanatitra indray mandeha noho ny fahotan'izao tontolo izao. Mpanao fanompoam-pivavahana ac amin'ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona, Izy. Tsy mmana fahamendrehana intsony ireo taadindona tao amin'ny tabernakelin'ny Jiosy. Tsy ilaina intsony ny manao faiavotana ara-tandindona isan'andro sy isan-taona, saingy tena zava-dehibe ny fanati-panavotana amin'ny alalan'ny nvanalalana noho ny tambin'ny ota mi ola mitohy. Manao fanompoana eo anatrehan'Andriamanitra i Jesosy, manolotra ny ra nalatsany, tahaka ny zanak'ondry voavono. Manolotra fanatitra noho ny heloka tsirairay sy ny fahadisoana tsirairain'ny mpanota i Jesosy.
Manelanelanatsy ankiato ho amin'ny mahasoa ny taranak'olombelona i Kristy, ilay Mpanalalana antsika, sy ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina anefa dia tsy mitalaho ho antsika tahaka izay atzon'i Kristy izay manolotra ny rany, naatsaka hatramin'ny fanorenana izao toitolo izao. Miasa eo amin'ny fontsika ny Fanahy Masina, mampirisika ny fivavahana sy ny fifonana, ny fiderana sy ny fisaorana. Ny fankasitrahana izay mikoriana avy anain'hy molotsika dia vokatry ny fitendrefeny Fanahy Masina ny tadin-dokangan'ny fanahy ao anatin'ny fankalazana masina, ka manainga ny hiran'ny fo.
Ireo fanompoam-pivavahana, ny vavaka, ny fiderana, ny fiaiken-keloka sy ny fibebahana ataon' ny mpino marina dia miakatra any amin'ny fitoerana masina any an-danitra toy ny ditin-kazo mani-pofona; saingy raha mandalo amin'ny fantsona simban'olombelona izany, dia tena maloto tokoa ka raha tsy voadion'ny ra, dia tsy hisy vidiny mihitsy eo anatrehan'Andriamanitra. Tsy miakatra ao anatin'ny fahadiovana tsy misy pentimpentina izany, ka raha tsy ilay Mpanalalana izay eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra no manatitra sy manadio izany rehetra izany amin'ny fahamarinany, dia tsy hankasitrahan'Ahdriamanitra izany. (...)
Enga anie ho takatry ny rehetra fa na inona na inona momba ny fankatoavana, ny fifonana, ny fiderana sy ny fisaorana, dia tsy maintsy apetraka eo ambonin'ny afo mirehitry ny fahamarinan'i Kristy. Miakatra tahaka ny setroka manodidina ny rakotra fanaovam-panavotana ny hanitr'io fahamarinana io. — SDABC, b. 6, tt. 1077,1078.