Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanavaozana ao an-tokantrano

Daty
Alakamisy 06 November 2025

 "Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Hianao no itokiako; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako, fa aminao no ananganako ny fanahiko." – Sal. 143:8.

Mofon’aina:
Rehefa nanolotra an'i Jesosy ho an'izao tontolo izao Andriamanitra, dia nampidiriny tao anatin'io fanomezana tokana io ny lanitra iray manontolo. Tsy navelany hihazona ny kileman-toetsika isika, na hanompo Azy araka izay tratrantsika ao anatin'ny fahasimbana noho ny maha-mpanota antsika. Nanao ny zavatra rehetra Izy mba hahatanteraka antsika ao amin'ny Zanany, tsy manana ny fahamarinantsika manokana anefa, fa ny fahamarinan' i Kristy. Omena antsika ao amin'i Kristy ny fahalalana sy ny fahasoavana rehetra; satria ao Aminy "no itoeran 'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra" - Kôl. 2:9. 

Natolotr'i Kristy ho antsika ny ainy; fananany isika. Hoy Izy: "Moa tsy fantatrareofanytenanareodiatempolininy Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an'Andriamanitra amininy tenanareo." – 1 Kôr. 6:19. Tokony hasehon ' ny zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanatanterahana ny fitakian'Andriamanitra sy amin'ny alalan'ny fanoloran-tena ho Azy ny fitiavan'izy ireo Azy. Amin'izay fotoana izay ihany vao azony ampiasaina eo amin'ny fanompoana Azy izy ireo, ka mba amin'ny alalan'izy ireo no hamantaran'ny hafa ny fahamarinana sy hifaliany amin ' izany.

Tsy miraika amin'ny mahasoa azy ankehitriny sy amin'ny mandrakizay anefa ny vahoakan'Andriamanitra. Hoy ny Tompo amin'izy ireo: "Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr Jehovah efa miposaka aminao." – Isa. 60:1. Tiany handeha hiasa ao anatin'ny firaisana sy amim-pinoana ary amim-pitiavana izy ireo. Maniry Izy raha mba ao an-tokantrano no manomboka ny asa fanavaozana, eo amin'ny ray sy ny reny, dia hahatsapa ny fiasan'ny Fanahy Masina ny fiangonana. (...) 

Amin'ny maha-mpitandrina voate-ndrin' Andriamanitra anareo, ry ray aman-dreny malala, dia tsy maintsy ampiasainareo ny fotoana sarobidy sisa anananareo mba hanaovana ny asa nankininy taminareo. Maniry Izy ny hitaizanareo amim-pahendrena ny zanakareo ho Azy ao an-tranonareo. (...) Mianara amin' i Jesosy; aoka ho mpankatô ny Teniny ianareo. Aoka tsy hahamonamonaina fa hatao mahasarika ny fivavahana; ilain' ny ankizy izany. Tokony hatao izay hahatonga ny ora fivavahan'ny mpianakavy ho ora mahafaly indrindra amin'ny tontolo andro. (...) — RH, 18 Marsa 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal