Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahiana vaovao hatrany

Daty
Alatsinainy 17 November 2025

"Nahoana no mitanondrika hianao, ry fanahiko? Ary nahoana no mitoloko ato anatiko hianao? Manantenà an 'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. "- Sal. 42:11.

Mofon’aina:
Hitantsika teo anivon'ireo fitondran'Andriamanitra izay tsy mazava amintsika fa tsy fahendrena ny manaraka ny sitrapo na ny fanaontsika manokana, ary koa ny tsy mandinika sy maminavina ny fahatokian'Andriamanitra. Tsapako fa isika dia olona afaka mahatakatra ny toe-pon'ny andaniny sy ny ankilany ary afaka mifangoraka. Ampiraisin'ny fahasoavan'i Jesosy Kristy isika, ary harnasinina amin'ny alalan'ny fahoriana, ao anatin'ny fifamatorana sy ny fangoraham-po kristianina.

Famindram-po matetika no ao ambadiky ny fahoriana. Tsy haintsika izay mety ho niafarantsika raha tsy misy ny fahoriana. Rehefa arodan 'Andri am an itra ao anatin'ny fitondrany saro-pantarina ireo drafitra rehetra ankarnarniantsika, ka mety alahelo no azontsika fa tsy fifaliana, dia hiankohoka amim-pileferana isika ka hiteny hoe: "Andriama,nitra ô, aoka ny sitraponao no hatao!" Tsy maintsy mikolokolo fitokiana masina sy feno fahatoniana an'ilay Iray izay tia antsika sy nanolotra ny ainy ho antsika isika. "Jehovah handidv ny famindrampony nony andro, ary ho amiko nony alma ny fihirana Azy, dia vavaka amin 'Andriamanitry ny aiko. Hoy izaho amin 'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko? "– Sal. 42:8,9.

Mihevitra ny fahoriantsika ny Tompo. Lanjainy ary tsinjarainy amim-pahasoavana sy arakaraka ny tsirairay izany. Tahaka ny mpandrendrika volafotsy, dia rnijery antsika amin'ny fotoana rehetra Izy, mandra-pahatanteraky ny fanadiovana. Natao hanadio sy handrendrika ny lafaoro misy afo mahamay, fa tsy hanimba sy handevona. Hahatonga ireo izay mametraka ny fitokisany Aminy hankalaza ny famindrampony eo anivon'ny fitsarana Izy. Mitsinjo mandrakariva Izy mba hanome, rehefa tena ilaina indrindra, fitahiana vaovao, tanjaka amin'ny ora mampalemy, fanampiana amin'ny fotoana misy loza, namana arnin'ny fotoana mampanirery, fangorahan ' olom be lona sy fangorahana avy any ambony amin'ny fotoan' alahelo.

Hody any amin'ny fonenantsika isika. Nanangana tanàna ho antsika Ilay tena tia antsika ka maty ho antsika. I Jerosalema vaovao no toerana hialantsika sasatra. Tsy hisy alahelo intsony ao amin'ny Tanànan' Andriamanitra. Tsy hisy tomany noho ny alahelo intsony. Tsy ho re any intsony ny hiram-pisaonana noho ny fanantenana raya sy ny fandevenana havan-tiana.— DG, tt. 223, 224. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal