"Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin 'ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin 'ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao." - Apôk. 2:4,5.
Mofon’aina:
Izay rehetra mandre ny Filazantsaran'ny fahasoavana . miantso azy ho amin'ny fi bebahana, nefa tsy miraharaha izany, hoy ny Tompo, dia meloka Iavitra noho ny olona nonina tao amin' ireo tanàna sy vohitr'i Jordana. Ratsy lehibe lavitra, sady tsy azom-panafana, no vitan'ireo olona milaza azy ho mahalala an'Andriamanitra sy mitandrina ny didiny, nefa manda izany amin'ny toetrany sy ny fiainany andavanandro. Ny filazalazana nataon'i Jesosy momba ny nanjo an'i Sodoma dia mirakitra fampiomanana lehibe sady hentitra, tsy ho an'izay mahavita fahotana mahavoafady ihany fa ho an'izay rehetra manao tsinontsinona ny antson' Andri aman itra koa.
( ...) Manoatra lavitra noho ny tangorahan'ny Mpamonjy ireo izay andrasany harnaly ny antsom-pitiavany ny famelan-keloka atolony. Amin'ny feo feno fitarainana no ilazany amin' ilay zanaka adala hoe: "Miverena Arniko (...) dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho"- Zak. 1:3. Kanefa, raha mandà ihany tsy hihaino ny feo mamelovelo izay miantso azy ny ondry very, dia ho very any amin'ny maizina izy amin'ny farany.
Rehefa ela ny ela dia hihamafy ny fon'izay mandà ny fahasoa-van'Andriamanitra, ka amin'ny farany izy dia tsy hiraika intsony amin'ny fitiavan'ny lanitra. Loza mahatsiravina no miandry izay rehetra itenenan'ny Tompo hoe: "Tafaraikitra amin'ny sarnpy Efraima; aoka izy ho eo"- Hôs. 4:17. (...)
He! hianareo rehetra izay mihodina tsy hanaiky ny famindram-pon'Andriamanitra, moa tsy tianareo ve ny misaina ny momba ireo fiampangana anareo miavovona any an-danitra? Tsarovy fa voasoratra any avokoa ny faharatsian'ny olona tsirairay avy, ny fahasimban'ny fianakaviana ary ny fahadisoan'ny firenena. Raha mbola misokatra ny bokin'ny lanitra dia manolotra famelana ho anareo Andriamanitra (...) Eny, mahari-po aminareo Izy, nefa ho avy ny andro izay hamaranana ny fitsarana, ka izay ho anjaranareo (...) dia ho voafetra mandrakizay. Dia amin'izay vao hatomboka ny famaliana. – PM, tt. 147,148.