Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hafatra ho an'ny zanaka.

Daty
Talata 28 July 2026

"Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. Manaja ny ray sy ny reninao fa izany no didy voalohany misy teny fikasana." - Efes. 6:1,2.

Mofon’aina:
Ny zanaka dia anarin'ny Apôstôly mba hankatò ny ray aman-dreniny ao amin'ny Tompo, ho tia manampy sy mora alahatra. Izay tena tia an'Andriamanitra dia tsy hiziriziry amin'ny heviny manokana ka tsy hahasambatra ny tenany sy ny hafa. Hiezaka haneho an'i Kristy eo amin'ny toetrany izy ireo. Mahafinaritra ny mieritreritra fa ireo tanora izay miady amin'ny fahotana, mino, miambina eo am-piandrasana ny fiavian'ny Kristy, manaiky ny fahefan'ny ray aman-dreny, ary tia an'i Jesôsy Tompo, dia ho isan'izay tia ny fisehoany sy hitsena Azy amin'ny fiadanana.

Hijoro tsy misy pentimpentina na fiketronana eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ireo, ary hiditra amin'ny fifaliany mandrakizay. Namolavola toetra mahate ho tia izy ireo; niambina ny vavany; tsy niteny lainga; nitandrina ny fihetsiny mba tsy hanao ratsy na inona na inona, ary nosatrohina ny satroboninahitra fiainana mandrakizay. – Ms, 67, 1909.

Tombontsoan'ny ray aman-dreny ny mitondra ny zanany miaraka aminy eo am-bavahadin'ny tananan'Andriamanitra, ka manao hoe: "Niezaka nampianatra ny zanako ho tia an'i Jehovah, hanao ny sitrapony, ary hanome voninahitra Azy aho." Ho an'ny toy izany, dia hovohana midanadana ny vavahady, ka hiditra ny ray aman-dreny sy ny zanany. (...)

Ny ankohonana tsirairay ho tafiditra ao an-tananan'Andriamanitra dia tsy maintsy ho mpiasa nahatoky tao an-tokantranony, tety an-tany, nahatanteraka ny andraikitra napetrak' i Kristy taminy. Rehefa any, dia hitondra ny vahoakany ho eo amin'ny hazon'aina i Kristy, ilay Mpampianatra any an-danitra, ary hanazava aminy ireo fahamarinana izay tsy takany teto amin'ity fiainana ity. Hahazo fanabeazana ambony lavitra sy amin'ny fahafenoany ny vahoakany mandritra izany fiainana ho avy izany. 

Hosatrohina satroboninahitra volamena ny Iohan'izay miditra ao an-tananan'Andriamanitra. Tsy tokony hisy amintsika tsy ho tafiditra ao ka tsy hahita izany fifaliana lehibe izany. Hatsipin tsika eo an-tongotr'i Jesosy ny satroboninahitsika, ary hanome voninahitra sy hidera ny anarany masina hatrany isika. (...)

Fiainana mandrakizay ao an-tananan'Andriamanitra no valisoan'ny fankatoavana ao amin'ny fiainan-tokantrano. – RH, 28 Oktobra 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal