"Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao."- 1 tant. 29:14
Mofon'aina:
Treo izay miaina eto an-tany dia tokony hikambana amin'ireo marobe any an-danitra amin'ny fanomezana ny voninahitra sy ny fiderana rehetra ho an'ny Mpamorona. Tsy misy olona tokony hirehareha na hanandra-tena (...). Miasa tsy miato Andriamanitra mba hanarenana ny tsy fahatanterahan'ny olombelona. Na ny fibebahana aza dia vokatry ny fahasoavana. (...) Tsy tokony hisy handraisantsika dera izay rehetra ataontsika. (...) Ny finoana koa dia fanomezana avy amin'Andriamanitra. Ny finoana dia faneken'ny sain' olombelona ny tenin'Andriamanitra, izany no mampifamatotra ny fo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Ary an'iza moa ny fahatakaran'olombelona, moa ye tsy an'Andriamanitra? An'iza ny fo, moa tsy Azy koa? Ny hoe manam-pinoana dia mamerina amin'Andriamanitra ny saina sy ny hery izay noraisintsika avy Aminy. Araka izany, izay mampiasa finoana dia tsy tokony handray dera noho ny amin'izany na dia kely aza. Ireo izay manam-pinoana lehibe fa misy Ray any an-danitra azony itokiana amin'ny toky tsy misy fetra (...) dia tokony hanao izao fiaikena izao eo anatrehan'ny Mpanao azy: "Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin 'ny Anao ihany no nanomezanay Anao." (...) Ny fahaiza-manao nomen'ny lanitra dia tsy tokony hampiasaina ho amin'ny tombontsoan'ny tena manokana. Ny hery rehetra, ny fanomezana rehetra, dia talenta tokony hampitomboana ny voninahitr 'Andriamanitra ka ampiasaina ho amin'ny fanompoana Azy. (...) Aoka tsy hisy olona hitady hanandra-tena amin'ny firesahana momba ny asa vitany, na hanindrahindra ny fahaizany sy ny fahalalany ka hamboly fireharehana. (...) Tsy mba niseho ho matoky tena na nanandra-tena i Kristy. Izay notoloran'Andriarnanitra fano-mezam-pahasoavana manokana dia tokony hamerina izay noraisiny ao amin'ny trano firaketan'ny Tompo, hozarainy amin'ny hafa amim-pahalalahan-tanana amin'izany ny soa avy amin'ireo fitahiana noraisiny. Izany no hanomezam-boninahitra sy hanajana an'Andriamanitra.- The Review and Herald, 1 Desambra 1904.