"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
«Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.» - Isa. 13:12.
Mofon’aina:
Raha nety ny nataon'i Davida tamin'ny nampitoneny ny anoanany ka nihinanany ny mofo izay efa natokana ho amin'ny zavatra masina, dia nety koa ny nataon'ny mpianatra tamin'ny nakany izay nilainy ka niotazany vary tamin'ny ora masin'ny Sabata. Ankoatra izany, ny mpisorona dia nanao asa lehibe tao amin'ny tempoly tamin'ny Sabata mihoatra noho ny tamin'ny andro hafa. Ho fahotana ny asa toy izany raha eo amin'ny asa aman-draharaha ara-nofo, fa ny asan'ny mpisorona kosa dia ao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Nanatanteraka ny asany izay nirindra tamin'ny zava-kendren'ny Sabata izy, i Kristy mihitsy anefa izao no tonga. Tamin'ny fanaovany ny asan'i Kristy dia niditra teo amin'ny asan'Andriamanitra ny mpianatra, ary izay ilaina hanatanterahana io asa io, dia mety ny manao izany amin'ny andro Sabata.
Tian'i Kristy hampianarina ny mpianany sy ny fahavalony fa ny fanompoana an'Andriamanitra no voalohany amin'ny zavatra rehetra. Ny zava-kendren'ny asan'Andriamanitra eto amin'ity izao tontolo izao ity dia ny fanavotana ny olona; noho izany, izay ilaina hatao amin'ny andro Sabata ho fanatanterahana io asa io, dia mifanaraka amin'ny lalana momba ny Sabata. Rehefa izany dia nofaranan'i Jesosy ny fonjan-kevitra nentiny tamin'ny fanambarana ny tenany ho «Tompon'ny Sabata» - dia Ilay ambonin'ny fanontaniana rehetra sy ambonin'ny lalana rehetra. Nanafaka ny fanamelohana ny mpianatra io Mpitsara tsy voafetra io, ka ny didy indrindra izay niampangana azy ho nodikainy no nentina nanamarina azy.
Sabata iray hafa, raha niditra tao amin'ny sinagoga i Jesosy, dia nahita lehilahy efa mama ny tanany. Nanara-maso Azy ny Fariseo, liana fatratra hahita izay hataony. (...) Nobaikoin'i Jesosy hitsangana ilay lehilahy mahantra, dia nanontany Izy hoe: «Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty?» Fombam-pitenenana teo amin'ny Jiosy ny hoe ny tsy fanaovana ny soa, rehefa misy fotoana mety hanaovana izany, dia fanaovana ratsy: ary ny fanaovana an-tsirambina ny famonjena aina dia famonoana olona. Noho izany dia teo amin'ny toerana nisy azy ihany no nifanoheran'i Jesosy taminy. (...) — IFM, tt. 222,223.
Hita manerana ny Testamenta Taloha ny kerobima, na amin'ny maha-voary velona azy (Ezek. 10:8) na ireo Gen. 27 sary volamena maneho azy ireo (Eks. 25:18). Matetika no anehoana azy ireo mijoro eo anilan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, maneho ny famirapiratan'ny voninahitr Andriamanitra amin'izao rehetra izao. Natao soratry ny ambainy manoloana ny Efitra masina indrindra ny kerôbima (Eks. 26:1). Ao amin'ny bokin'ny Salamo dia amin'ny endrika kanto no anehoana an-tsary ny fahefana lehibe ananan'Andriamanitra manoloana ny voary manontolo ka ny kerôbima no notaingenany nanidina teo amin'ny rivotra (Sal. 18:10). Nanome baiko koa Andriamanitra ny hanasiana kerôbima roa vita amin'ny volamena eo ambonin'ny fiaran'ny fanekena, ary ny elany dia mivelatra sy mifanendry (Eks. 25:18-20).
Vakio ny Ezek. 1:4-14. Inona ny fitoviana hitanao eo amin'ireo andalan-teny ireo sy ny toe-javatra resahina ao amin'ny Isa. 6:1-6 sy ny Apok. 4:1-11?
Fanehoana mahatalanjona ny fahefan'Andriamanitra no natao tamin'i Ezekiela. Toe-javatra mahavery hevitra tahaka izay natrehin'ireo vahoakan'Andriamanitra velona tamin'izany andro izany no hitany: tsy ao amin'ny tany nampanantenaina ilay vahoaka voafidy fa babo tany Babilona. Rehefa nandinika ny toe-javatra naseho teo anoloany i Ezekiela dia niandrandra ary nahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra teo ambonin'izany rehetra izany.
Mariho ny fitoviana manan-danja hita eo amin'izany sy ireo fahitana hafa momba ny "seza fiandrianana." Mitovy amin'ny endriky ny zava-manana aina tao anatin'ny fahitana nomena an'i Jaona ny endrik'ireo zava-manana aina hitan'i Ezekiela: liona, voromahery, zanak'omby ary olona.
Tsy nomena anarana manokana ireo zava-manana aina saro-pantarina izay nanana endrika efatra ao amin'ny fanoritsoritana voalohany nataon'i Ezekiela. Ao amin'ny toe-javatra hafa miresaka momba ny seza fiandrianana kosa (jereo ny Ezek. 10:1-21), dia antsoina hoe "kerôbima" izy ireo. Hitantsika koa ny vainafo mirehitra ao amin'ny fahitana nomena an'i Isaia momba ireo serafima izay mitovy amin'ny endriky ny zava-manana aina voalaza ao amin'ny fahitana nomena an'i Jaona.
Isaky ny mahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra isika - na eo amin'ny fiaran'ny fanekena izay toerana nihaonan'Andriamanitra tamin'i Mosesy izany (Eks. 25:22) na ao amin'ireo fahitana mahatalanjona nomena ireo mpaminany - dia eo mandrakariva ny kerôbima. Manana fifandraisana ety amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ireo. Natao haneho ny voninahitr'Andriamanitra ireo voary rehetra noforoniny - na ny olombelona izay noforonina araka ny endriny izany na ireo anjely izay nomena toerana akaikin'ny seza fiandrianany be voninahitra.
"Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha." Manao ahoana ny toerana misy anao eo anatrehan'ny fahamasinana atrehin'i Ezekiela eto? Inona no ambaran'ny valinteninao momba ny filanao ny filazantsara?