"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
"Dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy."- 2 Kor. 10:33
Mofon’aina:
Fon'olona maro no itoeran'ny fitiavan-tena izay miraikitra aminy toy ny habokana. (...) Ny eritreriny sy ny drafiny ary ny ezaka ataony dia ho an'ny tenany ihany. (...) Tokony ho tsapany sy horeseny izany fitiavan-tena izany, satria fahotana lehibe eo imason'Andriamanitra. Ilain'ireny fanahy ireny ny haneho fahalianana bebe kokoa amin'ny taranak'olombelona, amin'izany no hampanakaikezany ny fony amin'i Kristy ka ho vonton'ny Fanahiny izy ireo. Hifikitra mafy amin'i Kristy izy ka tsy hisy na inona na inona hahasaraka azy amin'ny Fitiavany.- RH, 13 Jolay 1886.
Ny olona manana fanandramana tsy mahatsiriritra indrindra dia izay manidy ny fangorahany ao am-pony ihany. Ireo izay mandray mba hizara no mahazo ny tsara indrindra eo amin'ny fiainana sy mahatsapa fifaliana tena izy. Mahatsapa fahabangana mandrakariva ireo izay tsy miaina afa-tsy ho an'ny tenany, satria tsy mba mety afa-po. Tsy toetra kristianina ny tsy fanehoana fangorahana sy firaisam-po. Tokony hitondra fahazavana sy fitahiana eo amin'ny fiainan'ny hafa isika. Nifidy antsika Andriamanitra, ho fantsona hampita ny fitahiany amin'ny hafa.-Ms, 99, 1902.
Ho avy ny andro izay hampivembena ny tany ka ho voahetsika tahaka ny trano rantsan-kazo izy. Kanefa ny eritreritry ny mpanompon'Andriamanitra sy ny fikasany ary ny asany, na dia tsy hita ankehitriny aza, dia hiseho amin'ilay andro lehibe fitsarana sy famalian-tsoa. Ireo zavatra hadino ankehitriny dia hijoro ho vavolombelona, na hanamarina na hanameloka.
Tsy very na oviana na oviana ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy ary ny fahafoizan-tena. Rehefa hovana hitafy tsy fahafatesana ireo voafidin'Andriamanitra, dia haseho miharihary ny teny sy ny asa tsara nataon'izy ireo, ary hotehirizina mandritra ny mandrakizay. Tsy misy asa fanompoana tsy mitady valiny, na dia kely sy tsotra aza, ho very. Amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy izay omena antsika no hitehirizana mandrakizay ny hanitry ny teny sy ny asa toy izany.- RH, 10 Marsa 1904.
Nianarantsika hatreto fa ny fitiavana dia mahari-po, mora fanahy, feno fifaliana, mandefitra, mino, manantena, ary maharitra (na miaritra) satria i Jesosy dia izany rehetra izany. Rehefa hitantsika ao amin'i Jesosy ireo toetra ireo, ny dingana manaraka dia ny hanahaka Azy. Izany no fanirian'i Paoly ho an'ny Korintiana. Kanefa, raha esorintsika ny teny hoe "tsy" ao amin'ireo toetra valo momba ny tsy atao hoe fitiavana, «dia mahazo sary mazava ny amin'ny fitondrantenan'ny Korintianina tao anatin'ny fiangonana isika: mialona, mirehareha, mieboebo, manao izay tsy mahamendrika, mitady ny azy ihany, mora sosotra, ary mitsongoloka ny fahadisoan'ny hafa. Nampifanarahan'i Paoly tamin'ny toe-javatra nisy ireo Korinto ireo matoanteny nampiasainy eto.>> - Verlyn Verlyn D. Verbrugge, "1 Corinthians," in The Expositor's Bible Commentary: Romans-Galatians, t. 372.
Maro no mbola tokony hianaran'ny Korintianina. Tahaka izany koa isika. Rehefa avy nilazalaza izay ataon'ny fitiavana sy izay tsy ataony i Paoly, dia namarana io fizarana io tamin'ny fanasongadinana ny maha-mandrakizay ny fitiavana mba handrisihana ny fanehoana ny fitiavana marina.
Indray andro any, tsy hilaina intsony ny faminaniana; fiteny iray ihany no hifampiresahantsika; ary ny fahalalan'olombelona izay tsy tanteraka dia hosoloana fahalalana vaovao tanteraka an'Andriamanitra (1 Kor. 13:12). Hitsahatra ny fanomezam-pahasoavana rehefa ho tratra ny tanjona nampisy azy (1 Kor. 13:10). Fa «ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay»! - 1 Kor. 13:8.
Toy izany koa rehefa miverina i Kristy; hisolo toerana ny finoana ny fahitana (2 Kor. 5:7), ary ho tonga zava-misy izay nantenaintsika hatry ny ela (Rôm. 8:24). Ary ny zava-dehibe indrindra, haharitra ny fitiavana, izay marika famantarana ny toetran'Andriamanitsika Telo Izay Iray. Kanefa, amin'ny heviny iray, dia haharitra mandrakizay koa ny finoana sy ny fanantenana. Ny finoana amin'ny maha-fanandramana ny famonjena azy (Rôm. 4:3), sy ny fanantenana amin'ny maha-faniriana sy fiandrasana ny fifaliana sy fahalalana vaovao any amin'ny tany vaovao, dia hanamarika mandrakizay ny fiainan'ireo voavotra. Kanefa ny fitiavana, dia ny fitiavan'Andriamanitra, no tena hanjaka mandrakizay.
Tsy ho ela dia hahita ny Tompontsika mifanatrika isika (1 Kor. 13:12). Mandra-pahatongan'izany andro izany, dia ireto telo ireto no tokony hamolavola ny fiainantsika: finoana, fanantenana, ary fitiavana. Maneho ny fahafenoan'ny fiainana kristianina amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ireo telo ireo. Izany no antony niresahana izany matetika teo anivon'ny Kristianina (Rôm. 5:1-5; Gal. 5:5,6; Efes. 1:15,18; 4:1-5). Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin'ireo; io rahateo no hany toetra tsara mamaritra ny maha-Izy an'Andriamanitra mihitsy (1 Jao. 4:8).
Saintsaino ny hoe "Andriamanitra dia fitiavana". Ahoana no tokony hahatakarantsika ny tena hevitr'izany? Na dia ampahany ihany aza no mety ho takatsika amin'izany hevitra izany, nahoana io andalan-teny io no vaovao mahafaly ho antsika?