"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
"Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy." - Mat. 16:24.
Mofon’aina:
Ny toriteny sarotra atao sy sarotra ampiharina indrindra dia momba ny fandavan-tena. Ny mpanota fatra-pitia harena, ny "izaho", dia manakatom-baravarana tsy manao ny soa tokony ho vitany, izay tsy vita satria lany ho an'ny tanjona feno fitiavan-tena ny vola. Mety tsy hanana fahafahana hanao zava-dehibe mihitsy isika; mety tsy hotakina haneho fahafoizan-tena faratampony mihitsy isika. Nefa ny fandresena lehibe indrindra mety ho azontsika dia ny fanarahana an'i Jesosy. (...) Feno fandavan-tena ny fiainan' i Kristy manontolo teto an-tany. Raha te hanaraka Azy eo amin'ny lalan-tsarotry ny fandavan-tena isika (...) dia tsy maintsy hita eo amin'ny asa sy ny fiainantsika andavanandro izany fandavan-tena izany. (...)
Ny fahazoana vola sy tombony amin'ny fomba rehetra no fomba fiasan' izao tontolo izao, ny fanangonan-karena eto an-tany (...). Ny tanjona sy ny zava-kendren'ny mpanara-dia an'i Jesosy Kristy Tompontsika kosa dia ny ho tahaka Azy amin'ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena. Ny harena mandrakizay, izay mety ho azony amin'ny alalan'ny fahafoizana ny haren'ny tany, no banjininy mandrakariva. Izao no fepetra: izay tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy azo ekena ho mpianany. (...)
«Mahasambatra ny manome noho ny mandray» - Asa. 20:35. (...) Ny fandavan-tena no hitondra ao an-trano firaketan'Andriamanitra ny hoenti-manana ilaina hampandrosoana ny asany. Toy izany no iarahantsika miasa amin'i Kristy. Mino ny mpanara-dia an'i Kristy fa ny famerenany amin'ny Tompo ny Azy no andraisan'izy ireo fitahiana; satria mamory harena any an-danitra izy, izay homena azy rehefa holazaina aminy hoe: «Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; midira amin'ny fifalian 'ny tomponao » -Mat. 25:23. Inona izany fifaliana izany? «Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin>ny ankavanan>ny .seza fiandrianan>Andriamanitra Izy.» - Heb. 12:2. Ny fifaliana mahita fanahy voavotra, fanahy voavonjy mandrakizay, no tombontsoan'ireo izay nandresy ny zava-tsarotra mba hahazoany manaraka ny dian'Ilay niteny hoe: «Manaraha Ahy.» - L, 52, 1897.
Inona no lazain'ny 1 Kôr. 14:3, Efes. 4:11-13, ary ny Apôk. 22:6 amintsika momba ny anjara asan'ireo mpaminany ao amin'ny TV?
Ireo andininy ireo, na dia manampy ny fahatakarantsika aza, dia tsy ahitantsika amin'ny fahafenoany ny asa rehetra nataon'ireo mpaminany ao amin'ny TV. Ny ankamaroan'ny zavatra nataon'izy ireo kosa dia maneho taratra izay efa nataon'ireo mpaminany ao amin'ny TT ihany, ka mahatonga fitohizana eo amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana.
Tanisaina miaraka amin'ireo fanomezam-pahasoavana hafa ny faminaniana ao amin'ny 1 Kôr. 12:10. Ao amin'ilay sary an'ohatra momba ny tenan'i Kristy (1 Kôr. 12:27,28), ny mpaminany dia tononina aorian'ny apostoly, izay nandray fanambarana avy amin'Andriamanitra koa. Araka ny 1 Kôr. 14:3: "izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana."
Ny Efes. 4:11-13 dia mitanisa fanomezam-pahasoavana mitovitovy amin'izany koa, tahaka ny ao amin'ny 1 Kôr. 12. Tononina miaraka amin'ny Apôstôly, ny evanjelista, ny mpiandry ary ny mpampianatra, ny mpaminany (Efes. 4:11). Ny antom-pisian'ireo olona ireo dia "ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy." - Efes. 4:12,13. Araka ny hita eto sy any an-kafa dia i Jesôsy no ivon'ny hafatr'izy ireo.
Miresaka momba ny mpaminany roa lahy, Joda sy Silasy (tsy nanoratra boky ao amin'ny Baiboly izy ireo), ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly, izay "namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy" - Asa. 15:32. Marina fa tsy maintsy manao fampitandremana, indraindray hentitra, ny mpaminany, nefa — arakaraka ny toe-javatra — dia manao teny fampaherezana koa izy ireo, indrindra ao anatin'ny fitsapana, teny izay azo antoka fa nankasitrahan'ireo izay nila fatratra ny nandre izany, mbamin'ny fanantenana sy ny teny fikasana voarakitra ao anatiny.
Voaresaka ao anatin'ny tontolon-kevitry ny faminaniana koa ny fampirisihana (1 Kôr. 14:31). Loharanon'ny faherezana sy fanantenana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana ao anatin'ny fotoan-tsarotra sy ny fanenjehana.
"Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany" no anoritsoritana an'i Jesôsy ao amin'ny Apôk. 22:6, ary "mahatoky sady marina" ny teniny. Mazava loatra, na inona na inona avy amin'ny mpanompon'Andriamanitra, rehefa miteny amin'ny anaran'Andriamanitra izy ireo, dia ho "mahatoky sady marina" koa izany. Ao anatin'ity tontolo izay tsy misy na inona na inona firy azo itokiana ity, dia mahazo matoky tokoa izay lazain'ireo mpaminanin'i Jehôvah isika, indrindra izay voalaza ao amin'ny Teniny, izay fahefana faratampony ho antsika.