Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)
  • French
  • Malagasy
  • English

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Tonga Soa, Bienvenue, Welcome

Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy

Fiambenana maraina - Alakamisy 17 October 2024

 "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39. 

Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.

Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.

Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...). 

Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191. 

Mazava sy mamiratra

Fiambenana maraina - Alarobia 30 October 2024

 "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17. 

Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.

Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)

Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.

Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)

Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)

Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372. 

LESONA 7: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.

Annonce

Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.

Lesona sekoly sabata - Zoma 04 September 2026

"Noraisina tamim-pankasitrahana ny hafatra ", VM, toko faha-31.

Novakintsika tamin'ny herinandro ny lahatsoratra ao amin'ny toko voalaza etsy ambony ao amin'ny amin'ny boky boky "Vavolombelona Mahery." Mahasoa ny mamerina mamaky izany. Amin'ity indray m mitoraka ity kosa, dia ifantohy bebe kokoa ireo ampahan-dahatsoratra miresaka momba ny epistily fananarana izay nosoratan'i Paoly, ny fihetsehampony fony nanoratra izany ary ny fifaliany noho ny fandrenesana ny vaovao tsara mikasika ny fibebahana vokatry ny fo nataon ireo izay nandefasany izany taratasy izany. Rehefa izay, dia saintsaino izay ambaran'izany amintsika momba ny fanompoana vokatry ny fo nataon'i Paoly sy ny lesona azontsika ampiharina eo amin'ny asa ataontsika ho an'í Kristy.

"Isika dia tokony haneho amin'izao rehetra izao, amin'ny tontolo lavo sy ny tontolo tsy lavo, fa misy famelan-keloka ao amin'Andriamanitra, ary koa amin'ny alalan'ny fitiavana an'Andriamanitra no hampihavanana antsika Aminy. Mibebaka ny olona, torotoro ny fony, ary mino izy fa i Kristy no fanati-panavotana ho azy, ka tsapany fa mihavana Aminy Andriamanitra."- Special Testimonies on Education, t. 223.

"Nandray fahazavana lehibe isika fiangonana. Fahazavana izay nankinin' Andriamanitra amintsika mba hitondra soa sy fitahiana ho an'izao tontolo izao izany. Isika no nomena ny fanompoana fampihavanana, ary amin'ny alalan'ny hery avy any an-danitra no tokony hitalahoantsika amin'ny olona mba hihavana amin'Andriamanitra."- L 32, 1903.

amin'ny Rehefa nampihavanina tamin'Andriamanitra ny olona dia tsy maintsy mitady fahamasinana. Mamelabelatra ny 2 Kor. 7:1 i Ellen G. White ka milaza ankolaka ny hevitra tian'i Paoly hambara amin'ny hoe "hahatanteraka ny fahamasinana a amin'ny an fahatahorana an'Andriamanitra."- 2 Kor. 7:1. Ambarany fa nitady izay hanampiana ireo vao niofa i Paoly mba "ho tonga kristiana manam-pitokisana, mitombo, matanja-pinoana, mafana manolo-tena tanteraka ho an'Andriamanitra sy ho an'ny asa fampandrosoana ny fo ary manolo-ten fanjakany."- VM, t. 179.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Antsoin'i Paoly hoe "vilany tany" izay mitahiry ny harena miafin'ny filazantsara İsika (2 Kor. 4:7). Ahoana no hahatonga ny toetry ny olombelona - malemy sy marefo ary voafetra-hanamafy ny fitoriana ny filazantsara fa tsy hanakana izany?

2. Midika inona ny hoe "olom-baovao"- 2 Kor.5:17? Inona no fiantraikan'izany eo amin'ny fiainantsika andavanandro? Ahoana no nanovan'i Kristy anao ho olom-baovao?

3. Mitanisa fahoriana maro noho ny amin'ny filazantsara i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 6:4, 5. Inona no nasetriny ireo fahoriany ireo (jereo ny 2 Kor. 6:6, 7)? Ahoana no anampian'izany anao manoloana ny fahoriana atrehinao?

4. Mampifanohitra ny alahelo araka an'Andriamanitra sy ny alahelo araka izao tontolo izao i Paoly (2 Kor. 7:10). Ahoana kosa no hanoritsoritanao ny alahelo araka an'Andriamanitra sy ny alahelon'izao tontolo izao?

Miala amin'ny faritanin'i Satana.

Fiambenana maraina - Zoma 04 September 2026

 "Anaka, raha taomin'ny mpanota hianao, aza manaiky. " - Ohab. 1:10. 
Mofon’aina:
Tsy azontsika atao ny mametraka ny tenantsika ao anaty faritanin'ny fahavalo. Eto isika noho ny fizahan-toetra. Tsy azontsika atao ny manao ny devoly mpaka fanahy ho toy ny tsy misy. Misy fakam-panahy tonga amintsika tokoa, ary tsy azontsika atao ny manaiky ho lavon'izany kanefa tsy hampidi-doza ny fanahintsika. Ilaintsika ny mahafantatra raha eo amin'ny lalana azo antoka tokoa ny tongotsika.

Ianareo izay mikambana amin'ny tsy mpankatò sy tia izao tontolo izao, henoy izao antso izao: "Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehôvah . Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, aty hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehôvah Tsitoha" - 2 Kor. 6:17,18. (...) 

Rehefa mankany amin'izay misy fahotana ianao, ka mankao amin'ny faritanin'ny fahavalo, dia tonga eo amin'ny toerana izay tsy hiarovan'ireo anjelin'Andriamanitra anao amin'ny fitaoman-dratsy. Tokony ho fantatsika fa eo anilantsika mandrakariva i Kristy. Aoka hatoky Azy tanteraka isika. (...) Inona no azonao antenaina amin'ny olombelona izay tsy eo ambany fifehezan'ny herin'Andriamanitra? Tsy mahalala Azy izao tontolo izao ankehitriny. Mazava sy miavaka tsara ny tsipika mampisaraka ireo izay mitandrina ny didiny sy ireo izay tsy manao izany. Tsy haintsika ny sady manompo an' izao tontolo no manao izay ankasitrahan'Andriamanitra. (...)

Maro ny olona toa malahelo noho ny fivavahany. Tsy tokony hiala tsiny amin'izao tontolo izao isika satria hoe Kristianina. Amin'i Jesôsy Kristy irery ihany no hifonako, satria tsy tanteraka ao Aminy aho. (...) Raha tia an'i Jesôsy isika, dia ho tonga mpandova an'Andriamanitra, ary ny Ray ho tia antsika tahaka ny itiavany an'i Jesôsy Kristy Zanany. Isan'ny ankohonan'ny mpanjaka isika, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. (...)

Ny fankatoavany ny Rainy sy ny fitandremany ny lalany toy ny anakandriamasony no tena fahambonian'i Kristy. Aoka hisy akony amin'ny toetrantsika izany. (...)Andeha isika hanandratra an'i Jesôsy. Andeha hatolotsika Azy ny fanompoana tsara indrindra avy amin'ny fontsika, ary Izy hilaza hoe: Ekeko eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ireo anjeliny ianao. Ms, 14, 1903,

Miala amin'ny faritanin'i Satana

Fiambenana maraina - Zoma 04 September 2026

"Anaka, raha taomin'ny mpanota hianao, aza manaiky. " - Ohab. 1:10.

Mofon’aina:
Tsy azontsika atao ny mametraka ny tenantsika ao anaty faritanin'ny fahavalo. Eto isika noho ny fizahan-toetra. Tsy azontsika atao ny manao ny devoly mpaka fanahy ho toy ny tsy misy. Misy fakam-panahy tonga amintsika tokoa, ary tsy azontsika atao ny manaiky ho lavon'izany kanefa tsy hampidi-doza ny fanahintsika. Ilaintsika ny mahafantatra raha eo amin'ny lalana azo antoka tokoa ny tongotsika.

Ianareo izay mikambana amin'ny tsy mpankatò sy tia izao tontolo izao, henoy izao antso izao: « Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehovah. Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha» - 2 Kor. 6:17,18. (...)

Rehefa mankany amin'izay misy fahotana ianao, ka mankao amin'ny faritanin'ny fahavalo, dia tonga eo amin'ny toerana izay tsy hiarovan'ireo anjelin'Andriamanitra anao amin'ny fitaoman-dratsy. Tokony ho fantatsika fa eo anilantsika mandrakariva i Kristy. Aoka hatoky Azy tanteraka isika. (...) Inona no azonao antenaina amin'ny olombelona izay tsy eo ambany fifehezan'ny herin'Andriamanitra? Tsy mahalala Azy izao tontolo izao ankehitriny. Mazava sy miavaka tsara ny tsipika mampisaraka ireo izay mitandrina ny didiny sy ireo izay tsy manao izany. Tsy haintsika ny sady manompo an' izao tontolo no manao izay ankasitrahan'Andriamanitra. (...)

Maro ny olona toa malahelo noho ny fivavahany. Tsy tokony hiala tsiny amin'izao tontolo izao isika satria hoe Kristianina. Amin'i Jesosy Kristy irery ihany no hifonako, satria tsy tanteraka ao Aminy aho. (...) Raha tia an'i Jesosy isika, dia ho tonga mpandova an'Andriamanitra, ary ny Ray ho tia antsika tahaka ny itiavany an'i Jesosy Kristy Zanany. Isan'ny ankohonan'ny mpanjaka isika, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. (...)

Ny fankatoavany ny Rainy sy ny fitandremany ny lalany toy ny anakandriamasony no tena fahambonian'i Kristy. Aoka hisy akony amin'ny toetrantsika izany. (...)Andeha isika hanandratra an'i Jesosy. Andeha hatolotsika Azy ny fanompoana tsara indrindra avy amin'ny fontsika, ary Izy hilaza hoe: Ekeko eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ireo anjeliny ianao. Ms, 14, 1903,

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal