Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA

Daty
Sabotsy 30 March 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro : Apôk. 12:7-9; Ezek. 28:12-15; Isa. 14:12-14; Gen. 3:15; Jao. 17:24-26.

Tsianjery : « Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. » – Apôk. 12:7,8.

FAMPIDIRANA

Raha tena tsara Andriamanitra, nahoana izao tontolo izao no dia ratsy toy izao? Nahoana Andriamanitra fitiavana no mamela ny hisian’ny ratsy marobe? Nahoana no misy zava-dratsy mianjady amin’ny olona tsara? Amin’ity herinandro ity isika dia handinika ilay ady ela nifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. Atombontsika amin’ny fikomian’i Losifera tany an-danitra izany, ka hodinihintsika ny niandohan’ny ratsy sy ny fahari-pon'Andriamanitra manoloana ny olan’ny fahotana.

Andriamanitra manana fitiavana mahatalanjona Andriamanitra. Fitiavana mihitsy no maha-lzy Azy (1 Jao. 4:7,8). Ny asany rehetra dia fanehoam-pitiavana (Jer. 31:3). Tsy azo terena na didiana na oviana na oviana ny fitiavana. Nilaza izany mazava i Ellen G. White raha nanoratra hoe: “Ny fitiavana ihany no mamoha ny fitiavana.” – IFM, t. 12. Raha lavina ny fahafaha-misafidy dia rava ny fahafahana mitia, ary raha rava ny fahafahana mitia dia foana ny fahafahana manana fahasambarana marina. Ny fitiavan’Andriamanitra no itaomany antsika hanompo sy hankatô Azy. Ao amin’ilay fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy dia ataon’Andriamanitra izay tsy hisehoan'ny ota intsony mandrakizay eo amin’izao tontolo àry rehetra izao. Ny tanjon’Andriamanitra dia ny haneho amin’izao tontolo àry rehetra izao fa nanao izay mahasoa indrindra ny voariny mandrakariva Izy. Manome toky antsika tsirairay ny fijerena izao tontolo izao amin’ny solomasom-pitiavan'Andriamanitra, araka ny fisehon'ilay fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy, fa handresy ny ratsy ny tsara ary ho mandrakizay izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal