Nohariana mba hanakaiky an'Andriamanitra isika (Gen. 2:7). Hatramin'ny fotoana namoronany ny olombelona dia nanome ny zava-drehetra Andriamanitra mba hamerenana amin'ny laoniny ny fifandraisantsika Aminy izay tapaka (Jao. 3:16). Napetrany tao am-pontsika ny mandrakizay, nefa tsy takatry sain'olombeiona izay nataon'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany (Mpitt. 3:11). Voafaokan'ilay fifanandrinana lehibe izay miseho manodidina antsika isika, eny ao anatintsika koa aza, nefa matetika loatra isika no tsy miato kely akory mba handinika ny vidiny lehibe efa naloa mba hamerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana tian'Andriamanitra hifandraisana amintsika. Matetika loatra isika no variana amin'ny tolona sy ny fitsapana eto an-tany ka manadino fa "ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesôsy Kristy Tempo, izay hanova nytenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiasan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy." - Fil. 3:20, 21.
Raha mihamanakaiky ny fiafaran'izao tontolo izao, dia fantatsika fa hisy rahona kely mainty hiseho eny amin'ny lanitra atsinanana indray andro any. Rehefa mihamanatona izany, dia ho hitantsika fa eo ambonin'io rahona io no hipetrahan'flay "tahaka ny Zanak'olona (...) Izay nisatroka satroboninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tanany." - Apôk. 14:14. Harahin'ny anjely an'arivony maro i Jesôsy (Mat. 25:31), ary ny maso rehetra hahita Azy (Apôk. 1:7). Rehefa midina Izy dia handre ny fiantsoany mafy isika, ny feon'ny trompetran'Andriamanitra, ary hisokatra ny fasana misy ireo izay nodimandry tao amin'i Kristy ka izy ireo no hitsangana aloha (1 Tes. 4:16). Ho fantatr'izy ireo ny feon'llay miantso azy (Jao. 5:28).
Inona no hitranga aorian'izany? Vakio ny 1 Tes. 4:17. Amin'ny farany, dia hanakoako manerana izao rehetra izao izay nosoratan'i Paoly ao amin'ny Fil. 2:10,11.
Mahatalanjona sy mahafinaritra tokoa ny mieritreritra izany! Indray andro any isika dia hahita an'i Jesôsy, tena hahita Azy tokoa. Handre ny feony isika, ary hiaiky fa Izy no Tompo. Ilay novakintsika ny momba Azy, Ilay nivavahantsika, ilay noresahintsika tamin’ny hafa, ilay nirin'ny fontsika fatratra dia ho hitantsika mifanatrika. Azontsika antoka izany, satria mahatoky Andriamanitra ary marina ny teny fikasany (Apôk . 22:6).
Amin'izay fotoana izay, rehefa maneno ny trompetra ary hahita an'i Jesôsy ny maso rehetra, dia ho fantatsika fa tsy very maina ny fotoana niandrasana. Ny vavaka rehetra natao tamim-paharetana, ny fotoana rehetra natokantsika ho Azy, ny fotoana rehetra nitoriantsika Azy tamim-pahasahiana, ny fitsapana rehetra, dia hifarana rehefa hahita ny Tavany isika (Apôk. 22:4).