Na dia tsy voatery ho manam-pahaizana be aza vao afaka handinika ny Baiboly, ahoana kosa no hahafahanao mandalina azy bebe kokoa ?
Mivavaka : Manan-danja ny vavaka, ho fanokafana sy famaranana ny fotoana handinihana ny Baiboly. Ambaran'i Ellen G. White fa tsy irery isika rehefa mamaky ny Baiboly. Raha manasa ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana antsika isika dia manda ireo zavatra rehetra mety hanelingelina, ka mandositra ny fahavalo noho izany.
Mamaky sy mandray an-tsoratra : Maha samy hafa ny famakiana Baiboly fotsiny amin'ny fandalinana azy ny fandraisana an-tsoratra. Mampihena ny fihazakazahan'ny saintsika izany, ary manampy antsika hisaintsaina momba ny Tenin'Andriamanitra sy handinika ary koa hamakafaka. Mandrindra ireo hevitra mety nisavorovoro teo aloha izany koa izany. Mora kokoa ho antsika ny hahatadidy izay soratana (Sal. 119:15, 16). Raha tsy afaka ny hanoratra ianao, dia miezaha mamaky ny Baiboly amin'ny feo mafy (na mihaino izany).
Mizara: Zarao amin'ny olona iray izay nianaranao. Handraikitra azy ao an-tsainao
izany ary hitondra fampaherezana ho an'ny hafa.
Mifidiana boky fohy ao amin'ny Baiboly hanombohana azy (toy ny bokin'i Jona, Marka, Filipianina na ny 1 Jaona), ary tohizo tsikelikely izany. Indro misy fomba tsotra azonao ampiharina amin'ny andininy iray (ny fomba fiasa: fandinihana tsikelikely andininy iray), paragrafy iray, na toko iray manontolo : Mivavaha mba hitarihan'ny Fanahy Masina ny sainao sy hanalefahany ny fonao mandritra ny famakian-teny, mifidiana andininy na paragrafy iray ao amin'ny Baiboly, soraty ao anaty diary izany andininy izany na ny ampahany nanaitra anao nandritra ny famakian-teny, vakio amim-bavaka indray ilay andininy ary tsipiho ireo hevitra manan-danja indrindra ao, soraty izay ambaran'ireo hevitra voatsipika, ento am-bavaka ireo hevitra ireo sy ny fiantraikany eo amin'ny titandraisanao amin'Andriamanitra, eritrereto ny olona azonao izarana izany anio.
"Rehefa mitombo amin'ny fahasoavana ny vahoakan'Andriamanitra, dia hihamahazo fahalalana mazava momba ny Teniny. Hahita fahazavana vaovao sy hatsarana ao amin'ireo fahamarinana masina izy. Marina izany tamin'ny tantaran'ny fiangonana nandritra ny vanim-potoana rehetra, ary mbola ho toy izany hatramin'ny farany." — Ellen G. White, Counsels to Writers and Editors, tt. 38, 39.
Manao ahoana ny fahitanao ny mampitombina ny zavatra voalaza etsy mbony ho anao manokana? Jereo koa ny Sal. 119:105.