Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fomba fiaina vaovao ao amin’i Jesôsy.

Daty
Talata 01 July 2025

 " Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. " Gal. 2:20.

Mofon’aina:
Tsy maintsy maty ny izaho raha tiantsika ny ho anisan’ny mpanara-dia an’i Kristy. Hoy ny apôstôly: “Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra (...) Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra.” – Kôl. 3:1,3. (...)

Rehefa voaova fo hanaraka an’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy dia misy fitiavana toe-tsaina amam- panahy vaovao miforona. Manjary izay zavatra tian’Andriamanitra no tiany satria ny fiainany dia mifamatotra amin’ny fiainan’i Jesôsy amin’ny alalan’ny rojo volamenan’ireo teny fikasana tsy miovaova. Voasarika hanahaka an’Andriamanitra ny fony. Izao no fivavahany : "Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànao" – Sal. 119:18. Hitany ao amin’ilay fitsipika tsy miovaova ny toetran’ny Mpanavotra ka fantany fa na dia efa nanota aza izy, dia tsy vonjena ao amin’ny fahotany fa vonjena hiala amin’izany kosa. (...)

Rehefa mibanjina ny fahamarinan’i Kristy ao amin’ny lalàna masina izy ireo dia resy lahatra hoe: “Tsy misy tsiny ny lalàn ’i Jehôvah , mamelombelona ny fanahy" – Sal. 19:7. Rehefa voavela heloka ny mpanota amin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Kristy, ary voatafin’ny fahamarinany amin’ny finoana, dia miara-manambara izao amin’ny mpanao Salamo hoe: “Endrey ny hamamin’ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!" – Sal. 119:103. (...)

Rehefa ny Fanahin’Andriamanitra no mifehy ny saina sy ny fo, dia hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny marina izy. Amin’izany no hiheverana ny lalàn’i Jehôvah ho fanehoana ny toetran’Andriamanitra, ary hira vaovao no hipololotra avy amin’ny fo izay nokasihin’ny fahasoavan’Andriamanitra. (...) Efa nibebaka tamin’Andriamanitra izy tamin’ny nandikany ny lalàny ary efa naneho ny finoany an’i Jesôsy  Kristy Tompo, izay efa maty mba hahazoany fanamarinana. – RH, 21 Jona, 1892.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal