" Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. " Gal. 2:20.
Mofon’aina:
Tsy maintsy maty ny izaho raha tiantsika ny ho anisan’ny mpanara-dia an’i Kristy. Hoy ny apôstôly: “Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra (...) Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra.” – Kôl. 3:1,3. (...)
Rehefa voaova fo hanaraka an’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy dia misy fitiavana toe-tsaina amam- panahy vaovao miforona. Manjary izay zavatra tian’Andriamanitra no tiany satria ny fiainany dia mifamatotra amin’ny fiainan’i Jesôsy amin’ny alalan’ny rojo volamenan’ireo teny fikasana tsy miovaova. Voasarika hanahaka an’Andriamanitra ny fony. Izao no fivavahany : "Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànao" – Sal. 119:18. Hitany ao amin’ilay fitsipika tsy miovaova ny toetran’ny Mpanavotra ka fantany fa na dia efa nanota aza izy, dia tsy vonjena ao amin’ny fahotany fa vonjena hiala amin’izany kosa. (...)
Rehefa mibanjina ny fahamarinan’i Kristy ao amin’ny lalàna masina izy ireo dia resy lahatra hoe: “Tsy misy tsiny ny lalàn ’i Jehôvah , mamelombelona ny fanahy" – Sal. 19:7. Rehefa voavela heloka ny mpanota amin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Kristy, ary voatafin’ny fahamarinany amin’ny finoana, dia miara-manambara izao amin’ny mpanao Salamo hoe: “Endrey ny hamamin’ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!" – Sal. 119:103. (...)
Rehefa ny Fanahin’Andriamanitra no mifehy ny saina sy ny fo, dia hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny marina izy. Amin’izany no hiheverana ny lalàn’i Jehôvah ho fanehoana ny toetran’Andriamanitra, ary hira vaovao no hipololotra avy amin’ny fo izay nokasihin’ny fahasoavan’Andriamanitra. (...) Efa nibebaka tamin’Andriamanitra izy tamin’ny nandikany ny lalàny ary efa naneho ny finoany an’i Jesôsy Kristy Tompo, izay efa maty mba hahazoany fanamarinana. – RH, 21 Jona, 1892.