Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Efa nampitandrina izy saingy vitsy no nihaino.

Daty
Alakamisy 03 July 2025

" Ary amin’izany andro izany dia hotsiloviko amin’ny jiro Jerosalema, ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ny faikany, dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehôvah no tsy hanao ratsy. " Zef. 1:12. 

Mofon’aina:
Efa manakaiky ny farany isika. Naseho ahy fa efa mihatra amin’ny tany ny famaizan’Andriamanitra. Efa nomen’ny Tompo antsika ny fampitandremana mikasika ireo toe-javatra efa hiseho. Mamirapiratra avy eo amin’ny Teniny ny fahazavana, kanefa haizina no mandrakotra ny tany ary haizim-pito no manarona ny olona. “Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana (...), ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” – 1 Tes. 5:3.

Adidintsika ny mamakafaka ny anton’izany haizina mahatsiravina izany mba hahafahantsika mandositra ny lalana efa nitondra fahadisoan-kevitra lehibe teo amin’ny lehilahy sy vehivavy maro. Efa nomen’Andriamanitra an’izao tontolo izao ny tombontsoa hianarany sy hankatoavany ny sitrapony. Efa nomeny azy tao amin’ny Teniny ny fahazavan’ny fahamarinana; efa nandefa fampitandremana sy torohevitra ary fananarana Izy, saingy vitsy ihany no hankatò ny Teniny. Tahaka ny firenena jiosy, ny ankamaroany, na dia ireo milaza azy ho Kristianina aza, dia hirehareha ny amin’ny fananany tombontsoa ambony, nefa tsy mamerina amin’Andriamanitra izay tokony ho Azy avy amin’izany fitahiana lehibe izany.

Amin’ny famindrampo tsy misy fetra no andefasana hafatra farany ho an’izao tontolo izao, dia ny fanambarana fa efa eo am-baravarana i Kristy ary misarika ny saintsika ho eo amin’ilay lalàna nodikaina. Saingy tahaka ny nandavan’ireo mponina talohan’ny safodrano ny fampitandreman’i Nôa, dia toy izany koa no handavan’ireo tia fahafinaretana amin’izao andro izao ny hafatr’ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra. (...)

Efa nandefa fampitandremana manokana ny Mpanavotra antsika be fangoraham-po eo anatrehan’ireo loza hanodidina ny mpanara-dia Azy: “Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. (...)” – Lio. 21:34. – TFC, b. 5, tt. 99, 100.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal