" Ary amin’izany andro izany dia hotsiloviko amin’ny jiro Jerosalema, ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ny faikany, dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehôvah no tsy hanao ratsy. " Zef. 1:12.
Mofon’aina:
Efa manakaiky ny farany isika. Naseho ahy fa efa mihatra amin’ny tany ny famaizan’Andriamanitra. Efa nomen’ny Tompo antsika ny fampitandremana mikasika ireo toe-javatra efa hiseho. Mamirapiratra avy eo amin’ny Teniny ny fahazavana, kanefa haizina no mandrakotra ny tany ary haizim-pito no manarona ny olona. “Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana (...), ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” – 1 Tes. 5:3.
Adidintsika ny mamakafaka ny anton’izany haizina mahatsiravina izany mba hahafahantsika mandositra ny lalana efa nitondra fahadisoan-kevitra lehibe teo amin’ny lehilahy sy vehivavy maro. Efa nomen’Andriamanitra an’izao tontolo izao ny tombontsoa hianarany sy hankatoavany ny sitrapony. Efa nomeny azy tao amin’ny Teniny ny fahazavan’ny fahamarinana; efa nandefa fampitandremana sy torohevitra ary fananarana Izy, saingy vitsy ihany no hankatò ny Teniny. Tahaka ny firenena jiosy, ny ankamaroany, na dia ireo milaza azy ho Kristianina aza, dia hirehareha ny amin’ny fananany tombontsoa ambony, nefa tsy mamerina amin’Andriamanitra izay tokony ho Azy avy amin’izany fitahiana lehibe izany.
Amin’ny famindrampo tsy misy fetra no andefasana hafatra farany ho an’izao tontolo izao, dia ny fanambarana fa efa eo am-baravarana i Kristy ary misarika ny saintsika ho eo amin’ilay lalàna nodikaina. Saingy tahaka ny nandavan’ireo mponina talohan’ny safodrano ny fampitandreman’i Nôa, dia toy izany koa no handavan’ireo tia fahafinaretana amin’izao andro izao ny hafatr’ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra. (...)
Efa nandefa fampitandremana manokana ny Mpanavotra antsika be fangoraham-po eo anatrehan’ireo loza hanodidina ny mpanara-dia Azy: “Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. (...)” – Lio. 21:34. – TFC, b. 5, tt. 99, 100.