Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-miankohoka amintsika ny anjely

Daty
Talata 11 November 2025

 "Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin 'ny tany, (…) dia reko samy nanao hoe: Ho an 'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an 'ny Zanak 'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay." Apôk. 5:13.

Mofon’aina:
Miray amin'ny fiangonan' Andriamanitra any an-danitra ny fiangonan' Andriamanitra ety an-tany. Fiangonana iray ihany ireo mpino eto an-tany sy ireo izay tsy mbola lavo mihitsy any an-danitra. Ny mponina tsirairay any an-danitra dia liana amin'ny fivorian'ny olo-masina, izay mivory eto an-tany mba hivava ka am in ' Andriamanitra amin'ny fanahy sy ny fahamarinana, ary amin'ny fihaingoana masina. Any amin'ny kianja anatiny ao amin'ny tempoly any an-danitra no ihainoan' izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ireo vavolombelon'i Kristy ao amin'ny kianja ivelany ao amin'ny tempoly ety an-tany. Ary ny fiderana sy ny fisaorana avy amin'ny fiangonana eto an-tany dia akambana amin' ny hira any an-danitra. (...)

 Raha misotro avy amin'ny loharano ny anjely, ireo olo-masina eto an-tany kosa dia misotro avy amin'ny sampan-drano madio manganohano izay mikoriana avy amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ka mam-pifaly ny tanànan'Andriamanitra. Enga anie ka ho afaka hahatsapa isika rehetra fa tena akaikin'ny tany ny lanitra! Tsy mahafantatra akory ireo zaza teraka eto an-tany, nefa manana ireo anjelin'ny fahazavana ho sakaizany izy ireo; satria irahina hanao fanompoana ho an' izay handova famonjena ireo mpitondra hafatry ny lanitra.

Misy vavolombelona mangina iray miambina ny fanahy tsirairay izay velona. (...) Ireo anjely dia tsy hamela velively ireo alaim-panahy ho rembin' ilay fahavalo izay tsy hisalasala ny hanimba ny fanahin' ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa ka avela hanao izany izy. Raha mbola misy fanantenana, raha mbola tsy manohitra ny Fanahy Masina izy ireo, dia ambenan'ny mponina any an-danitra. (...)

Ny endrik' i Kristy vita tefy ao am-po dia hita taratra isan'andro isan'andro eo amin'ny toetra sy eo amin'ny fiainana andavanandro, satria maneho ilay Mpamonjin'ny tenantsika manokana isika. Ampanantenaina izay rehetra hangataka Azy ny Fanahy Masina. Rehefa mandinika ny Soratra Masina ianareo, dia eo anilanareo ny Fanahy Masina, misolo tena an'i Jesosy Kristy. — GCB, 15 Febroary 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal