Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha marain-tsy hariva

Daty
Alarobia 05 November 2025

 "Koa amin 'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin 'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin 'ny vatolampy. " – Mat. 7:24.

Mofon’aina:
Aoka hotsaroan'ny mpianakavy amin'ny fianakaviana tsirairay fa mifamatotra akaiky amin'ny lanitra izy ireo. Liana manokana am i n' ny ankohonan' ny zanany eto an-tany ny Tompo. (...) Noho izany, aoka hisy vavaka akarina any an-danitra isa-maraina sy amin'ny ora mangatsiaky ny filentehan'ny masoandro ao amin' ny ankohonana tsirairay, hanehoana eo anatrehan'Andriamanitra ny fahamendrehan ' ny Mpamonjy. (...) —CG, t. 519. 

Mialoha ny handaozana ny tokantrano ho amin'ny asa, dia tokony hovoriana ny fianakaviana iray manontolo; ary tokony hitalaho mafy amin'Andriamanitra ny ray, na ny reny raha tsy eo ny ray, mba hiaro azy ireo mandritra ny tontolo andro. Manatôna an'Andriamanitra amim-panetren-tena, amin'ny fo feno halemem-panahy sy amin'ny fahatsapana ny fakam-panahy sy ny loza eo anoloanareo sy ny zanakareo; (...) angataho ho azy ireo ny fikarakaran'ny Tompo. Hiaro ny ankizy atokana ho an'Andriamanitra tahaka izany ireo anjely manompo. — TFC b. 1, tt. 397,398.

Endrey, sarobidy manao ahoana ny tokony hanangonan'ny ray sy ny  reny ny zanany eo aminy mialoha ny hisakafoana, mba hisaorana ny Ray any an-danitra noho ny fiarovany nandritra ny alina, sy hangatahana Aminy ny fanampiany sy ny fitarihany ary ny fitsinjovany mandritra ny tontolo andro! Rehefa tonga indray ny hariva, dia mivory eo anatrehany misaotra Azy izy ireo noho ny fitahiana narotsany nandritra ny tontolo andro lasa! — TFC, 7:43. 

Tsy tokony hivavaka tsindraindray ianareo, ka hanamaivana izany rehefa manana asa betsaka hatao amin'ny andro iray. Mitarika ny zanakareo handray ny vavaka ho tsy misy lanjany manokana ianareo amin'ny fanaovana tahaka izany. Midika zavatra betsaka ho an'ny zanak'Andriamanitra ny vavaka. — CG, t. 520.

Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa manana adidy eo anatrehan' Andriamanitra isika eo am-piantohana ny mety sy ny mendrika ary ny fahasambarana ho an'ireo vahinintsika. (...). Aoka mba tsy ho be reraka sy vanivany loatra ka reraka vao hiditra amin'ny oran'ny fotoam-pivavahana. Zary fanatitra mandringa no haterina eo anatrehan' Andriamanitra raha manao izany isika. - HHT, tt. 117,178 (np). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal