"Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny fahefan'ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. " Apôk. 12:10.
Mofon’aina:
Mitarika ny olony Andriamanitra hiala amin’ny zava-betaveta rehetra eto amin’izao tontolo izao, hahafahan’izy ireo mitandrina ny Didiny; noho izany dia tsy misy fetra ny haromotan’ilay “mpiampanga ny rahalahintsika". “Nidina ho any aminareo ny devoly izay manana fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny” – Apôk. 12:12.
Eo alohantsika ny tany nampanantenaina tena izy. I Satana kosa dia vonona hanapotika ny vahoakan’Andriamanitra mba hanala azy eo amin’ny lovany. Izao no fampitandremana izay tena ilaina indrindra amin’izao ankehitriny izao: “miambena sy mivavaha hianareo mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.” – Mat. 26:41. Miaina ao anatin’ny fotoana lehiben’ny andro fanavotana isika izao. (...)
Izay rehetra manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana dia hahalala fa ao anatin’ny fotoan’andro fohy handanjana ny aminy, dia hampahory ny fanahiny eo anatrehan’Andriamanitra amin’alahelo noho ny ota ho fibebahana marina tokoa. Tsy maintsy misy fanadihadiana lalina atao amin’ny fo. Tsy maintsy esorina ny tsy firaihan’ny fanahy sy ny vosobosotra rehetra niainan’ny Kristianina. Hisy ady maty eo anoloan’izay miezaka handresy ny fironana ratsy ho amin’ny fifehezan-tena.
Asan’ny tsirairay ny fiomanana. Tsy vonjena faobe isika. Ny fahadiovana sy ny fanoloran-tenan’ny isam-batan’olona dia tsy afaka hisolo ny toetra tsara any amin’ny hafa. Handalo fitsarana eo anatrehan’Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra ka Izy no hanadihady ny fiainan’ny tsirairay lalina indrindra. (...)
Ny fitsarana dia mizotra ankehitriny ao amin’ny fitoerana masina any ambony (...) Tsy ho ela, na dia tsy misy mahalala aza, dia anjaran’ny velona no handalo eo (...) Rehefa tapitra ny fitsarana famotopotorana, dia tapaka hatreo ny hoavin’ny olona rehetra na ho amin’ny fiainana na ho amin’ny fahafatesana. Ny fiala-nenina farany dia ho tapitra ao ana tin’ny fotoana fohy alohan’ny hisehoan’ny Tompo eo amin’ny rahon’ny lanitra. I Kristy ao amin’ny Apôkalipsy, mibanjina izany ora izany dia manao fanambarana: "Indro avy faingana Aho, ary eto amiko ny famaliako mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.” – Apôk. 22:12. — GH, Aog. 1910.