"Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. " - Ohab. 18:10.
Mofon’aina:
Tamin'ny fotoana naha-osa Azy indrindra no nanafihana Azy tamin'ny takam-panahy masiaka indrindra. Tamin'izany fomba izany no noheverin'i Satana fa handreseny. Io tetika io no nahazoany fandresena talohan'izao. Rehefa mihamalefaka ny herim-batana sy mihamalemy ny herin'ny sitrapo ary mitsahatra tsy miankina amin'Andriamanitra ny finoana, amin'izay dia resy ny olona izay niady ela sy tamin-kerimpo ho an'ny fahamarinana. Sasatry ny firenirenena niaraka tamin'ny Isiraely nandritra ny efapolo taona i Mosesy, ka reny nivembena ny finoany. Nanao fahadisoana izy raha tonga teo an-tsisin'ny Tany nampanantenaina. Toy izany koa i Elia, izay nijoro tsy tamin-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka Ahaba, niatrika ny firenen'Isiraely manontolo notarihin' ireo mpaminanin' i Bala dimampolo sy efajato lahy. Taorian'ilay andro mahatahotra nifamotaonana tao Karmela, rehefa naringana ireo mpaminany sandoka, ka nanambara ny hankatoavany an'Andriamanitra ny vahoaka, dia nandositra hanavotra ny ainy teo anatrehan'ny fandrahonana nataon'ilay Jezebela mpanompo sampy i Elia. Toy izany no nanararaotan'i Satana ny fahalemen'ny taranak'olombelona. (...)
Ny faritra malemy eo amin'ny toetra amam-panahintsika no rarafany. Miezaka izy ny hanozongozona ny fahatokiantsika an'Andriamanitra, Izay manaiky ny hisian'ny toe-javatra toy izao. Alaim-panahy tsy hatoky an'Andriamanitra sy ny fitiavany. Tahaka ny nataony tamin'i Kristy dia velarin'ilay mpaka fanahy eo imasontsika ny fahalementsika sy ny kilemantsika. Manantena izy amin'izany fa ho kivy isika ka tsy ho afa-mandositra. (...) Raha mety manohitra azy tahaka ny nataon'i Jesosy isika, dia ho maro ny fandresena azontsika. Ny fiadiantsika hevitra amin'ny fahavalo dia manome tombontsoa azy. (...)
Nyfanekena an'Andriamanitra sy ny finoana Azy no nahazoan'i Jesosy ny fandresena, ka hoy Izy amintsika amin'ny alalan'ny apostoly: «Maneke an'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatôna an 'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy» - Jak. 4:7. Tsy mahay mamonjy ny tenantsika amin'ny herin'ilay mpaka fanahy isika; efa naharesy ny taranak'olombelona izy, ary raha miezaka ny hijoro amin'ny herin'ny tenantsika isika, dia hanjary hazan'ny hafetseny. Soa fa «ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy, ri:y-marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy» -Ohab. 18:10. — Ms, 15, 1908