"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
"Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: tsy maintsy hateraka indray hianareo." Jao. 3:7
Mofon’aina:
Ao amin'ny teny nataon'i Kristy tamin'i Nikodemosy no misy ny fahamarinana lehibe mikasika ny fiovam-po avy amin'ny Fanahy Masina: "Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan 'Andriarnanitra. (...) Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy." - Jao. 3:3,6.— RH, 7 Jolay 1904.
Amin'ny fanavaozana ny fo no iasan' ny fahasoavan' Andriamanitra mba hanova ny fiainana. Tsy misy fiovana ivelany ampy hampifandrindra ny fiainantsika amin'Andriamanitra. Maro ireo miezaka manao fanavaozana amin'ny alalan'ny fanitsiana ny fahazaran-dratsy anankiray na ny iray hafa, ary antenainy amin'izany fa ho tonga Kristianina izy. Fanombohana diso anefa izany. Ao am-po no tokony hisian'ny fanavaozana voalohany indrindra. ( ...)
Miasa ao amin'ny mangingina sy amim-paharetana ny masirasiran'ny fahamarinana, mba hanova ny fo. Manjary malefaka sy milefitra ireo fironana maha olona. Fisainana vaovao, fihetsehampo vaovao, antony manosika vaovao no volena. Ny fiainan'i Kristy no fenitra ara-pitondrantena vaovao arahina. Miova ny fisainana, ary ampiasaina ho amin'ny tanjona vaovao ny fahaiza-manao. (...)
Ny Soratra Masina no hery lehibe ivon'io fanovan-toetra io. Hoy i Kristy raha nivavaka: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." - Jao. 17:17. Rehefa halalinina sy ankatoavina ny Tenin'Andriamanitra dia miasa ao amin'ny fo, ary mandresy ny toetra tsy masina rehetra. Mandresy lahatra antsika amin'ny fampahafantarana ny fahotantsika ny Fanahy Masina, ary ny finoana izay teraka ao am-po dia miasa noho ny fitiavana an'i Kristy ka mampifandrindra ny momba antsika - ny tena sy ny fo ary ny fanahy - hifanaraka amin'ny Sitrapony.
Rehefa izay dia ho hitan'ny olona fa tandindomin-doza izy. Hitany fa ilainy ny hiova toetra sy hiova fo. (...) Miasa ao am-pony ny Fanahin'Andriamanitra, ary amin'ny tahotra sy hovitra no hiasany ka hikatsahany ny hahalala ireo kileman-toetrany sy izay azony atao mba hisian'ny fiovana ilaina eo amin'ny fiainany. (...) Hiaiky ny fahotany amin'Andriamanitra izy, ary raha toa izy nandratra ny hafa, dia hiaiky ny helony amin'izany olona izany. (...)- RH, 7 Jolay 1904.
Vakio ny Fit. 1:27-30. Inona no ifandraisan'ny hoe "miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara" , sy ny tsy fananan-tahotra?
Ny hampisara-bazana sy ny, hamabo no tetikadin'i Satana. Mahafaty ny fisaratsarahana. Hoy i Jesosy: "raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany." - Mar. 3:25. Tsotra izany foto-kevitra izany, ary mahafaly an'i Satana ny fanadinoantsika azy. Manampy antsika hahatanteraka ny anjara asantsika amin'ny maha vahoaka sisa antsika araka ny faminaniana ao amin'ny Baiboly (Apôk. 12:17) ny firaisantsika, dia ny fitoriana ny "filazantsara mandrakizay (...) amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk . 14:6. Koa satria zava-dehibe ho army fanatanterahana ny asa nanirahana antsika amimny fanapariahana io hafatra nomen’ Andriamanitra io ny firaisana, ary manantitrantitra ny "fahamarinana" ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra ho anisan'ny zava-manan-danja indrindra ho amin>ny firaisana ny vavaka nataomi Jesôsy ao amimny Jao. 17 (Jao. 17:17,19), dia tsy azo sarahina amin>ny iraka tanterahintsika sy ny firaisantsika ny hafatra torintsika. Na miara-mijoro na miara-mirodana ireo toko telo ireo. Na ny anankiray amin'ireo ihany aza no tsy eo, dia tsy hahomby isika. Fa raha manana azy telo kosa isika, dia tsy misy tokony hatahorana. "Tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina na amin'inona na amin'inona" isika Fit. 1:28. Fahavalo efa resy i Satana. Na hatao maty noho ny finoantsika aza isika, dia tsy misy na inona na inona afaka manisy ratsy antsika raha "mazoto amin'izay tsara" isika - 1 Pet. 3:13. Tsy manam-pahefana hampitsahatra ny fandrosoan'ny fahamarinan'Andriamanitra ny devoly.
Vakio ireto andininy manaraka ireto ary fintino vetivety ny lohahevitra iraisan'izy ireo: Mat. 10:38, Asa. 14:22, Rôm. 8:17, 2 Tim. 3:12.
Sarotra ny fiainana eto amin'ity tontolo lava ity, na ho an'izay "tsara indrindra" amintsika aza. Olo-marina i Joba; na ny Baiboly aza nilaza fa "marina sy mahitsy izany lehilany izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy" - Joba 1:1. Nefa, tao anatin'ny indray alina dia namely azy sy ny ankohonany ny loza. Iza amintsika no tsy mahafantatra, na tamin'ny alalan'ny fanandramana niainantsika manokana na noho ny fahitana izay mania ny hafa, fa ny fiainana eta dia toy ny miaina eo amoron-tevana, ka tsy fantatra velively hoe rahoviana no hianjera? Azo lazaina ho anjaran'ny olombelona rehetra ny fahoriana. Amin’ny farany anefa, aleo miaritra fahoriana noho ny amin'i Kristy toy izay noho ny zavatra hafa.
lnona no fanantenana sy faherezana tokony hananantsika, amin'ny maha Kristianina antsika, eo anivon'ny fahoriana mahazo antsika?