"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
"Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo."- 1 Pet. 5:7
Mofon’aina:
Aza entina eo amin'ny olona ireo olanao, fa ento eo amin' Andriamanitra. Mety mihevitra ianao fa miray fo aminao ny hafa noho ireo fitsapana mahazo anao, nefa ho diso fanantenana ianao indraindray. I Jesôsy kosa tsy mba mandiso fanantenana izay manatona hitady fanampiana Aminy. Hoy Izy aminao anio: "Mankanesa aty amiko, (...) fa Izaho no hanome anareo fitsaharana."- Mat. 11:28. (...)
Aza mifantoka amin'ny fahasarotan' ny fiainana kristianina. Aza miresaka momba ireo fitsapana mihatra aminao. (...) Aza manonona teny mitory fahakiviana na dia kely monja aza, mahafaly an'i Satana ny teny toy izany. Ny fahatsaran'i Kristy resahina, ary lazao ny Heriny. Ny teny mitory fanantenana sy fitokiana ary herim-po dia mom tenenina toy ny fitarainana ihany.
Rehefa milaza aminao ny fahavalo fa efa nafoin'Andriamanitra ianao, dia lazao azy fa fantatrao fa tsy izany no izy; fa hoy Jehôvah : "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akoty."- Heb. 13:5. Roahy ny fahavalo. Lazao aminy fa tsy hanala baraka an'Andriamanitra amin'ny fisalasalana momba ny Fitiavany ianao. (...)
Tsy misy fetra ny fahavononan'ny Mpamonjy hanampy antsika. Mangataka amintsika Izy mba handrotsaka ao amin'ny fiainantsika ny fahasoavana izay mampanalavitra antsika amin'ny fahotana. Avy eo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary no ahazoantsika fahafahana sy fanantenana ary hery. Aza mampietry voninahitra ny Mpanavotra anao amin'ny fisalasalana momba ny Heriny. Matokia Azy amin'ny fotoana rehetra. Fikiro ireo haren'ny fahasoavany, ka lazao hoe: "Hino aho, mino aho fa maty ho ahy Jesôsy ." (...)
Mifalia ao amin'Andriamanitra. I Kristy no fahazavana, ary tsy misy haizina na dia kely aza ao Aminy. Mitodiha amin'ny mazava. Zaro hanao teny fiderana an'Andriamanitra ny tenanao. Ampifalio ny hafa. Izany no asa voalohany tokony hataonao. Hanamafy ny toetra tsara indrindra ao aminao izany. Sokafy manandrify ny lanitra ny varavarankelin'ny fanahy, ary avelao hiditra ao ny fahazavan'ny fahamarinan'i Kristy (...).- RH, 7 Avrily 1904.
IFM, toko 73, "Aza malahelo ny fonareo".
«Ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy irery ihany no mahay manova ny fo vato ho fo nofo, sy mahatonga izany ho velona ho an'Andriamanitra. (...) Tsy manana hery hanamarinana ny fanahy, na hanamasinana ny fo ny olombelona. Tsy azo sitranina ny aretina ara-panahy raha tsy amin'ny alalan'ny herin'ilay Mpitsabo lehibe. Ny fanomezana ambony indrindra avy any an-danitra, dia ilay Lahitokana avy amin'ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana, no hany afaka manavotra ny very.» - ST, 2 Mey 1892.
"Andriamanitra dia fitiavana'. Na ny toetrany, na ny lalàny, na ny fomba itondrany izao tontolo izao, eny, na inona na inona momba Azy dia fitiavana avokoa. Izany no toetrany hatramin'ny taloha, mbola toetrany mandrak'ankehitriny ary ho toetrany mandrakizay. Fa "tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana' eo amin'llay 'Iray avo sy manerinerina", Izay mitoetra ao amin'ny fitoerana avo sy masina' - Isa. 57:15; Hab. 3:6; Jak. 1:17. Fanehoam-pitiavana tsy hita fetra ny hery tsirairay avy nentin'Andriamanitra nanao izao rehetra izao. Soa maro tsy tambo isaina no zarainy amin'ny zavaboariny rehetra. (...) Ny tantaran'ilay ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy hatramin'ny andro niantombohan'izany tany an-danitra ka mandra-pahatongan'ny fotoana hanafoanana tanteraka ny fikomiana amin'ny farany sady handevonana ny fahotana, dia maneho miharihary ny fitiavana tsy manam-piovana ananan'Andriamanitra." - PM, tt. 6,7.
«llaintsika ny mahatsapa fa ny Fanahy Masina (...) dia Persona tahaka an'Andriamanitra koa. (...) Ny Fanahy Masina dia manana ny maha-lzy Azy, raha tsy izany, tsy ho afaka hanambara amin'ny fanahintsika sy miaraka amin'ny fanahintsika Izy fa zanak'Andriamanitra isika. Tsy maintsy ho Andriamanitra koa Izy, raha tsy izany, tsy ho afaka mamantatra ny zavatra rehetra Izy, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.» - FLB, t. 52.
«Misy Persona velona telo ao amin'Andriamanitra Telo Izay Iray any an-danitra; amin'ny anaran'ireo fahefana lehibe telo ireo-ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina anaovana batisa ireo izay mandray an'i Kristy amin'ny finoana velona, ary ireo fahefana ireo hiara-miasa amin'ireo mpankatò, hampahomby ny ezaka ataony mba hananany fiainam-baovao ao amin'i Kristy.» -Ev, t. 615.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Misyhira kristianina malaza mitondra ny lohateny hoe «Amazing Grace» (Fahasoavana mahatalanjona). Inona no mahatalanjona amin'ny fahasoavan'i Jesôsy ?
2. Ny fanoharana momba ilay zanaka adala dia maneho sary kanto momba ny fitiavan'Andriamanitra. Inona no ahafantarantsika fa ray be fitiavana ilay raim-pianakaviana ao amin'io fanoharana io?
3. Ahoana no ahafahan'ny fiangonana tsirairay maneho fa tena zava-misy iainan'izy ireo ny firaisana amin'ny Fanahy»?