Fianarana fanampiny:
filentehan'ny masoandre
Amin'ny fotoana iatrehantsika ireo fihaikana eo amin'ny fiainana indrindra no ilantsika ny hifikitra amin'Andriamanitra. Ireo lohahevitra nodinihintsika nandritra ity telovolana ity dia samy manampy amin'ny fihazonana na koa ny fanavaozana ny tanjaky ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra. Rehefa miatrika fahavoazana ianao — toy ny olona ara-pahasalamana, ny fahasahiranana ara-bola, ny tokantrano mikorontana, ny fahafatesan'ny olona akaiky anao, na koa enta-mavesatra hafa izay manaisotra ny fifalianao, dia diniho ireto fanontaniana ireto ary saintsaino ireo lesona nianarantsika hatreto.
FANO NTAN IA NA hifanakalozan-kevitra
1. Manao ahoana ny fiantraikan'ny fahavoazana mihatra na nihatra taminao eo amin'ny fomba fijerinao an'Andriamanitra? Ahoana no ahitanao amin'ny fomba mazava kokoa ny tena toetran'Andriamanitra marina?
2. Oviana ianao no nivavaka farany mba hahatonga ny feon'Andriamanitra hahery kokoa eo amin'ny fiainanao noho ny an'ny fahavalo? Tsarovy fa ny mpangalatra (i Satana) dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana, fa Andriamanitra kosa manolotra fiainana be dia be (Jao. 10:10).
3. Mietry ye ny fonao? Matoky ye ianao fa mbola manapaka sy mitarika ny fiainanao Andriamanitra, na dia eo aza ny zava-tsarotra? Raha tsy izany, ahoana no ianaranao hatoky amim-pietrena izany fahatsaran'Andriamanitra sy ny fitiavany anao manokana izany?
4. Moa ye ianao mitoetra sy miorina ao amininy Tenin'Andriamanitra isan'andro? Angataho Andriamanitra mba handrehitra indray ny fitiavana voalohany izay nitiavanao Azy, raha eo am-pamakivakiana fotoan-tsarotra ianao.
5. Oviana no nitodika tamin'ilay Andriamanitra Mpampionona sy Mpanolo-tsaina anao tamim-pivavahana ianao, ary natoky fa mihazona ny teny fikasany izy ka tsy handao na hahafoy anao (Heb. 13:5)?
6. Raha malemy ny finoanao, dia mivavaha hoe: "Mino aho; %mole° aho ho afaka amin'ny tsi-finoako." - Mar. 9:24. Aoka ho olona afaka mampahery no manndidina anao fa tsy olona manakivy.
7. Izao tontolo izao dia tsy mihevitra mandrakariva ireo izay malemy, tsy manam-pahalalana, maratra sy torotoro fanahy. Afaka manova tanteraka ny fiainan'ny olona ny hafatr'Andriamanitra hoe: "fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena." - 2 Kan 12:9. Eritrereto ny olona iray azonao ampaherezina amin'ny alalan'io hafatra io anio.