Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.

Daty
Alatsinainy 04 August 2025

FANOKANANA NY VOALOHAN-TERAKA

Efa ho tonga izao ny fotoam-panavotana sy ny fanafahana izay nampanantenaina. Nasaina niomana ny vahoaka. Tsy nilainy ny nino fotsiny fa nasaina nanao asa araka izany finoana izany izy ireo. Nambaran'Andriamanitra taminy izay tokony hataony; tokony hanatanteraka izany amim-pinoana izy ireo izao. Na dia samy hafa tanteraka amin'ny tontolon-kevitra noresahin'i Jakoba aza ny eto, dia mifanaraka tsara amin'izany kosa ny fitsipika voalaza ao: "Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?" - Jak. 2:20.

Vakio ny Eks. 13:1-16. Tsy voakasiky ny loza farany ireo voalohan-teraky ny Isiraelita noho ny fahasoavan'Andriamanitra. Inona no anton'io baiko izay mitoetra io, ary ahoana no tokony handraisantsika ny hevitr'izany ankehitriny?

Tamin'ny indrafony no niarovan'Andriamanitra ireo ankohonana isiraelita izay nanatentina ra teo amin'ny tolam-baravarany noho ny finoany. Avy tamin'Andriamanitra izany toromarika izany no nampitainy tamin'i Mosesy: "Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra" - Eks. 13:2. Sady nahakasika ny olona izany no nahakasika ny biby koa.

Foto-kevitra iray nofonosin'izany baiko izany ny maha-an'Andriamanitra ny zavatra rehetra satria Izy no Mpamorona antsika sy Tompon'ny zavatra rehetra: "An'i Jehôvah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy." - Sal. 24:1. "Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro." - Hag. 2:8. Voaloham-bokatry ny fitahiana izay natobak’Andriamanitra ny lahimatoan'ny Isiraelita; famantarana maneho ny fanokanan'izy ireo tena ho Azy manontolo koa izany sy ny fahatakaran'izy ireo fa avy Aminy irery ihany izay rehetra ananany.

Hitantsika ao koa ny hevitra momba ny fanavotana sy ny famonjena. Narovana tamin'ny fahafatesana ny voalohan-teraka satria voarakotry ny ra. Navotana tamin'ny fahafatesana izy ireo, tahaka ireo rehetra izay rakofan'ny ran'i Jesôsy . Izao no nosoratan'i Paoly momba an'i Jesôsy : "Izay ananantsika fanavotana, dia ny farmelana ny helotsika." - Kol. 1:14.

Etsy andanin'izany, dia nisy fitsipika nomena azy ireo mahakasika izany fanokanana izany; fankalazana ny fanavotana azy ireo tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina izany. Nasaina nanolotra biby hatao fanatitra izy ireo, fa ny zanany kosa havotana (Eks. 13:12, 13, 15).

Milaza ny amin'izay tokony hataon'ireo Isiraelita eo amin'ny tanany sy eo ambonin'ny handriny ny Eks. 13:16. Ahoana no anehoan'izany ny fahamarinana ara-panahy manan-danja, dia izao: na manao ahoana halehiben'ny finoantsika, dia tsy maintsy miasa araka izany finoana izany isika?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal