Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.

Daty
Talata 05 August 2025

NIAMPITA NY RANOMASINA MENA

Vakio ny Eks. 13:17--14:12. Ahoana ny fomba nitarihan' Andriamanitra ny Israelita tamin'ny fotoana nialan'izy Ireo tao Egypta, ary inona no nitranga taorian'izany?

Nivoaka avy tany Egypta tahaka ny tafika voalamina tsara ny Isiraelita, araka ny toromarika nomen'i Jehôvah an'i Mosesy. Ny teny hebreo fsaba' sy makhaneh no maneho izany fanoritsoritana izany, izay midika hoe: "tafika", "antoko", "toby" (Eks. 6:26, DIEM; Eks. 7:4; Eks. 12:17,41,51; Eks. 14:19,20; ampitahao amin'ny Eks. 13:18). Nozaraina ho antoko roa izy ireo ary namindra tahaka ny tafika. Tao aoriana, dia hitan'i Balama avy eo an-tendrombohitr'i Moaba fa "mitoby araka ny fireneny Isiraely (Nom. 24:2).

Tao anatin'izany, dia "nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa - Eks. 13:19. lo no tsipirian-javatra manan-danja indrindra ao amin'io lahatsoratra lo, izay maneho ny fahatanterahan'ny finoan'i Josefa ny teny fikasan Andriamanitra. Tsy mba very tao an-tsain'i Josefa ny momba ny Tany Nampanantenaina na dia niaina teo anivon'ny firaratr'i Egypta sy ny zava-tsoa tao aza izy. Nangatahiny ny hitondrana ny taolany any amin'ny tany Kanana (Gen. 50:24,25). Ninoany fa hamangy ny Isiraely any Egypta tokoa Jehôvah ary hitondra azy ireo ho any amin'io tany io, araka izay efa nianianany (Heb. 11:22). Rehefa tonga tany Kanana ny Isiraelita, dia "naleviny tao Sekema" ny taolan'i Josefa (Jos. 24:32).

Ny andri-rahona sy ny andri-afo no famantarana hita maso naneho ny fanatrehan Andriamanitra teo anivon'ny olony. Nitoetra teo amin'izy ireo Jehôvah ary niteny avy tao amin'ny rahona (Eks. 14:24; Nom. 12:5,6).

Nasehon'i Farao ny tena tao am-pony. Tsy niova fo izy ary tsy tena nibebaka na oviana na oviana. Fihatsarambelatsihy ny nangatahany an'Andriamanitra hitso-drano azy, ary azo heverina fa fitaka tao am-pony ihany. Novoriny ny miaramilany ka nandeha nanenjika ireo andevo nandositra izy ireo. Endrey, jamban'ny fahotana tanteraka izany lehilahy izany!

Rehefa nahita ny miaramilan'ı Farao nanatona ny vahoaka, dia namoaka teny sy fihetsehampo izay haverimberin'izy ireo amin'ny hoavy: "Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty aty an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay hianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? - Eks. 14:11.

Izany hoe, na dia efa nahita ny fanehoana tamin'ny fomba mahatalanjona ny herin'Andriamanitra aza ireo vahoaka ireo, tao anatin'lzany ny fiarovana ny voalohan-terany tay ho faty, dia mbola nampiseho tsy finoana mahavariana ihany!

Eritrereto ny fotoana farany niatrehanao olana lehibe. Inona no fihetsikao voalohany nanoloana izany: finoana an' Andriamanitra sa tsy finoana? Inona ny lesona tokony ho noraisinao avy tamin'izany, izay tokony hanampy anao amin'ny sisa rehefa tojo toe-java-tsarotra (ary tsy maintsy hisy izany)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal