Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nankinina tamin'i Adama sy i Eva ny zavaboary rehetra.

Daty
Sabotsy 02 August 2025

 "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." - Gen. 1:26.

Mofon’aina:

Raha nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia ho nomena fahefana lehibe ho mpanapaka ny zava-manana aina rehetra. Ny liona sy ny zanak'ondry dia niara-nilalao sy nifampiankinankina tamim-piadanana teo an-tongotr'izy mivady; andiam-borona falifaly no nanidintsidina teny ambonin'ny lohany (…).

Tsy hoe zanak'Andriamanitra fotsiny ihany i Adama sy i Eva, fa mpianany koa. Nandray lesona avy tamin'Ilay Fahendrena tsy hita lany izy. Sady novangian'ny anjely izy no afaka niresaka nifanatrika tamin'Ilay Mpamorona azy koa. Nahasalama azy tokoa ny hazon'aina. Latsa-danja kely foana tamin'ny fahendren'ny anjely ny fahendreny. (...)

Ny lalàna samy hafa mifehy izao tontolo izao, izay efa nandanian'ny olombelona herim-po sy ron-doha be dia be hatramin'ny enina arivo taona izay, dia nasehon'Ilay marika mahay sy Mpitahiry ny zavatra rehetra azy mivady. (...) Hatramin'ireo leviatana mahery any an-dranomasina ka hatramin'ireo bibikely tsy hita maso manidintsidina eny amin'ny rivotra, dia samy nahazatra an'i Adama avokoa. Nomeny anarana avokoa izy rehetra ary samy fantany daholo na ny toetrany na ny fanaony.

Ny voninahitry ny habakabaka, ny kintana tsy hita isa ary ny masoandro amam-bolana samihafa sy ny fandehan'izy rehetra tsirairay avy eny amin'ny lanitra, ny "fihevahevan’ny rahona matevina", ny zava-miafin'ny hazavana sy ny feo, ny momba ny andro sy ny alina, ireny sy ny toy ireny no fototry ny lesona nianaran'ireo razambentsika. (...) Ny filaminana sy ny firindran'ny zavaboary dia samy nampiseho taminy ny herin'ny fahendrena tsy hita fetra nananan'Ilay Mpamorona. Ny dingana tsirairay avy nataony dia nahitany anton-javatra nameno ny fitiavana lalina ny fo amam-panahiny izay nahatonga azy mivady ho velom-pisaorana lalandava." —PM, tt. 26, 27. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal