Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nankinina tamin'i Adama sy i Eva ny zavaboary rehetra.

Daty
Sabotsy 02 August 2025

 "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." - Gen. 1:26.

Mofon’aina:

Raha nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia ho nomena fahefana lehibe ho mpanapaka ny zava-manana aina rehetra. Ny liona sy ny zanak'ondry dia niara-nilalao sy nifampiankinankina tamim-piadanana teo an-tongotr'izy mivady; andiam-borona falifaly no nanidintsidina teny ambonin'ny lohany (…).

Tsy hoe zanak'Andriamanitra fotsiny ihany i Adama sy i Eva, fa mpianany koa. Nandray lesona avy tamin'Ilay Fahendrena tsy hita lany izy. Sady novangian'ny anjely izy no afaka niresaka nifanatrika tamin'Ilay Mpamorona azy koa. Nahasalama azy tokoa ny hazon'aina. Latsa-danja kely foana tamin'ny fahendren'ny anjely ny fahendreny. (...)

Ny lalàna samy hafa mifehy izao tontolo izao, izay efa nandanian'ny olombelona herim-po sy ron-doha be dia be hatramin'ny enina arivo taona izay, dia nasehon'Ilay marika mahay sy Mpitahiry ny zavatra rehetra azy mivady. (...) Hatramin'ireo leviatana mahery any an-dranomasina ka hatramin'ireo bibikely tsy hita maso manidintsidina eny amin'ny rivotra, dia samy nahazatra an'i Adama avokoa. Nomeny anarana avokoa izy rehetra ary samy fantany daholo na ny toetrany na ny fanaony.

Ny voninahitry ny habakabaka, ny kintana tsy hita isa ary ny masoandro amam-bolana samihafa sy ny fandehan'izy rehetra tsirairay avy eny amin'ny lanitra, ny "fihevahevan’ny rahona matevina", ny zava-miafin'ny hazavana sy ny feo, ny momba ny andro sy ny alina, ireny sy ny toy ireny no fototry ny lesona nianaran'ireo razambentsika. (...) Ny filaminana sy ny firindran'ny zavaboary dia samy nampiseho taminy ny herin'ny fahendrena tsy hita fetra nananan'Ilay Mpamorona. Ny dingana tsirairay avy nataony dia nahitany anton-javatra nameno ny fitiavana lalina ny fo amam-panahiny izay nahatonga azy mivady ho velom-pisaorana lalandava." —PM, tt. 26, 27. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal