Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.

Daty
Alahady 03 August 2025

Nihatra tamin'ireo izay tsy nahitana ra ny tolam-baravarany fitsaran Andriamanitra ny alin'ny Paska (Eks. 12:1-12). Tsy nisy afa-niala tamin'izany, na inona na inona toerana ambony nisy azy, na fahalalana nananany, na saranga nisy azy, na lahy izy na vavy. Namely ny ankohonana rehetra ny famaizana, hatramin'i Farao ka hatramin'ireo andevo, eny fa na ny voalohan-teraky ny biby aza. Latsaka am-bovoka ny fireharehan'i Egypta.

Vakio ny Eks. 12:31-36. Inona ny fangatahana hafahafa nataon'i Farao, ary nahoana izy no nanome lalana azy rehetra mihitsy aza mba handeha?

Manaitra ny nanampian'i Farao izao fangatahana izao raha nilaza tamin'ny Hebreo izy mba handeha hanompo an'i Jehôvah : "fa mba tsofy rano aho."

"Fa mba tsofy rano aho" hoe? Nahoana moa izy, izay mpanjakan'i Egypta, ilay "andriamanitra" teo amin'ny tany nisy azy, no nangataka izany? Toy ny hoe takany nony farany ny herin'ilay Andriamanitry ny Hebreo ka te handray tombontsoa avy amin'izany hery izany izy. Ahoana anefa no hitsofan'Andriamanitra rano azy raha toa izy miziriziry ao anatin'ny fikomiana sy ny hamafisan-katoka ary ny fahotana sy ny avonavona? Nanaiky ihany tokoa izy, saingy tsy noho ny fileferana tamin'ny sitrapon'i Yahweh tsy akory, fa noho ny faharesena. Tsy nibebaka izy - araka izay hasehon'ny zavatra hataony ao aoriana kely. Niriny fotsiny ny hampitsahatra ny fandravana izay nanimba ny fanjakany.

Afabaraka i Farao. Ary teo anatrehan'ny toe-javatra mahonena sy mampihoron-koditra nateraky ny loza ratsy indrindra no nanomezany lalana ny Isiraely hiala tao Egypta. Navelany natao izao izay nolaviny hatrizay na dia teo aza ny fahoriana nanjo ny fireneny vokatr'izay nataony.

Azo inoana fa efa tsy andrin'ny vahoaka egyptianina koa izay handehanan'ireo Hebreo ireo hiala teo amin'ny taniny, satria hoy izy ireo hoe: "Mandehana, fa 'maty avokoa izahay rehetra'."

Tao anatin'izany, dia nataon'Andriamanitra izay tsy hahatonga ny Isiraelita hiala tao Egypta amin'ny tanam-polo. Nataony izay hitondran'izy ireo ny zavatra hilainy ho amin'ny dia izay hita aty aoriana kely fa lava sy maharitra kokoa noho izay noheverina. Ho fandodonana ny olona hiala tao amin'ilay firenena fotsiny ihany no nanomezan'ireo Egyptianina ny Jiosy ireny zava-tsarobidy ireny. Nefa vidin'ny asa mafy nataon'ireo Isiraelita nandritra ny taonjato maro izany, karama izay nolavina tsy homena azy ireo. Raha izany no vidin'ny fandroahana ny Hebreo tsy hijanona eo amin'ny taniny, dia azo antoka fa kely foana izany ho an'ny Egyptianina.

Impiry moa isika no "nibebaka" tamin'ireo asantsika noho ny vokatr'izany fotsiny ihany fa tsy noho ny maharatsy izany? Nahoana izany no tsy tena fibebahana marina? Ahoana no ianarantsika halahelo noho ny ota, izany hoe, "miala amin'izany", farafahakeliny ao anatin'ny fotoana voafetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal