Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nomena ho loharanom-pifaliana ny asa.

Daty
Alatsinainy 04 August 2025

 "Ary Jehôvah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy." — Gen. 2:15.

Mofon’aina:
Napetrak'Andriamanitra ho ambany lalàna ny olombelona; fepetra iray tena ilaina iankinan'ny fisiany izany. Olon'ny fanjakan'Andriamanitra izy, ary tsy misy fanjakana raha tsy misy lalàna. Azon'Andriamanitra natao tsara ny namorona olona tsy nanana fahafahana hanota; azony natao ny niaro ny tanan'i Adama tsy handray ilay voankazo voarara. Raha izany anefa no nitranga dia ho voary tsy nanana fahafahana hisafidy ny olona. (...) Izany dia hifanohitra amin'ny lalàna itondran'Andriamanitra ireo mponina any amin'ny planeta hafa. Tsy ho mendrika ny olombelona izay voary manan-tsaina izany, ary hanamafy orina ny fiampangan'i Satana hoe fanjakana tsy refesi-mandidy ny fanjakan'Andriamanitra.

Ny fonenan'ireo razambentsika dia natao ho ohatra sy môdely ho an'ireo taranany nifandimby rehetra rehefa hipariaka manerana ny tany izy. Tsy lapa ilay tokantrano nonenan'izy mivady (...). Ny olombelona kosa noho ny haitraitran'ny fony, dia faly mitoetra amin'ny trano sarobidy ka manao ny asan'ny tanany ho voninahiny. Fa tao amin'ny saha Edena kosa no nametrahan'Andriamanitra an'i Adama. Ny lanitra manga no tafon'izany fonenana izany ary ny ahi-maitso feno voninkazo kanto no karipetrany; asan-tanan'Ilay Artista mahay no nandravaka ny rindrina ary ny sampana be ravin'ireo hazo vaventy sy tsara fijoro no alokalony.

Lesona lehibe ho an'ny taranaka samy hafa velona aty aoriana ny ravaky ny fonenana nomen'Andriamanitra ireo mpivady tsy nanan-tsiny. Tsy eo amin'ny haitraitra na eo amin'ny fananan-javatra sarobidy no misy ny tena fahasambarana, fa eo amin'ny firaisana amin'Andriamanitra eo afovoan'ny zavaboary mahatalanjona. Raha mba tsy variana loatra amin'ny zavatra amboamboarina mantsy ny olona ary tia kokoa ny fahatsorana, dia ho nahatakatra misimisy kokoa ny fikasan'ny Tompo ny aminy izy! (...)

Ny adidy nomena ireo mponina tao Edena dia ny "hiasa sy hitandrina" ny saha. Izany asa mahafinaritra sy mahasalama izany dia tsy nandreraka azy. Mba hampiasa ny sainy, hanatanjaka ny tenany ary hampivelatra ireo hery samy hafa ananany, no antony nanomezan'Andriamanitra ny olona ny tombontsoan'ny asa. PM, tt. 25, 26.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal