"Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan’ny olona."- Mat. 5:13
Mofon’aina:
Mpanarato vitsivitsy mahantra sady tso-piaina no nilazana ireo teny ireo. Anisan'ny nanatrika teo sy nandre izany ireo mpisorona sy raby, saingy tsy ho azy ireo no nanaovana izany teny izany. (...) Avy amin'ireo tenin'i Kristy ireo no ahazoantsika tsara ny lanjan'ny hery miasa mangina avy amin'ny olona. Tsy inona izany fa fiarahana miasa amin'ny hery miasa manginan'i Kristy, (...) fampitana foto-kevitra marina (...). Fanapariahana ny fahasoavana koa izany, fahasoavana izay Kristy irery ihany no manome azy. (...) Ny vahoakan'Andriamanitra dia tokony hanohitra ny hery miasa mangina manimba sy mandoza avy amin'ilay ratsy.- RH, 22 Aogositra 1899.
Hihaona amin'olona maro mandia lalan-tsarotra ianao eo amin'ny fiainana. Mahatonga azy havesatra entana ny asa mafy sy ny fahantrana, ka tsy manana fanantenana momba ny hoavy tsara kokoa izy. (...) Feno ahiahy sy ampahoriana izy ireo, ary tsy mahalala izay tokony hitodihana mba hahazoany fitsaharana. Aoka ianao hiasa amin'ny fonao manonto10 ho fanampiana azy ireo. Tsy sitrak'Andriamanitra raha miolonolona ny zanany. Tsarovy fa maty ho an'ireny olona ireny koa i Kristy. Tolory tanana manampy izy ireo. (...)Aoka hataonao fitsipi-piaina ny tsy hanonona teny mitory fisalasalana na fahakiviana. Betsaka no azonao atao mba hitondrana fahazavana eo amin'ny fiainan'ny hafa amin'ny teny feno fampaherezana masina.
Azon'ny mpianatra tso-piaina sy mahantra indrindra atao ny ho tonga fitahiana ho an'ny hafa.
Angamba tsy tsapan'izy ireo fa manao soa manokana izy, nefa amin'ny hery miasa mangina avy aminy no hitosahan'ny onjam-pitahiana izay hihamitombo sy hihalalina, ka ny vokatr'izany dia mety tsy ho fantany raha tsy amin'ny andron'ny famaliana farany. Tsy asaina manasatra ny tenany amin'ny fitebitebena momba ny fahombiazana izy ireo, ny hany tokony hataony dia ny mandroso moramora sy manatanteraka amim-pahatokiana ny asa nankinin'ny fahasoavan'Andriamanitra taminy, dia tsy ho zava-poana ny fiainany amin'izany. (...)- Wm, 5 Mey 1908 (ST, 6 Aogositra 1902).