Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

April 2024

HAZAVAIN'NY FANAHY

Indray andro raha nianatra tao amin'ny trano famakiam-bokin'ny oniversite i Martin Luther dia tonga teo amin'ny kihon-dalan'ny fiainany. Nahita dika mitovin'ny Baiboly amin'ny teny latina izy. Tsy azony an-tsaina akory ny fisian'ny boky toy io talohan'izao. Tamim-pahafinaretana no namakiany ny toko tsirairay, ny andininy tsirairay. Talanjona izy ny amin'ny fahazavana sy ny herin'ny Tenin'Andriamanitra. Rehefa namaky ireo pejin'ilay boky izy dia nanazava ny sainy ny Fanahy Masina.

MAMPITA NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Vakio ny 2 Kôr. 4:1-6 sy ny 2 Kôr. 2:14. Inona no ambaran'ireo andininy ireo ny amin'ny toky nananan'i Paoly na teo aza ireo olana natrehiny teo am-panambarana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra?

Tojo sakana lehibe maro i Paoly teo amin'ny asa fampielezany ny Filazantsara; na izany aza dia azony antoka fa handresy ny Tenin'Andriamanitra amin'ny farany, "fa" araka ny nambarany dia "tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa" - 2 Kôr. 13:8.

NY FANKATOAVANA : VOKATRY NY FINOANA

Vakio ny Rôm. 3:27-31; Rôm. 6:15-18; sy ny Rôm. 8:1,2. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny famonjena amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy irery ihany?

I KRISTY IRERY IHANY - FAHASOAVANA IRERY IHANY

Vakio ny Efes. 2:8,9; Rôm. 3:23,24; Rôm. 6:23; sy ny Rôm. 5:8-10. lnona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny drafi-pamonjena?

NY TENIN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY 

Vakio ny Sal. 119: 103,104; Sal. 119: 147; sy ny Sal. 119: 104. Manao ahoana ny fandraisan'i Davida ny Tenin'Andriamanitra? Manao ahaoana ny akon'izany teo amin'ireo mpanavao fivavahana? Ary eo amin'ny fiainantsika ankehitriny?

FINOANA, NA INON-KIDONA NA INON-KITRANGA

Hodinihina mandritry ny herinandro: Sal. 119:162; Jao. 16:13-15; 2 Pet. 1:20,21; Efes. 2:8,9; Rôm. 3:23,24; Rôm. 6:15-18.
 

Tsianjery: "Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao." —Sal. 119:11.

 

FIANARANA FANAMPINY

"Navelan'Andriamanitra hamirapiratra teo amin'ny sain'ireo oIona nofidiny ireo ny fahazavana lehibe ka betsaka ny fahadisoan-kevitr'i Roma no nambarany taminy; nefa tsy naseho azy avokoa ny fahazavana rehetra izay tokony homena an'izao tontolo izao. Tamin'ny alalan'ireo mpanompony ireo, dia nitarika ny vahoaka hiala tamin'ny fahamaizinan'ny fivavahana Romana Andriamanitra nefa sady maro no lehibe ny zava-misakana tsy maintsy natrehina, ka nalefa miandalana sy tsimoramora ny fitarihana azy ireo.

NAMPAHEREZIN'NY FANANTENANA

Vakio ny Heb. 2:14,15. Ahoana no niainan'ireo mpino tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany ny maha zava-misy ilay fifanandrinana lehibe?

NY KINTAN'NY MARAINAN’NY FANAVAOZANA ARA-PIVAVAHANA 

Vakio ny Sal. 19:7-11, Sal. 119:140, Sal. 119:162, ary ny Jer. 15:16. Inona ny toe-tsaina mitovy nananan'i Davida sy i Jeremia momba ny Tenin'Andriamanitra, toe-tsaina izay vato fehizoron'ny Fanavaozana ara-pivavahana?

HERY HIJOROANA

Ampitahao ny Asa. 5:28-32, Efes. 6:10-12 sy ny Apôk . 3:11. Inona ny fitsipika fototra hita ao amin'ireo andininy ireo?

Iray amin'ny toetra nampiavaka ny Vaudois sy ireo mpanavao fivavahana tsirairay ny fanekeny tanteraka an'Andriamanitra, ny fankatoavany ny fahefan'ny Soratra Masina ary ny fileferany eo anatrehan'ny fahambonian'i Kristy fa tsy ny an'ny papa. Feno ny tantaran'ny finoana sy ny faherezana avy tao amin'ny Testamenta Vaovao ny sain'izy ireo.

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal