Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.

Daty
Alakamisy 01 October 2026

Inona no ambaran'ireto toko sy andininy manaraka ireto momba ny fomba nitenenan'Andriamanitra tamin'ny olona taorian'ny nidirareny fahotana? (Vakio ny Neb. 1:1,2; Rôm. 1:19,20; Nom. 12:6; 2 Tim. 3:16,17; Jao. 14:7-9; Jao. 10:27-30)

Na eo aza ny fahotana, dia nahita fomba maro Andriamanitra mba hifandraisana amin'ny olombelona lay°. Anisan'ny fomba anehoany ny Tenany amintsika ny famoronana. Fanambarana miezinezina momba ny asa mahagaga ataony ny zavaboary. Talanjona ny mpahay siansa noho ireo zava-mahagaga eto amin'ny tontolo midadasika miry antsika sy noho ny fahasarotan'ny firafitry ny aina na dia ao amin'ireo zava-manana aina heverina ho "tsotra indrindra" aza. Hita eo amin'ny zavaboary koa anefa ny vokatry ny fahalavoana; ny fahafatesan'ny zava-manana aina rehetra no ohatra lehibe indrindra amin'izany. Fomba iray hafa nitenenan'Andriamanitra tamin'ny olona koa ny fampiasany ny mpaminany, olona izay nofidiny ho mpitondra teniny. Ohatra amin'izany ny nitenenan'Andriamanitra tamin'i Noa, Abrahama, Mosesy ary Daniela, ka nanambarany ny sitrapony ho an'ny vahoakany. Raha fotorina, ny hafa-paminaniana avyamin'Andriamanitra dia fampahatsiahivana fa tsy nanadino ny zanany izy ary mbola miaraka amin'izy ireo hatrany. Nisy ireo mpaminany nanoratra ny antsointsika hoe Soratra Masina, fa ny sasany kosa tsy mba nanoratra na dia boky iray aza ao amin'ny Baiboly. Na izany aza, maro tamin'ireo tenin'ny mpaminany no nampitaina tamin'ny alalan'ny Soratra Masina (2 Tim. 3:16,17). Fanambaran'Andriarnanitra momba ny Tenany ny Baiboly. Amin'ny alalan'ny Teniny no ahafantarantsika ny momba Azy sy ny toetoetrany; ao no ahitantsika ny fitiavany tsy mety lefy sy ny torolalany mikasika ny fomba tokony hiainantsika.

Ankoatra izany, amin'ny alalan'ny Baiboly no ahatakarantsika hoe iza isika, avy aiza, ary ho aiza. Ao no ahitantsika ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika. Ny fomba mahomby indrindra nitenenan'Andriamanitra tamintsika anefa dia tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, izay ampahafantarina antsika ao amin'ny Baiboly. Tahaka ny nitadiavan'Andriamanitra an'i Adama sy i Eva tao amin'ny saha Edena, no nahatongavan'i Kristy mba uhitady sy hamonjy ny veni' - Lio. 19:10. Hoy i Jesôsy: "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" - Jao. 14:9. Tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty no nanatanterahan'i Kristy ilay teny fikasana nomena an'i Adama sy i Eva tao Edena. Tonga Izy ary maty nisolo antsika mba hananantsika fiainana mandrakizay amin'ny alalany. Taorian'ny niakaran'i Jesosy ho any an-danitra, dia mbola manohy mitari-dalana antsika ho amin'ny "marina rehetra" sy milaza amintsika ny "zavatra ho avy ny Fanahy Masina (Jao. 16:13). Fampiononana manao ahoana no azonao noho ny fahafantarana fa maneho amintsika ny mombamomba an'Andriamanitra sy ny tena toetrany i Jesôsy sy ny fitiavany ary ny toetrany sy ny nanolorany ny ainy? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal