Ny tsy tokony hisaratsarahantsika mba hanaraka izay mpitarika tiantsika avy dia tsy midika fa tsy tokony hanohana ny mpitarika antsika isika. Tokony hankasitraka sy hanampy ireo mitarika ny asan'ny fiangonana isika. Manendry olona hanao ny asany eto an-tany Andriamanitra. Mendrika ny hohenoina sy harahina ireo mpitondra fivavahana izay mampiseho fomba fiaina feno fanetren-tena, araka izay naseho teo amin'ny hazo fijaliana.
Ny hazo fijaliana mantsy no hany manana hery mandrava izay rehetra mety ho fanararaotam-pahefana amin'ny alalan'ny fampiasana ny Tenin'Andriamanitra. Ireo mpitarika manana ny sain'i Kristy dia manaiky fa Andriamanitra irery ihany no mampahomby ny asany. Na i Jesôsy aza dia nanolotra ny voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany, fony Izy nanompo teto an-tany tamin'ny maha-olombelona Azy (Jao. 17:4).
Ho an'i Paoly, ny fanompoana kristianina mahatoky dia tsy maintsy miorina eo amin'ny antsoina hoe teolojian'ny hazo fijaliana. Ny hazo fijaliana no fanambaran'Andriamanitra ny fahendreny sy ny heriny mahavonjy. Izany koa no maneho miharihary ny fahendren'olombelona ho fahadalana. Hazavain'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 4:1-13 ny fisehon'izany teolojian'ny hazo fijaliana izany. Voalohany, asehony fa Andriamanitra no mametraka ny fenitra ho an'ny fitarihana kristianina (1 Kor. 4:1-5). Faharoa, asongadiny fa ny fijaliana no famantarana mampiavaka ny fanompoana kristianina marina (1 Kor. 4:9,11-13). Mendrika hohalalinina kokoa io teboka faharoa io.
Vakio ny 2 Kor. 11:23-28 sy ny Kol. 1:24. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny hevitry ny hoe miaritra fijaliana noho ny amin'l Kristy?
Manaraka ny dian-tongotr'i Jesosy ny mpitarika kristianina amin'ny fahavononany hiari-pahoriana ho an'ny rahalahiny (rahavavy, anabavy, anadahy), ary ho faty aza, raha ilaina, noho ny amin'ny fanompoany. Niresaka momba ny tenany sy i Apolosy i Paoly ho «toy izay voaheloka hovonoina" 1 Kor. 4:9. Olona tsy ampy sakafo sy rano no anoritsoritana azy ireo, ary koa "tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana» 1 Kor. 4:11. Ankoatra izany, notevatevaina koa izy ireo, nenjehina, notenenina mafy, ary natao «toy ny faditr'izao tontolo izao (...) dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny» - 1 Kor. 4:12,13. Nasehon'i Paoly koa, tamin'ny eson-teny nataony momba ny Korintiana hoe: manan-karena, manjaka, hendry, ary manan-daza izy ireo (1 Kor. 4:8,10), fa ny fireharehana dia tsy tokony hanan-toerana eo amin'ny fitarihana kristianina marina, satria izany no fototry ny fisaraham-bazana ao am-piangonana (1 Kor. 4:6).
Hatraiza no efa niaretanao fahoriana noho ny amin'i Kristy, na inona na inona andraikitrao ao am-piangonana? Inona no lesona azo tsoahina avy amin'ny valin-teninao.